Sorona Masina ny Zoma 04 jona 2021

Herinandro faha-9 mandavantaona

ZOMA


Tononkira fidirana

Sal. 24, 16. 18


Mba todiho aho, ry Tompo, iantrao fa honjohonjoko izaho irery mahantra. Andriamanitra ô, zahao ny fahoriako sy ny fijaliako, avelao ny otako rehetra.


Fangatahana

Andriamanitra ô, milamina aoka izany ny fitantananao ny zavatra rehetra, ka mitalaho aminao re izahay: mba halaviro izay mety hanimba, omeo kosa izay mety hahasoa.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Taratasy faharoa nosoratan’i Md. Paoly Apôstôly ho an’i Timôte

2 Tim. 3, 10-17


Izay rehetra te-ho velona ao amin’i Kristy dia hoenjehina.

Ry malala, ianao efa nanaraka tsara ny fampianarako ny fitondran-tenako, ny kendreko, ny finoako, ny fandeferako, ny fitiavako, ny faharetako, ny fanenjehana sy ny fahoriana nanjò ahy, toy ny tany Antiôkia sy tany Ikôniôma ary tany Listra; niaritra fanenjehana tokoa aho, fa nanafaka ahy hatrany hatrany ny Tompo. Dia hita fa izay rehetra te-ho velona araka an’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesoa dia hoenjehina, fa ny ratsy fanahy sy ny mpisandoka kosa dia handroso miharatsy ihany, sady mpamitaka no fitahina. Ary ianao kosa dia mahareta amin’izay zavatra nianaranao sy azonao antoka fa fantatrao ilay nampianatra anao, sady hatra ny fony mbola zaza ianao no efa nahalala ny Sorona Masina, izay nampahendry anao ho amin’ny famonjena noho ny finoana an’i Kristy Jesoa. Satria ny Soratra rehetra avy amin’ny fanilovan’Andriamanitra dia mahasoa ho fampianarana ho fandresen-dahatra, ho fananarana, ho fanabeazana amin’ny fahamarinana, mba hahalavorary ny olon’Andriamanitra sy hahavonona azy ho amin’ny asa soa rehetra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 118, 157 sy 160. 161 sy 165. 166 sy 168


Fiv.: Fiadanam-be ny an’izay tia ny Lalànao.

Maro ny mpanenjika sy mpandrafy ahy; izaho kosa tsy miala amin’ny fanambarànao. Ny tampon’ny Teninao: fahamarinana; mandrakizay sy marina avokoa ny fitsaranao!
Enjehina mpifehy tsy amin’antony aho; ny Teninao no ihorohoroan’ny foko! Fiadanam-be ny an’izay tia ny Lalànao, ary tsy mba misy mahatafintohina azy.
Ny famonjenao, ry Tompo, no antenaiko; ny baikonao no tanterahiko! Voatandriko ny lahatrao sy ny fanambarànao; eo anoloanao avokoa ny lalako rehetra!


Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Bokin’i Tôbia

Tôb. 11, 5-17


Nofaizinao aho dia nositraninao indray, ary indro mahita ny zanako aho.

Tamin’izany andro izany nandeha isan’andro nipetraka teo amoron-dalana i Annà, tamin’izao havoana kely izao, fa mahatazan-davitra eo. Raha ilay nitily ny hiavian-janany iny indrindra izy dia indry izy tazany tamy mbola lavitra, ka rahefa fantany dia lasa izy nihazakazaka nilaza tamin’ny lahy nanao hoe: “Indry tamy ny zanakao.”

I Tôbia izany, dia nilazan-dRafaela hoe: “Rahefa tonga any an-trano ianao, ny Tompo Andriamanitrao no itsaohy miaraka amin’izay dia misaora Azy, vao manatona an-drainao ianao sy manoroka azy; ary hosory faingana amin’ilay aferon-kazandrano nentinao ny masony, satria fantatro fa hisokatra eo no ho eo ny masony ka hahita ny hazavan’ny lanitra ny rainao, sy ho feno hafaliana amin’ny fahitana anao.”

Tamin’izay ilay alika nanaraka azy tany am-pivahiniana, nihazakazaka nialoha azy ireo toa hilaza ny vaovao, nanafosafo tamin’ny rambony, an-kafaliana fatratra. Dia nitsangana itý ray jamba, ka rafitra nihazakazaka, fa tafintohina ny tongony ka noraisin’ny mpanompo anankiray tamin’ny tanany izy handeha hitsena an-janany. Nofihininy tamin’ny tanany sy nohorokorohany izy, ary toraka izany koa no nataon’ny vadiny, dia samy latsa-dranomason-kafaliana izy mivady. Nony avy nitsaoka sy nisaotra an’Andriamanitra izy ireo dia nipetraka. Niaraka tamin’izay, nalain’i Tôbia ny aferon-kazandrano, ka nohosorany tamin’io ny mason-drainy. Niandry sahabo ho antsasak’adiny izy, dia nisy zavatra fotsifotsy hoatra ny hoditr’atody nanomboka niala avy ao amin’ny masony. Noraisin’i Tôbia izany, nosintoniny hiala amin’ny mason-drainy, dia nahiratra niaraka tamin’izay izy. Koa nisaotra an’Andriamanitra izy ireo dia izy sy ny vadiny mbamin’izay rehetra nahalala azy. Hoy i Tôbia: “Misaotra Anao aho, ry Tompo Andriamanitr’i Israely, fa nofaizinao aho dia nositraninao indray; ary indro mahita an’i Tôbia zanako aho.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 145, 2. 7. 8-9a. 9bd-10.


Fiv.: Derao ny Tompo, ry fanahiko!

Izaho midera ny Tompo, raha mbola velona aina, miantsa ny Andriamanitro, raha mbola misy koa!
Ilay manome rariny ny ampahoriana! I!ay mamahana ny noana, Tompo mamaha ny mpifatotra.
Tompo nampahiratra ny jamba, Tompo mampitraka ny miondrika, Tompo mpiaro ny vahiny, tohan’ny kamboty sy ireo mpitondratena.
Tompo tia ny olo-marina, fa nampiviona kosa ny olon-dratsy; Tompo manjaka mandrakizay, ny Andriamanitrao, ry Siôna.


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny fitsipikao, ry Tompo, mahafaly ny fo; ny baikonao mazava manilo ny maso.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Marka

Mk. 12, 35-37


Ahoana no ilazany fa i Kristy dia zanak’i Davida?

Tamin’izany andro izany, i Jesoa raha mbola nampianatra tao an-tempoly dia niteny nanao hoe: “Ahoana no ilazan’ny mpanora-dalàna fa i Kristy dia zanak’i Davida? Nefa i Davida ihany no nampilazain’ny Fanahy Masina hoe: ‘Ny Tompo nilaza tamin’ny Tompoko hoe: mipetraha eo ankavanako Ianao mandra-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao.’ Koa raha antsoin’i Davida ho Tompony Izy, ahoana no maha-zanany Azy?” Ary nihaino Azy an-kafaliana ny vahoaka be.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Tompo ô, matoky ny fitiavanao izahay miara-midodododo mitondra fanatitra eto amin’ny ôtelinao: ka handio anay anie ny fahasoavanao sy ny fanatitra entinay manompo Anao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 16, 6

Miantsa Anao aho, satria mihaino ahy Ianao, ry Andriamanitra; anongilano sofina aho, ka henoy teny.


na hoe:

Mt. 11, 23. 24

Lazaiko marina aminareo, hoy ny Tompo, fa na inona na inona angatahinareo amin’ny fivavahana, minoa fa ho azonareo izany, dia ho tanteraka tokoa.


Vavaka aorian’nv Kômonio

Enga anie, ry Tompo, hotarihin’ny Fanahinao Masina izahay, fa efa nofahananao tamin’ny Vatana aman-dRan’ny Zanakao, ka hidera Anao tsy am-bava fotsiny fa amin’ny asa sy ny toetra, ary ho mendrika hiditra any amin’ny fanjakan’ny lanitra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0856