Sorona Masina ny Alakamisy 17 jona 2021

Herinandro faha-11 mandavantaona

ALAKAMISY


Tononkira fidirana

Sal. 26, 7. 9


Henoy, ry Tompo, ny feoko miantso Anao. Tongava hamonjy ahy, aza manary ahy, aza mahafoy ahy, ry Andriamanitra Mpamonjiko.


Fangatahana

Ry Andriamanitra be fiantra ô, Ianao no andry iankinan’izay manantena Anao; ka atreho ny vavaka ataonay: ary raha tsy Ianao, tsy mahefa na inona na inona izahay fa nofo sy ra ka ombao fahasoavana mandrakariva hitandrina ny didinao mba hifanaraka amin’ny sitraponao na ny hevitray na ny asanay.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka… Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Bokin’i Siraka

Eklesiastika 48, 1-14


Nony voahodidin’ny tadio i Elia dia tonga feno ny fanahiny i Elisea.

Nitsangana hoatra ny afo i Elia mpaminany, ary nirehitra hoatra ny fanilo ny teniny. Niantso mosary hamely an’i Israely izy, ary nahavitsy isa azy, noho ny zotom-pony. Nanakatona ny lanitra tamin’ny tenin’ny Tompo izy, ary nampilatsaka afo avy any intelo toy izany ihany koa. Voninahitra lehibe manao ahoana, ry Elia, no azonao tamin’ny fahagagana nataonao, ary zovy no afaka hihambo ho mitovy aminao? Ianao nampitsangana ny maty anankiray hiala amin’ny fahafatesana sy amin’ny seoly, tamin’ny tenin’ny Avo indrindra; Ianao namarina mpanjaka ho amin’ny faharavana, sy olo-malaza avy amin’ny fandriany ho any amin’ny fahafatesana; ianao nandre fananarana teo ambonin’i Sinaia, sy didy famaliana tany Hôreba; ianao nanokana mpanjaka hanao famaliana, sy mpaminany handimby anao; ianao nofaohina tamin’ny tadio afo, sy tamin-kalesy tarihin-tsoavaly afo; ianao voatendry ao amin’ny teny mafy an-tsoratra ho amin’ny fotoana ho avy ho tsy maintsy hampitony ny hatezerana alohan’ny hirehetany, hitarika ny fon’ny ray ho amin’ny zanaka indray, ary hanangana ny firenen’i Israely indray. Sambatra izay hahita anao, ka ho voahaingon’ny fitiavana an’Andriamanitra! Fa izahay koa dia ho velona marina tokoa. Nony voahodidin’ny tadio i Elia dia tonga feno ny fanahiny i Elisea. Nandritra ny andro niainany tsy nisy mpanjaka nahahozongozona azy, ary tsy nisy olona nifehy azy. Tsy misy zavatra tsy azony natao, ary ny vatany tafandry tao am-pasana nanao fahagagana. Velona izy, nanao zava-mahagaga; maty indray, nanao zava-mahatalanjona.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 96, 1-2. 3-4. 5-6. 7.


Fiv.: Mifalia ao amin’ny Tompo, ry olo-marina.

Aoka hifaly izany tany fa manjaka izao ny Tompo, koa samia manao korana ianareo nosy maro. Fa ny rahona no lamba ihodidinan’ny mpanjaka. E! ny rariny sy ny hitsiny ijoroany ao an-drova!
Eo alohany ny afo no mandevom-pahavalo. Ka mazava izay lalovan’ireo tsela-mitsoriaka. Fa ny tany raha mahita tsy mitsaha-mihorohoro, tendrombohitra amin’izany dia mitsonika mikoa.
Fahamarinany no tian’izany lanitra hambara; voninahiny tazano hita mason’ny vahoaka: safo-kenatra avokoa izay manompo sarisary, manantena hirehareha ka mifikitra amin’ny sampy; ny andriamanitra rehetra miankohoka avokoa.


Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Taratasy faharoan’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto

2 Kôr. 11, 1-11


Nitory ny Evanjelin’Andriamanitra maimaim-poana taminareo aho.

Ry kristianina havana, enga anie ka mba handefitra hadalana kely amiko ianareo! Eny, mahay mandefitra ahy tokoa ianareo. Manana fahasaropiaron’Andriamanitra ny aminareo aho, satria natolotro ho fofombadin’ny lehilahy anankiray ianareo, dia i Kristy, mba hanolorako anareo aminy toy ny virjiny madio. Matahotra anefa aho fandrao ny sainareo very hadiovana amam-pahitsiam-po amin’i Kristy, toy ny namitahan’ny bibilava an’i Eva tamin’ny hafetsen-dratsiny. Fa raha ohatra ka ireo vahiny tonga ao aminareo no hitory Jesoa hafa noho izay notorinay, na ianareo no handray Fanahy hafa noho izay noraisinareo, na Evanjely hafa izay tsy noraisinareo, dia ho rariny angaha ny handeferanareo aminy. Fa angaha misy mahalatsa-danja ahy noho ireo Apôstôly ambony indrindra ireo? Na tsy ampy fahaiza-mandahatra aza aho, dia ampy fahalalana tokoa, araka ny nasehonay miharihary taminareo, tamin’ny zavatra rehetra. Sa diso aho, fa nanetry ny tenako mba hanandratako anareo, ka nitory maimaim-poana ny Evanjelin’Andriamanitra taminareo? Ny an’ny Eglizy sasany no nalaiko, fa nandray fanampiana taminy aho, mba hoentiko miasa atý aminareo. Nony nitoetra tany aminareo aho, na dia tsy nanana aza, dia tsy mba namaky tratra olona, fa ny rahalahy avy any Masedônia no nanome izay nilaiko. Notandremako mihitsy izay tsy hahavaky tratra anareo, ary mbola hotandremako koa aza izany. Raha ato anatiko koa ny fahamarinan’i Kristy, marina raha ho azon-javatra esorina amiko izany reharehako eran’i Akaïa manontolo izany. Nahoana àry? Noho ny tsy fitiavako anareo ve? Andriamanitra no mahalala.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 110, 1-2. 3-4. 7-8


Fiv.: Rariny sy hitsiny ny asan’ny tananao, ry Tompo.

Izaho midera ny Tompo amin’ny foko tontolo am-pivorian’ny olo-marina sy am-piangonam-be! Lehibe ny Asan’ny Tompo, mampisaina izay rehetra tia Azy.
Voninahitra sy fiamboniana ny vitan’ny Tompo; maharitra mandrakizay ny fahamarinany. Nahefa zava-mahagaga tsy very tadidy Izy. Mangoraka sy antra ny Tompo.
Rariny sy hitsiny ny Asan’ny Tanany; mahatoky avokoa ny lahany: mafy orina mandrakizay alaovalo, vita amim-pahamarinana sy hitsiny.


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo, satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 6, 7-15


Koa mivavaha toy izao ianareo.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: “Raha mivavaka ianareo dia aza mba maro teny tahaka ny jentily, fa ataony ho ny hamaroan’ny teniny no hihainoana azy. Koa aza manahaka azy ianareo, fa na mbola tsy mangataka aminy aza ianareo, fantatry ny Rainareo izay ilainareo. Koa mivavaha toa izao ianareo:

Rainay any an-danitra, hohamasinina anie ny Anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao etý an-tany tahaka ny any an-danitra. Omeo anay anio ny hanina sahaza ho anay; avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay, aza avelanao ho resin’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy. Amen.

Fa raha mamela ny hadisoan’ny olona ianareo, dia havelan’ny Rainareo any an-danitra koa; fa raha tsy mamela ny hadisoan’ny olona kosa ianareo, dia tsy havelan’ny Rainareo koa ny hadisoanareo.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Andriamanitra ô, ireto fanatitra ireto no amelomanao sy anavaozanao ny olombelona; koa mihanta aminao izahay: enga anie tsy ho diso anjara amin’ny soa ateraky ny Sakramenta ny fanahy amam-batanay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 26, 4

Ny zava-tokana angatahiko amin’ny Tompo ary katsahiko indrindra, dia ny honina ao an-tranon’ny Tompo amin’ny andro rehetra hiainako.


na hoe:

Jo. 17, 11

Ry Ray Masina ô, tahirizo amin’ny Anaranao ireo nomenao Ahy mba ho iray tahaka antsika, hoy ny Tompo.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Manambara ny firaisan’ny mpino ao aminao, ry Tompo, ny Kômonio masina nomenao, ka enga anie ho tonga lafatra ny firaisanay ao amin’ny Eglizinao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0658