Sorona Masina ny Alakamisy 22 jolay 2021

Herinandro faha-16 mandavantaona

ALAKAMISY


Tononkira fidirana

Sal. 53, 6-8


Indro Andriamanitra manampy ahy, ny Tompo no mpanohana ny fanahiko. Hanolotra Sorona aminao amin’ny foko manontolo aho, ry Tompo, hidera ny hasoan’ny Anaranao.


Fangatahana

Henoy vavaka izahay mpanomponao, ry Tompo, ary ampitomboy ao aminay ny fahasoavanao; hoentanin’ny fanantenana sy ny finoana ary ny fitiavana anie ny fonay haharetanay lalandava mitandrina ny didinao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Bokin’i Jeremia Mpaminany

Jer. 2, 1-3. 7-8. 12-13


Nafoiny Aho, Izaho loharano velona, fa fantsakana tsy mahatan-drano no nohadiany ho azy.

Tonga tamiko ny tenin’ny Tompo nanao hoe: “Mandehana ataovy antso avo ho ren’i Jerosalema izao teny izao: Izao no lazain’ny Tompo: Tsaroako ny firaiketam-ponao tamiko fony ianao mbola tanora; ny fitiavanao, fony ianao vao fofom-bady; dia ilay nanarahanao Ahy tany an’efitra, tany amin’ny tany tsy famafazana. Fahizany i Israely dia ilay zavatra voatokana ho an’ny Tompo; dia ilay voaloham-bokany, ka izay nihinana taminy, dia nahazo heloka, ka nozoin-doza, — teny marin’ny Tompo. Ary tany hoatra ny saha be hazo mamoa no nitondrako anareo, mba hihinananareo ny vokany aman-java-tsoa eo aminy. Kanjo nony tafiditra ianareo, nolotoinareo ny taniko, ary nataonareo ho fahavetavetana ny lovako. Ny mpisorona tsy nanao hoe: “Aiza ny Tompo?” Ny mpitan-dalàna, tsy nahalala Ahy; ny mpitondra, nivadika tamiko; ary ny mpaminany, naminany tamin’ny anaran’i Baala, ka nanaraka ny tsy mahasoa na inona na inona izy ireny. Mitalanjona amin’izany, ry lanitra, mangovita sy mangorohoroa mafy ianareo, — teny marin’ny Tompo. Fa nanao ratsy roa sosona ny vahoakako: Nafoiny Aho, Izaho loharano velona, fa fantsakana tsy mahatan-drano no nohadiany ho azy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 35, 6-7ab. 8-9. 10-11


Fiv.: Ao aminao, ry Tompo, ny loharanon’aina.

Tompo ô! hatrany an-danitra ny hatsaram-ponao; mahatakatra ny rahona ny fahamarinanao! Toa vohitra mideza ny fitiavanao ny rariny; hantsam-be ny fitsaranao!
Saro-bidy toy inona ny hatsaram-ponao! Ny zanak’olombelona, ry Andriamanitra ô, mialoka eo ambany elatrao, mivoky amin’ny menaky ny Tranonao hetsaky ny hafinaretanao mandriaka.
Fa ao aminao ny loharanon’aina; ny hazavanao no ahitanay hazavana. Mbola anehoy hatsaram-po izay mahalala Anao, sy fahamarinana izay mahitsy fo!


Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Boky Eksaody

Eks. 19, 1-2. 9-11. 16-20b


Nidina nanatrika ny vahoaka teo an-tampon’ny tendrombohitra Sinaia ny Tompo.

Tamin’ny volana fahatelo taorian’ny nivoahan’i Israely tany Ejipta, tamin’izany andro izany, no nahatongavany tany an’efitr’i Sinaia. Efa niala tany Rafidima izy; ary nony tonga tamin’ny efitr’i Sinaia, dia nitoby tao an’efitra; tandrifin’ny tendrombohitra no nitobian’i Israely.

Ary hoy ny Tompo tamin’i Môizy: “Indro fa hankeo aminao ao anatin’ny rahona matevina Aho, mba ho ren’ny olona rahefa miteny aminao Aho, dia hinoany anao mandrakariva koa.” Dia nolazain’i Môizy tamin’ny Tompo ny tenin’ny vahoaka. Ka hoy ny Tompo tamin’i Môizy: “Mandehana mankany amin’ny vahoaka, ka hamasino izy anio, sy ampitso ary asaovy sasàny ny fitafiany. Aoka ho voaomana amin’ny andro fahatelo izy, fa hidina eo an-tampon’ny tendrombohitra Sinaia eo imason’ny vahoaka rehetra ny Tompo amin’ny andro fahatelo.”

Nony marainan’ny andro fahatelo, dia nisy kotroka aman-tsela-baratra ary rahona matevina teo an-tendrombohitra, ary nisy feon’anjomara mafy nitatatata, ka tera-kovitra ny vahoaka rehetra teo an-toby.

Nentin’i Môizy nivoaka ny toby ny vahoaka handeha hihaona amin’Andriamanitra; dia teo am-pototry ny tendrombohitra izy ireo no nijanona. Nivoa-tsetroka ny tendrombohitra Sinaia manontolo, satria tanaty afo no nidinan’ny Tompo nankeo amboniny, ka nipololotra toy ny avy amin’ny lafaoro lehibe ny setroka, ary nihovotrovotra iray ihany ny tendrombohitra manontolo. Nihamafy nihamafy ihany ny feon’anjomara. Ary niteny i Môizy ka namaly feo azy Andriamanitra. Nidina ny Tompo nankeo an-tendrombohitra Sinaia, dia teo an-tampon’ny tendrombohitra izany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Dan. 3, 52. 53. 54. 55. 56.


Fiv.: Fa mendrika dera sy laza, isaorana mandrakizay.

Isaorana indrindra Ianao, ry Tompo Andriamanitry ny razana.
Isaorana ny Anaranao, fa masina, be voninahitra.
Isaorana indrindra Ianao, an-tempoly be voninahitra.
Isaorana indrindra Ianao, ambony fiketraha-mpanjaka.
Isaorana indrindra Ianao, mahatsinjo ny halalin’ny hantsana.
Isaorana indrindra Ianao, mipetraka ambony Kerobima.
Isaorana indrindra Ianao, manerana tany aman-danitra.


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Misaotra Anao Aho, ry Ray, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny fanjakanao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 13, 10-17


Ianareo no nomena hahalala ny zava-miafina amin’ny fanjakan’ny lanitra, fa izy ireo tsy mba nomena izany.

Tamin’izany andro izany, nanatona an’i Jesoa ny mpianany ka nilaza taminy hoe: “Nahoana no fanoharana no itenenanao aminy?” Namaly Izy ka nanao taminy hoe: “Satria ianareo no nomena hahalala ny zava-miafina amin’ny fanjakan’ny lanitra, fa izy ireo tsy mba nomena izany. Fa izay manana dia homena ka hanam-be izy, ary izay tsy manana kosa, na dia izay ananany aza dia hesorina aminy. Ary noho izany, dia fanoharana no itenenako aminy: satria mijery izy fa tsy mahita, ary mandre fa tsy mahazo na mahalala; ka tanteraka aminy ilay faminanian’i Izaia manao hoe: ‘Handre amin’ny sofinareo ianareo fa tsy hahalala, ary hijery amin’ny masonareo, fa tsy hahita; fa ny fon’itý vahoaka itý efa nihamafy, ny sofiny efa nihadonto, ary ny masony efa nakimpiny, sao mahita ny masony sy mandre ny sofiny, ka hahalala ny fony, dia hibebaka izy ary hositraniko.’ Fa ianareo kosa, sambatra ny masonareo fa mahita, ary ny sofinareo fa mandre. Lazaiko aminareo marina tokoa, fa maro ny mpaminany sy ny olo-marina naniry hahita ny hitanareo fa tsy nahita, ary handre ny renareo fa tsy nandre.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Andriamanitra ô, Sorona tokana tonga lafatra no nandavorarianao ireo sorona isan-karazany tamin’ny lalana fahiny; koa raiso ny tolotra ataonay mpanomponao ary hamasino sy tsofy rano toy ny fanatitr’i Abela mba hahavonjy ny be sy ny maro izay atolotry ny tsirairay hanajana Anao avo indrindra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 110, 4-5

Nahefa zava-mahagaga tsy very tadidy ny Tompo mangoraka sy antra; manome hanina ny matahotra Azy.


na hoe:

Apôk. 3, 20

Indro mijoro eo am-baravarana Aho ka mandondòna, hoy ny Tompo; ary raha misy mihaino ny feoko sy mamoha varavarana Ahy dia hiditra ao aminy Aho, ka hiara-misakafo aminy, ary izy hiaraka amiko.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Mitalaho an-tanan-droa aminao izahay, ry Tompo, ombao fitahiana izahay vahoakanao vao nofahananao ny sakafo avy any an-danitra, ka mba esory hiala amin’ny toetranay fahiny ary ento hankeo amin’ny fiainam-baovao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0124