Sorona Masina ny Alahady 20 jona 2021

ALAHADY FAHA-12 mandavantaona — B

ANDRIAMANITRA NO VONJINTSIKA SY ARONTSIKA

Tononkira fidirana

Sal. 27, 8-9

Ny Tompo no herin’ny vahoakany, mpiaro sy mpamonjy ny nohosorany. Tompo ô, vonjeo ny vahoakanao, tsofy rano fa lovanao, ary ento an-trotroana mandrakizay.

 

Asiana VONINAHITRA ANIE...

 

Fangatahana

Tompo ô, mba velomy lalandava ao am-ponay ny fanajana sy ny fitiavana ny Anaranao masina; satria tsy afoinao na oviana na oviana izay nataonao mafy orina amin’ny fitiavana Anao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka. .. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Bokin’i Jôba

Jôb. 38, 1. 8-11

Iza no nanidy ny ranomasina tamin’ny varavarana?

Namaly an’i Jôba ny Tompo tao anatin’ny tafio-drivotra ka nanao hoe: “Iza no nanidy ny ranomasina tamin’ny varavarana, fony izy nivoaka nisavoamboana avy any am-bohoka; raha nanao ny rahona ho fitafiany Aho, ary ny zavona matevina ho lambam-pandriany; raha nampanaiky azy ny didiko sy nanisy hidy amam-baravarana taminy, ka nilaza taminy hoe: Hatreto alehanao, ka tsy hihoatra, fa eto no hijanona ny fianjonanjonan’ny onjanao”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Salamo fandinihana

Sal. 106, 23-24. 25-26. 28-29. 30-31

 

Fiv.: Derao ny Tompo fa tsara: eny, mandrakizay ny hatsaram-pony.

Ireo midina an-dranomasina an-tsambo sy manao ny asany eny ambony rano dia mahita ny asan’ny Tompo, ny zava-mahagaga ataony amin’ny alina.
Mitony izy, dia avy ny tadio, ny onja misavoana manakatra ny lanitra dia midina hatrany amin’ny hantsana ny ainy tsy metimety, toy ny ho lasana.
Dia mitaraina amin’ny Tompo fa mijaly, ka afahany amin’ny fahoriany: ny rivo-mahery tonga tsiotsioka, ny alon-drano nitrena sina tampoka.
Faly ireo fa nitony ireny, izy koa tody an-tseranana irîna.
Aoka izy hisaotra ny Tompo tia, mpanao zava-mahagaga ho an’ny olona.

 

VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasy faharoan’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty

2 Kôr. 5, 14-17

 

Indro tonga vaovao ny zavatra rehetra.

Ry kristianina havana, terin’ny fitiavan’i Kristy antsika izahay, satria fantatray marina fa maty ho an’ny olona rehetra ny olona iray, ka dia maty koa izy rehetra; ary maty ho an’ny olona rehetra Izy, mba tsy ho velona ho an’ny tenany intsony izay velona, fa ho an’Izay maty sy mitsangana ho azy ireo. Koa dia tsy mahalala olona araka ny nofo intsony izahay; ary na dia nahalala an’i Kristy araka ny nofo aza izahay, dia tsy araka izany intsony no ahalalanay Azy ankehitriny. Noho izany, na iza na iza ao amin’i Kristy, dia zava-boaary vaovao izy, ka lasa ny zavatra taloha, fa indro tonga vaovao ny zavatra rehetra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Hankalazaina anie ny Mpanjaka avy amin’ny Anaran’ny Tompo! Fiadanana anie any an-danitra ary voninahitra anie any amin’ny Avo indrindra!

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Marka

Mk. 4, 35-40

Iza moa io, fa ny rivotra sy ny ranomasina avy no manaiky Azy?

Tamin’izany andro izany, dia fanoharana maro no nitorian’i Jesoa teny tamin’ny vahoaka. Ary nony hariva ny andro, dia hoy Izy tamin’ny mpianany: “Andeha isika hita ho eny an-dafin-drano”. Dia nilaozan’izy ireo teo ny olona ka nentiny tamin’izao an-tsambo kely i Jesoa, ary nisy sambo kely maromaro koa niaraka taminy. Ary nisy tafio-drivotra mahery nampisavoana ny onjan-drano hatrany anaty sambo kely, ka efa nihafeno rano izy. Fa i Jesoa kosa natory teo am-body sambo kely tambonin’ny ondana, ka nofohazin’izy ireo Izy nilazany hoe: “Ry Mpampianatra ô! tsy mampaninona Anao va raha maty izahay?” Dia nifoha Izy ka niteny mafy ny rivotra, ary nilaza tamin’ny ranomasina hoe: “Mangina, mitonia”. Dia nitsahatra ny rivotra, ary nitony dia nitony ny andro. Ary hoy Izy tamin’izy ireo: “Nahoana no saro-tahotra ianareo? Tsy mbola manam-pinoana ihany va ianareo?” Ary natahotra dia natahotra izy ireo ka nifampilaza hoe: “Iza moa io, fa ny rivotra sy ny ranomasina avy no manaiky Azy?”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Asiana IZAHO MINO...

 

Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, eo anoloan’ny adim-piainana diavintsika ankehitriny, dia toa very hevitra sy mila ho kivy isika, fa tsy hita intsony izay hifaharana. Eo anefa Andriamanitra, Tompon’ny hery sy ny fahefana rehetra, sy i Jesoa Kristy Zanany tonga hamonjy antsika; koa andeha hiantso Azy amim-pinoana, mba hankahery sy hiaro antsika lalandava Izy.

Valy: Arovinao izahay, ry Jesoa, satria ady manko ny fiainana.

* Manana adidy lehibe hitondra fanantenana sy hamelona ny finoan’ny olombelona ny Eglizy; koa mivavaha ho an’ireo mpitondra isan-tsokajiny ao amin’ny Fiangonana, mba hahaizany mampifantoka amin’Andriamanitra ny ezaka sy ny tolom-piavotana rehetra ataon’ny olombelona.
* “Mahery tsy maody, tsy ela velona”, hoy ny fahendren’ny Ntaolo razantsika, ary “ny hery tsy mahaleo ny fanahy”; koa mivavaha ho an’ireo manam-pahefana sy tompon’andraikitra isan’ambaratonga, mba tsy hanampatra fahefana sy tsy hitompo teny fantatra, fa mba hitandro ny hasina sy ny zon’ny vahoaka.
* Betsaka ireo mijaly sy vesaram-pahoriana ankehitriny noho ny hamafin’ny vidim-piainana; koa mivavaha ho an’ireo tsy ampy fivelomana, ireo maro anaka, ireo tsy an’asa, ireo kamboty, mba hiankinany lalandava amin’Andriamanitra, hahaizany manakambana ny fijaliany amin’ny an’i Kristy; ary hitarihan’Andriamanitra ny olona tsara sitra-po hanamaivana ny fahoriany.
* Misamboaravoara ny fiainan’ny zanak’olombelona ankehitriny, ka toa hadino Andriamanitra, Ilay fototry ny tena fiainana marina; koa mivavaha mba tsy ho revo amin’ny hita maso fotsiny ny olombelona, sy tsy hiantehitra amin’ny herin’ny sainy fotsiny, fa hitodika amin’Andriamanitra vonjintsika sy fiainantsika.
* Mifampivavaha isika iray Fiangonana, mba ho hita soritra eo amin’ny ezaka iarahantsika manao, fa mino sy manantena an’Andriamanitra isika, ka sady mivavaka amim-pinoana sy faharetana, no mikatroka eo amin’ny asa fampanjakana ny rariny sy ny hitsiny, hahasambatra ny vahoaka amin’ny fiadanam-po avy amin’Andriamanitra.

 

— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana sy eran-tany.

 

Tompo ô, jereo amim-pitiavana izahay eto anivon’izao fiainana sarotra sy feno tebiteby izao. Ianao no Tompon’ny hery sy ny fahefana rehetra ka aza avela hanafotra anay ny rivo-dozan’ny fijaliana sy ny fahotana isan-karazany.

Fa Ianao velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.

 

Vavaka Fanolorana

Mba raiso, ry Tompo, ity sorom-pifonana sy fiderana ity: ary enga anie hanadio anay ny fahasoavana avy aminy, ka ho sitrakao ny fitiavana atolotry ny fonay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Prefasy: Alahady tsotra V, ohatra.

 

Kômonio

Sal. 144, 15

Any aminao avokoa ny mason’ny velona rehetra manantena Anao, ary Ianao manome ny sakafony ara-potoana.

 

na hoe:

Jo. 10, 11. 15

Izaho no Mpiandry ondry tsara, hoy ny Tompo; mahafoy ny aiko ho an’ny ondriko Aho.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, nahazo aim-baovao izahay nandray ny Vatana sy ny Ra masin’i Kristy; koa mihanta aminao mora fo: enga anie izao fanompoam-pivavahana feno fitiavana fanaonay izao, ho antoky ny fanavotana anay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0084