Sorona Masina ny Zoma 07 mey 2021

Herinandro faha-5 — Fankalazana ny Paka

ZOMA

 

Tononkira fidirana

Apôk. 5, 12

 

Eny, mendrika an’ilay Zanak’Ondry novonoina ny handray ny hery, ny harena sy ny fahendrena sy ny tanjaka omban-kaja ary ny voninahitra arahin-tsaotra. Aleloia.

 

Fangatahana

Tompo ô, mba ataovy mifanaraka marina amin’ny fankalazana ny Paka ny toe-panahinay, ka enga anie ny fombam-pivavahana tanterahinay amin’ny fo faly mba hahitanay fiarovana sy vonjy avy amin’ny herinao lalandava.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

 

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly

Asa 15, 22-31

 

Sitraky ny Fanahy Masina sy izahay ny tsy hampitondra entana anareo, afa-tsy izay zavatra tsy maintsy tandremana.

Taorian’ny fiaraha-midinika tao amin’ilay fivoriana lehibe tao Jerosalema, dia nankasitrahin’ny Apôstôly sy ny Pretra mbamin’ny Eglizy rehetra ny hevitry ny mpivory; ka nifidy ny sasany tamin’izy rehetra izy ireo, mba hirahina ho any Antiôkia hiaraka amin’i Paoly sy Barnabe: dia i Jodà izay natao hoe Barsabasy, sy i Silasy, lehilahy lohandohany tao amin’ny rahalahy, no laniny. Ka izao no taratasy nampitondrainy azy ireo: “Ny Apôstôly sy ny Pretra ary ny rahalahy avy miarahaba ny rahalahy any amin’ny Jentily, izay any Antiôkia sy Siria ary Silisia. Noho ny nandrenesanay fa nisy olona avy tatý aminay, izay tsy nahazo teny taminay velively, nampitabataba anareo tamin’ny teniny sy nampitebiteby ny sainareo, dia nivory izahay rehetra, ka nifanara-kevitra ny hifidy olona hirahina ho any aminareo, hiaraka amin’i Barnabe sy i Paoly malalanay, lehilahy nanao vy very ny ainy ho voninahitry ny Anaran’i Jesoa Kristy Tompontsika. Koa indreny i Jodà sy i Silasy nirahinay hilaza am-bava izany zavatra izany aminareo. Sitraky ny Fanahy Masina sy izahay ny tsy hampitondra entana anareo, afa-tsy izao zavatra tsy maintsy tandremana izao: dia ny hifadianareo hena natolotra tamin’ny sampy sy ny ra ary ny biby nokendaina, mbamin’ny fijangajangana; soa ho anareo ny mifady an’izany. Veloma.” Dia nalefany izy ireo ka lasa nankany Antiôkia; ary namory ny olona sy nanolotra ny taratasy tamin’izy ireo. Nony namaky izany ny olona, dia nifaly avokoa noho ny fanalana alahelo tao anatiny.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 56, 8-9. 10-12

 

Fiv.: Hidera Anao vory vahoaka aho, ry Tompo.

Mitombina ny foko, ry Andriamanitra!
ka mihira sy miantsa aho!
Foha, ry aiko! Foha, ry jejy sy valiha!
Izaho mifoha marainakoa,
fa hidera Anao vory vahoaka, ry Tompo,
hiantsa Anao anivom-pirenena.

Fa lehibe hatrany an-danitra ny hatsaram-ponao,
mahatakatra ny rahona ny Fahamarinanao!
Misandrata, ry Andriamanitra, any ambonin’ny lanitra!
Eran’ny tany tontolo ny Voninahitrao!

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izaho no Mpiandry ondry tsara, hoy ny Tompo, sady mahalala ny ondriko Aho, no fantany koa.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Joany

Jo. 15, 12-17

 

Ny andidiako anareo dia ny mba hifankatiavanareo.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: “Izao no didiko, dia ny mba hifankatiavanareo tahaka ny nitiavako anareo. Tsy misy manam-pitiavana lehibe kokoa noho ny mahafoy ny ainy ho an’ny sakaizany. Ianareo no sakaizako, raha manatanteraka izay andidiako anareo. Tsy ataoko hoe mpanompo intsony ianareo satria ny mpanompo tsy mahalala izay ataon’ny tompony fa efa nataoko hoe sakaiza ianareo, satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Raiko. Tsy ianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo, ka nanendry anareo mba handehananareo, sy hahavokaranareo, ary haharetan’ny vokatrareo, sy hanomezan’ny Raiko anareo izay rehetra hangatahinareo amin’ny Anarako. Ny andidiako anareo dia ny mba hifankatiavanareo.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Vavaka Fanolorana

Mitalaho an-tanan-droa aminao izahay, ry Tompo be indrafo: mba hamasino ireto fanatitra ireto; ary efa noraisinao ny tolotray, ka mba raiso koa izahay ho fanatitra tsy lefy mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Prefasy: Paka

 

Kômonio

 

Nitsangan-ko velona Ilay nofantsihana ka nahavotra antsika. Aleloia!

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Nandray ny fanomezana avy amin’ny Sorona Masina izahay, ry Tompo, no mihanta aminao: enga anie ny Sorona nasain’ny Zanakao atao ho fahatsiarovana Azy mba hampitombo ny fitiavanay Anao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


 
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0644