Sorona Masina ny Alarobia 26 mey 2021

Herinandro faha-8 mandavantaona

ALAROBIA


Tononkira fidirana

Sal. 17, 19-20


Nitsangana ho mpiaro ahy ny Tompo; nalany amin’ny mahaory aho, nafahany satria tiany!


Fangatahana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo: enga anie izao tontolo izao handry fehizay sy hizotra araka ny lahatrao, ary ny Eglizinao ho faly sy hiadana hanompo Anao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Taratasy voalohan’i Md. Piera Apôstôly

1 Pier. 1, 18-25


Ny nanavotana anareo dia ny Ra sarobidin’i Kristy, Ilay Zanak’ondry tsy manan-tsiny aman-kilema.

Ry kristianina havana, fantatrareo fa ny nanavotana anareo ho afaka tamin’ny fitondran-tena adala nentim-paharazana, dia tsy zavatra mety simba toy ny volamena na ny volafotsy, fa ny Ra sarobidin’i Kristy, Ilay Zanak’ondry tsy manan-tsiny aman-kilema, dia Ilay talohan’ny nahariana an’izao tontolo izao no efa voatendry, fa tamin’izao andro farany izao vao naseho, noho ny aminareo. Tamin’ny alalany no nahazoanareo finoana an’Andriamanitra izay nanangana Azy ho velona, sy nanome voninahitra Azy, ka zary fanantenana an’Andriamanitra koa ny finoanareo. Noho ianareo efa nandio ny fonareo tamin’ny fanarahana ny fahamarinana, sy efa nilatsa-tenany tamin’izany hanaraka ny fitiavana marina ny rahalahy, dia mifankatiava fatratra amin’ny fo tokoa; fa efa nateraka indray ianareo, tsy amin’ny voa mety lò, fa amin’ny voa tsy mety lò, dia ny tenin’Andriamanitra izay velona sy maharitra mandrakizay. “Fa ny nofo rehetra dia tahaka ny ahitra, ary ny voninahiny rehetra dia toy ny vonin’ny ahitra: nony maina ny ahitra, dia mihintsana ny voniny; fa ny tenin’Andriamanitra kosa dia maharitra mandrakizay.” Ary izany no tenin’ny Evanjely izay notorìna taminareo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 147, 12-13. 14-15. 19-20


Fiv.: Ankalazao ny Tompo, ry Jerosalema!

Ry Jerosalema aoka ianao hiantsa, derao Andriamanitra, ry Siôna. Ilay manamafy ny vavahady, miahy ireo ankizy ao anatinao.
Miantoka anao handry fehizay, manetsaka anao mena-bary kanto. Mandefa ny didiny ho etý an-tany, dia teny miriotra tsy hay tohaina.
Nametraka ny hafany ho an’i Jakôba, ny didy aman-tsatany ho an’i Israely. Tsy misy olon-kafa nomeny izany: ny satany manko nafeniny azy.


Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Bokin’i Siràka

Eklesiastika 36, 1-2. 5-6. 13-19.


Aoka ho fantatry ny olona rehetra fa tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao, ry Tompo.

Mamindrà fo aminay, ry Tompo Andriamanitr’izao rehetra izao, ka jereo; ary arotsahy amin’ny firenena rehetra ny fampahatahoranao. Ary aoka ho fantatr’izy ireo, tahaka ny nahafantaranay, fa tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao, ry Tompo! Avereno indray ny famantaranao, ataovy indray ny fahagagana. Angony avokoa ny fokon’i Jakôba ka avereno aminy indray ny lova toy ny tamin’ny voalohany. Tompo ô, mamindrà fo amin’ny vahoakanao, izay antsoina amin’ny Anaranao sy amin’i Israely izay nataonao toy ny lahimatoa. Iantrao ny tanàna misy ny fitoeranao masina, dia i Jerosalema fitoerana fitsaharanao. Fenoy ny teny tò avy aminao i Siôna ary ny voninahitrao, ny vahoakanao. Mitsangàna ho vavolombelona miaro an’ireo zava-boaarinao hatramin’ny voalohany ary tanteraho ny fampanantenana nataonao amin’ny Anaranao. Valio soa ireto olona manantena Anao, ary aoka ho hita fa tò teny ny mpaminaninao. Henoy, ry Tompo ô, ny vavak’izay mitalaho aminao, araka ny tso-dranon’i Aarôna tamin’ny vahoakanao, ary aoka ho fantatry ny mponina rehetra eto an-tany fa Ianao no Tompo Andriamanitra amin’ny taona rehetra!

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 78, 8. 9. 11. 13.


Fiv.: Asehoy anay, ry Tompo, ny famindram-ponao!

Aza dia tsarovana hamelezana anay ireo helokay fahiny; ny indrafonao atsena anay faingana: fa reraka loatra izahay!
Vonjeo izahay, ry Andriamanitra Mpamonjy: noho ny voninahitrao! Afaho izahay, avelao ny otanay noho ny Anaranao!
Aoka ho tody eo anoloanao ny senton’ireo mpigadra! Araka ny halehiben’ny sandrinao, afaho ireo voatondro hovonoina!
Ary izahay olonao sy ondry fiandrinao dia hisaotra Anao mandrakizay, ary hitanisa ny fiderana Anao amin’ny taranaka mifandimby!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Marka

Mk. 10, 32-45


Indro isika fa miakatra ho any Jerosaema, ary ny Zanak’Olona dia hatolotra.

Tamin’izany andro izany, nony teny an-dalana ho any Jerosalema ny mpianatra, dia i Jesoa no loha lalana, ka sady gaga ny mpianany no natahotra teny am-panarahana Azy. Dia nalainy indray ny roa ambin’ny folo lahy ka nilazany ny hanjò Azy: “Indro fa miakatra ho any Jerosalema isika, ary ny Zanak’Olona dia hatolotra amin’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna, ary hohelohina ho faty ka hatolony amin’ny jentily; dia hoesoiny, hororany, hokapohiny, ary hovonoiny, fa hitsangana indray amin’ny andro fahatelo.” Ary nanatona Azy i Jakôba sy i Joany zanak’i Zebede ka nanao hoe: “Ry Mpampianatra ô, tianay mba hataonao aminay izay hangatahanay aminao.” Ary hoy Izy: “Inona no tianareo hataoko aminareo?” Dia hoy ireo: “Aoka ny anankiray aminay mba hipetraka eo ankavananao, ary ny anankiray eo ankavianao any amin’ny voninahitrao.” Ary hoy i Jesoa taminy: “Tsy fantatrareo izay angatahinareo; moa mahasotro ny kapoaka izay hosotroiko va ianareo, na mahazaka ny batemy izay hanaovana batemy Ahy?” Hoy ireo taminy: “Zakanay.” Fa hoy kosa i Jesoa: “Raha ny kapoaka hosotroiko, dia hosotroinareo ihany tokoa, ary ny batemy hanaovana batemy Ahy dia hanaovana batemy anareo ihany koa; fa raha ny hipetraka eo ankavanako sy ny ankaviako kosa dia tsy ahy ny hanome izany, fa ho an’izay nanamboarana azy ihany izany.” Nony nandre izany izy folo lahy dia tezitra tamin’i Jakôba sy i Joany; fa nantsoin’i Jesoa izy ireo ka nilazany hoe: “Fantatrareo fa amin’ny fanjakan’izao tontolo izao, dia ny mpifehy no mitsangana ho tompo mandidy, ary ny lehibe no miseho ho mpifehy manam-pahefana. Fa aminareo kosa tsy mba tahaka izany; fa izay te-ho lehibe indrindra no aoka ho mpanompo anareo, ary izay te-ho ambony indrindra eo aminareo no aoka ho mpanomponareo rehetra. Fa ny Zanak’Olona tsy mba tonga hotompoina fa mba hanompo, ary hahafoy ny ainy ho fanavotana ny maro.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Andriamanitra ô, tolotra avy aminao no nasainao enti-manaja ny Anaranao, ka mitalaho aminao mora fo izahay: enga anie ny Sakramenta nataonao hahitanay sitraka eo anatrehanao mba hahazoanay ny valisoa mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 12, 6

Miantsa ny Tompo aho noho ny soa nataony tamiko, ary mankalaza ny Anaran’ny Tompo Avo indrindra.


na hoe:

Mt. 18, 20

Indro Aho eo aminareo mandrakariva, hoy ny Tompo, ambara-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Feno ny fanomezanao mahavonjy izahay ry Tompo, no mitalaho aminao be indrafo: enga anie ny Sakramenta amelomanao anay ankehitriny hahamendrika anay handray anjara amin’ny fiainana mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0081