Sorona Masina ny Alahady 02 mey 2021

ALAHADY FAHA-5 - Taona-B fankalazana ny Paka

NY TENA APÔSTÔLY: MATOKY, MIFANKATIA, TSY MATAHOTRA!

Lokon’akanjo: fotsy

Tononkira fidirana

Sal. 97, 1-2

Ihirao hira vao ny Tompo, fa nahavita zava-mahagaga; naneho ny fahamarinany tamin’ireo firenena. Aleloia!


Asiana VONINAHITRA ANIE...


Fangatahana

Andriamanitra ô, Ianao nanavotra anay sy nanangana anay ho zanakao; koa henoy izahay zanakao malalanao, fa mino an’i Kristy, ka omeo ny fahafahana marina sy ny lova mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly

Asa 9, 26-31

Notantarainy tamin’izy ireo ny nahitany ny Tompo teny an-dalana.

Tamin’izany andro izany, nankany Jerosalema i Saoly, ka nitady hikambana tamin’ny mpianatra, nefa natahotra azy izy rehetra satria tsy ninoany fa mpianatr’i Jesoa koa izy. Tamin’izay, nalain’i Barnabe izy ka nentiny tao amin’ny Apôstôly, dia notantarainy tamin’izy ireo ny nahitany ny Tompo teny an-dalana, sy ny nitenenany taminy, ary ny hasahiana nasehony tamin’ny nitoriany ny Anaran’i Jesoa tao Damasy. Izao vao niara-niditra sy nivoaka tamin-dry zareo tao Jerosalema izy, sady nitory tamin-kasahiana tamin’ny Anaran’ny Tompo. Niresaka tamin’ny Jentily koa izy, ary niady hevitra tamin’ny Helenista; kanjo notadiavin’ireo hovonoina. Ka nony fantatr’ireo iray finoana izany, dia nateriny tany Sezarea izy, vao nalefany ho any Tarsa. Niadana ny Eglizy eran’i Jodea sy Galilea ary Samaria manontolo fahizany, sady nandroso tsara sy nandeha tamin’ny fahatahorana ny Tompo, no nihamaro tamin’ny famporisihan’ny Fanahy Masina.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Salamo fandinihana

Sal. 21, 26b-27. 28 sy 30. 31-31


Fiv.: Izaho hametsivetsy Anao ao am-Piangonam-be, ry Tompo

Izaho hankalaza Anao ao am-piangonana, hanala voady atrehin’ny matahotra Anao: ny ory hihinana ka ho voky, ireo mitady ny Tompo hidera Azy. Veloma ny ainareo mandrakizay mandrakizay!
Ny faran’ny tany hahatsiaro ka hiverina amin’ny Tompo; ny fiankohonam-pirenena samy hiankohoka anoloany. Ireo rehetra matory amin’ny tany dia hiankohoka anatrehany. Ary izay mandry eo am-bovoka hiondrika anoloany avokoa.
Ny fanahiko hivelona aminy, ny taranako hanompo Azy; ny taranaka izay misandratra hilazalazana ny Tompo, ny vahoaka mbola ho teraka hanambaràna ny fahamarinany hoe: «Izao sy izao no nataon’ny Tompo!»


VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasy voalohan’i Md. Joany Apôstôly

1 Jo. 3, 18-24


Izao no didiny: ny hinoantsika Azy sy ny hifankatiavantsika.

Anaka, aoka isika tsy ho tia am-bava sy amin’ny teny fotsiny, fa amin’ny asa sy amin’ny fo tokoa. Izany no hahafantarantsika fa avy amin’ny marina isika, sy hahazoantsika mampatoky ny fontsika eo anatrehan’Andriamanitra. Fa raha manameloka antsika ny fontsika, dia lehibe noho ny fontsika Andriamanitra, sady mahalala ny zavatra rehetra. Ry hava-malala, raha tsy manameloka antsika ny fontsika, dia mahazo manatona an’Andriamanitra amin-toky isika. Ary na inona na inona angatahintsika, dia ho azontsika, satria mitandrina ny didiny sy manao izay tsara eo imasony isika. Ary izao no didiny, dia ny hinoantsika an’i Jesoa Kristy Zanany, sy ny hifankatiavantsika, araka ny didy nomeny antsika. Izay mitandrina ny didiny, dia mitoetra ao aminy, ary Izy kosa ao aminy; ary ny ahafantarantsika fa mitoetra ao amintsika izy, dia ny Fanahy izay nomeny antsika.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Mitomoera ao amiko, dia hitoetra ao aminareo Aho, hoy ny Tompo; izay mitoetra ao amiko no mamoa be.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Joany

Jo. 15, 1-8

Izay mitoetra ao amiko sy itoerako no mamoa be.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: “Izaho no tena foto-boaloboka, ary ny Raiko no mpamboly. Ny sampana rehetra tsy mamoa eo amiko dia esoriny, ary izay rehetra mamoa dia rantsanany mba hampamoa azy bebe kokoa. Efa madio ianareo izao, noho ny fampianarana nataoko taminareo. Mitomoera ao amiko, ary Izaho hitoetra ao aminareo. Fa ny sampana izay tsy miray amin’ny foto-boaloboka, tsy mahazo mamoa ho azy, ary toy izany koa ianareo raha tsy mitoetra ao amiko. Izaho no foto-boaloboka ary ianareo no sampany. Izay mitoetra ao amiko sy itoerako no mamoa be, satria raha tsy Izaho dia tsy mahefa na inona na inona ianareo. Izay tsy mitoetra ao amiko dia ariana any ivelany tahaka ny sampana ka maina; ary hangonina ny sampana ka hatsipy ao anaty afo, dia may. Raha mitoetra ao amiko ianareo, ka mitoetra ao aminareo ny teniko, dia hangataka izay tianareo ianareo, ka hatao aminareo izany. Ho voninahitra ho an’ny Raiko raha mamoa be ianareo sy tonga mpianatro”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Asiana IZAHO MINO...


Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, sampan’i Kristy foto-boaloboka isika; koa mangataha amin’ny Tompo mba hanamafy ny finoantsika Azy, hahatonga antsika ho apôstôly hahavokatra fahamarinana sy fitiavana eo amin’izao tontolo izao, satria miray amin’i Kristy foto-boaloboka.

Valy: Ry Kristy ô, ry fiainanay, henoy ‘zahay, ry fiainanay.

* Mivavaha ho an’ny Eglizy, tanimboaloboky ny Tompo, mba ho Kristy velona eo anivon’izao tontolo izao izy, ka hahazoany vokatra be eo amin’ny olombelona araka ny irîn’Andriamanitra.
* Mivavaha ho an’ireo firenena mandroso mba ho fantany fa tanan-kavia sy havanana ny firenena rehetra, ka hahaizany mizara amin’ireo firenena hafa mahantra.
* Maro ireo kristianina, sampana malazo, na misaraka amin’i Kristy; koa mivavaha mba hitarihan’Andriamanitra azy, hiray amin’i Jesoa foto-boaloboka, ka hanjary sampana velona sy mamokatra.
* Mivavaha mba hiroborobo hatraiza hatraiza ny fikambanana masina isan-tokony ikatrohan’ny olon-dehibe sy ny tanora ary ny ankizy, ka ho tena hery ipoiran’ny fifankatiavana sy ny firaisana ary ny famonjena ho an’ny olona rehetra.
* Mifampivavaha isika iray fiangonana mba ho sampana mahavokatra ary ho hita fa tena mivelona amin’ny Aina omen’i Kristy, eo amin’ny mpiara-miasa sy ny mpiara-monina amintsika.


— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana sy eran-tany.


Tompo ô, osa sy malemy izahay ka mora misaraka aminao, koa ampio hery hiray amin’ny Fitiavanao, fa irahinao hiasa sy hitondra vokatra eo amin’izao tontolo izao.

Fa Ianao velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.


Vavaka Fanolorana

Andriamanitra ô, izao Sorona ifandraisanay aminao izao, no nataonao hiombonanay anjara aminao Andriamanitra Avo Indrindra; koa mihanta aminao izahay: enga anie ho arakaraka ny ahalalanay ny marina nambaranao no hanamasinanay ny toe-piainanay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Paka.


Kômonio

Jo. 15, 1. 5.

Izaho no foto-boaloboka, ianareo no sampany, hoy ny Tompo. Izay mitoetra ao amiko sy itoerako mamoa be. Aleloia!


Vavaka aorian’ny Kômonio

Mitalaho an-tanan-droa aminao izahay, ry Tompo, ombao fitahiana izahay vahoakanao, vao nofahananao ny sakafo avy any an-danitra, ka mba esory hiala amin’ny toetranay fahiny, ary ento hankeo amin’ny fiainam-baovao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0128