Sorona Masina ny Alahady 13 jona 2021

ALAHADY FAHA-11 mandavantaona — B

NY VOA MITSIMOKA SY MITOMBO HO AZY

Tononkira fidirana

Sal. 26, 7. 9.

Henoy, ry Tompo, ny feoko miantso Anao. Tongava hamonjy ahy, aza manary ahy, aza mahafoy ahy, ry Andriamanitra Mpamonjiko.


Asiana VONINAHITRA ANIE...


Fangatahana

Ry Andriamanitra Andriananahary ô, loharano iavian’ny soa rehetra Ianao, koa mitalaho aminao izahay: mba tsilovy hahita ny marina ary tantano hanatontosa azy.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Bokin’i Ezekiela Mpaminany

Ez. 17, 22-24

Ny Tompo efa nanetry ny hazo avo, ary nanandratra ny hazo voaetry.

Izao no lazain’ny Tompo Andriamanitra: “Hangalako ny tendron’ny sedera avo, ka hamboleko; holaingosako ny sampany milenodenoka amin’ny loha rantsany, ka hamboleko eo antampon’ny tendrombohitra avo sy manerinerina. Eo amin’ny tendrombohitra avon’i Israely no hamboleko azy; handrantsana sy hamoa izy, ary ho tonga sedera mahatalanjona honenan’izao fody amam-boromadinika rehetra izao eo amboniny, honenan’ny vorona rehetra eo amin’ny alokaloky ny rantsany. Ary ho fantatry ny hazo rehetra any an-tsaha, fa Izaho Tompo efa nanetry ny hazo avo, ary nanandratra ny hazo voaetry; nahamaina ny hazo maitso, ary nahamaitso ny hazo maina. Izaho Tompo no niteny, ary Izaho no hanatanteraka.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Salamo fandinihana

Sal. 91, 2-3, 13-16


Fiv.: Ny voa nafafy e tsy maintsy maty e
Mba hamokarany zato heny.

Tsara ny misaotra ny Tompo, ny miantsa ny Anaranao, ry Avo indrindra, ny mitory ny fitiavanao vao maraina sy ny fahamarinanao raha alina.
Ny olo-marina mamololona toa antrendry, misandratra avo toa sederan’i Libàna; ao an-tranon’ny Tompo izy no maniry, an-kianjan’ny Andriamanitsika no manorobona.
Na antitra aza izy mbola mamokatra, milenodenoka, ho ranon-kazo: ka maneho fa mahitsy ny Tompo; ao amin’ilay Vatolampiny, rariny avokoa.


VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasy faharoan’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty

2 Kôr. 5, 6-11


Ikelezanay aina ny mba hankasitrahin’ny Tompo, na mitoetra amin’ny vatana izahay na miala aminy.

Ry kristianina havana, noho izahay manana toky mandrakariva, sady mahalala fa lavitra ny Tompo izahay raha mbola mitoetra amin’ny vatana (satria finoana moa no andehanantsika, fa tsy fahitana), dia izany toky izany no itiavanay kokoa ny miala amin’ny vatana, mba hitoetra eo akaikin’ny Tompo. Ary izany ihany koa no ikelezanay aina, mba hankasitrahin’ny Tompo, na mitoetra amin’ny vatana izahay na miala aminy. Fa isika rehetra dia samy tsy maintsy hiseho amin’ny fitsaran’i Kristy, mba handraisantsika tsirairay avy, izay tandrifin’ny asantsika fony mbola tao amin’ny vatana, na soa na ratsy izany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. Hisaorana anie Andriamanitra!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Sokafy, ry Tompo, ny fonay mba hitandrina izay nolazain’ny Zanakao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Marka

Mk. 4, 26-34

Kely amin’ny voa rehetra ambonin’ny tany ny voan-tsinapy fa tonga lehibe indrindra amin’ny anana rehetra rehefa voafafy.

Tamin’izany andro izany i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka hoe: “Ny Fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny lehilahy anankiray mamafy voa amin’ny tany, ka izy matory sy mahatsiaro isan’alina sy isan’andro, ary ny voa mitsimoka sy mitombo, nefa tsy fantany izay faniriny; fa mahavokatra ho azy ny tany, ka tahony no voalohany, dia salohiny no manarakaraka, vao ventim-bary amin’ny salohiny no farany. Ary rehefa vokatra dia jinjaina miaraka amin’izay, satria tonga ny taom-pijinjana”.

Ary hoy indray Izy: “Amin’inona no hampitahantsika ny Fanjakan’Andriamanitra, ary fanoharana inona no hanehoantsika azy? Tahaka ny voantsinapy izy, izay kely indrindra amin’ny voa rehetra ambonin’ny tany raha vao afafy, fa tonga lehibe indrindra amin’ny anana rehetra kosa rehefa voafafy sy mitombo, ary mandrantsana vaventy ka azon’ny voro-manidina ialofana ny alokalony”. Dia fanoharana maro toy izany no nitoriany teny taminy, araka izay takatry ny sain’izy ireo. Ary tsy niteny taminy afa-tsy tamin’ny fanoharana Izy, fa nony mangingina vao nanambara tamin’ny mpianany ny hevitr’ireo rehetra ireo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Asiana IZAHO MINO...


Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, oharin’i Jesoa Kristy amin’ny voan-tsinapy ny Egliziny: kely fanomboka fa mitombo ka tonga hazo; koa miaraha mivavaka mba hiroborobo hatrany ny Fiangonan’Andriamanitra, hahafahan’ny olombelona rehetra mahitsy fo, mahita fiadanana ao aminy.

Valy: Ampio izahay, ry Tompo, hatoky ny fitiavanao anay.

* Mivavaha mba hiroborobo faniry ny Eglizy, hamirapiratra hatsaram-panahy: indrindra amin’ny finoana sy ny fanantenana ary ny fitiavana, mba hahatarika ny olombelona hanatona an’Andriamanitra marina tokoa.
* Angataho mba hofenoin’Andriamanitra hery sy fahendrena ny mpitondra raharaham-bahoaka rehetra; ka hikely aina mba hankasitrahan’ny Tompo ny asa rehetra imasoany.
* Be ny olombelona mijaly, te hanatona an’Andriamanitra, hery sy famonjena ary fialofana; koa mivavaha hahitany andry hiankinana sy hazo hialofana ary kristianina hitokiana.
* Isika iray Fiangonana: mivavaha mba ho hazo midoroboka, hahatarika ny olombelona rehetra, indrindra ireo mijaly sy ireo mitady an’Andriamanitra, mba hahita hasambarana ao amin’ny Eglizy.


— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana na eran-tany.


Andriamanitra ô, Ianao tsy mitsahatra mamory vahoaka ho Anao, avy amin’ny fokom-pirenena rehetra, hanaraka ny lalana atoron’i Kristy Zanakao, hivondrona sy hifankatia ao amin’ny Fanahy Masina; koa enga anie ny Eglizinao mba hahatontosa ny nanirahanao azy: dia handroso miaraka amin’ny olombelona rehetra tsy vaky volo, ary ho lalivay sy ho aina, mampiray ny foko amam-pirenena; ka hanavao azy ao amin’i Kristy, ho tonga fianakavianao Andriamanitra.

Amin’ny alalan’Izy Kristy Tomponay. Amen.


Vavaka Fanolorana

Andriamanitra ô, ireto fanatitra atolotra ireto no amelomanao sy anavaozanao ny olombelona; koa mihanta aminao izahay: enga anie tsy ho diso anjara amin’ny soa ateraky ny Sakramenta ny fanahy amam-batanay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Alahady tsotra VI, ohatra.


Kômonio

Sal. 26, 4

Ny zava-tokana angatahiko amin’ny Tompo ary katsahiko indrindra, dia ny honina ao an-tranon’ny Tompo amin’ny andro rehetra hiainako.


na hoe:

Jo. 17, 11

Ry Ray Masina ô, tahirizo amin’ny Anaranao ireo nomenao Ahy, mba ho iray tahaka Antsika, hoy ny Tompo.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Manambara ny firaisan’ny mpino ao aminao, ry Tompo, ny Kômonio masina nomenao, ka enga anie ho tonga lafatra ny firaisanay ao amin’ny Eglizinao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0558