Sorona Masina ny Alakamisy 29 aprily 2021

Herinandro faha-4 — Fankalazana ny Paka

ALAKAMISY


Tononkira fidirana

Salamo 17, 8-9. 20


Andriamanitra ô, fony Ianao nanainga nitarika ny vahoakanao ka namboatra ny lalan-kodiaviny ary tsy nisaraka taminy, dia nihovotra ny tany, niempo ny lanitra. Aleloia!


Fangatahana

Andriamanitra ô, naverinao aminay olombelona ny voninahitray fahiny, koa todiho maso ny Sakramenta mahagaga naorinao be fitiavana, ary tahirizo haharitra ao am-pon’ireo sitrakao nohavaozina tamin’ny Batemy ny fahasoavana sy ny tso-drano nomenao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly

Asa 13, 13-25


Avy amin’ny taranak’i Davida no nomoahan’Andriamanitra an’i Jesoa Mpamonjy.

Tamin’izany andro izany, dia niondrana an-tsambo tao Pafôsy i Paoly sy ny namany, ka tonga tany Perjy any Panfilia; ary nisaraka tamin’izy ireo teo i Joany, ka lasa niverina tany Jerosalema. Fa izy ireo kosa niala tany Perjy, dia tonga tany Antiôkia any Pisidia, ary niditra tao amin’ny sinagôga izy tamin’ny andro sabata, ka nipetraka teo. Nony vita ny famakiana ny bokin’ny Lalàna sy ny mpaminany, dia nilaza tamin’izy ireo ny lehiben’ny sinagôga nanao hoe: “Ry Rahalahy, ataovy raha misy teny famporisihana holazainareo amin’ny olona.” Dia nitsangana i Paoly, nanofa tanana azy hangina ka nanao hoe: “Mihainoa, ry Israelita, sy ianareo izay matahotra an’Andriamanitra. Ny Andriamanitr’izao vahoaka Israely izao no efa nifidy ny razantsika sy nanandratra ny vahoaka fony izy nitoetra tany Ejipta; ary tamin’ny sandry mahery no nanesorany azy tao. Namelona azy tokony ho efapolo taona tany an’efitra Izy, ary nony efa nandrava firenena fito tany amin’ny tany Kanaana Izy dia nanome ny faritanin’ireny ho fananany, tokony ho dimampolo sy efajato taona. Taorian’izay, dia nomeny mpitsara izy ireo, hatramin’i Samoela mpaminany. Nony afaka izany, dia nangataka mpanjaka izy ireo, ka nomen’Andriamanitra an’i Saoly zanak’i Sisy, lehilahy avy amin’ny fokon’i Benjamina, naharitra efapolo taona. Nony nesoriny kosa indray i Saoly, i Davida no natsangany ho mpanjakan’izy ireo, dia ilay nankatoaviny tamin’ny teny hoe: Efa hitako i Davida zanak’i Jese, lehilahy araka ny foko, izay hanao ny sitra-poko rehetra. Avy tamin’ny taranany no namoahan’Andriamanitra an’i Jesoa, araka ny nampanantenainy, ho Mpamonjy an’i Israely. Talohan’ny nahatongavany anefa, dia i Joany no nitory batemim-pibebahana tamin’ny vahoaka Israely rehetra; ary rahefa nadiva ho tapitra ny dian’i Joany, dia hoy izy: Tsy izaho no ilay andrasanareo, fa indro avy aoriako Izy, ka tsy mendrika hamaha ny fehin-kapany akory aho.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 88, 2-3. 21-22. 25 sy 27


Fiv.: Hohiraiko mandrakizay ireo hatsaram-pon’ny Tompo.

Hohiraiko mandrakizay ireo hatsaram-pon’ny Tompo! Hambarako amin’ny taona rehetra ny fahamarinanao! Vavako no niteny: voaorina mandrakizay ny hatsaram-poko; voajoro ho toy ny lanitra ny fahamarinako!
I Davida mpanompoko no sitrako: ka nohosorako ilo masina. Ny tanako homba azy; ny sandriko hankahery.
Ny fahamarinana sy hatsaram-poko hanjohy azy; ny Anarako hanandratra ny tandrony! Izy hiantso Ahy hoe: Raiko Ianao, Andriamanitro sy Vatolampy famonjena ahy!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Nahita Ahy ianao ka nino; fa sambatra izay tsy nahita ka mino.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Joany

Jo. 13, 16-20


Izay mandray izay hirahiko, dia mandray Ahy.

Tamin’izany andro izany, nony efa voasasan’i Jesoa ny tongotry ny mpianany, dia hoy Izy tamin’izy ireo: “Lazaiko marina dia marina aminareo: Ny mpanompo tsy ambony noho ny tompony; na ny iraka tsy ambony noho izay naniraka azy. Raha fantatrareo izany, dia ho sambatra ianareo raha manao izany. Tsy ianareo rehetra no antsoiko (fantatro izay nofidîko); fa mba ho tanteraka ny Soratra Masina manao hoe: Izay miara-mihinana mofo amiko no hanainga ny ombalahin-tongony hamely Ahy. Ilazako izany ianareo ankehitriny dieny mbola tsy tanteraka izany, mba hinoanareo rahefa tanteraka fa Izaho no Izy. Lazaiko marina dia marina aminareo: Izay mandray izay hirahiko, dia mandray Ahy; ary izay mandray Ahy, dia mandray izay naniraka Ahy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Ny vavakay, ry Tompo, hisondrotra any aminao miaraka amin’ny Sorona atolotray; ary efa sitrakao nodiovina izahay, ka enga anie ho mendrika ny Sakramenta mirakitra ny fitiavanao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Paka


Kômonio

Mt. 28, 20

Indro Aho eo aminareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao. Aleloia!


Vavaka aorian’ny Kômonio

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, ny fitsanganan’i Kristy no anarenanao anay ho velona mandrakizay; ka mba ampitomboy ao aminay ny vokatry ny Sakramentan’ny Paka, ary hamafiso ao am-ponay ny herin’ny mofo mahavelona.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0089