Sorona Masina ny Alarobia 28 aprily 2021

Herinandro faha-4 — Fankalazana ny Paka

ALAROBIA

 

Tononkira fidirana

Salamo 17, 50 ; 21, 23

 

Hidera Anao eto anivom-pirenena aho, ry Tompo, sy hitory ny Anaranao amin’ireo havako. Aleloia!

 

Fangatahana

Andriamanitra ô, fiainana ho an’ny mpino Ianao, voninahitra ho an’ny manetry tena ary hasambarana ho an’ny olo-marina, koa todiho maso miantra ny vavakay mitalaho aminao: mangetaheta ny zava-tsoa nampanantenainao Tompo be fitiavana izahay, ka enga anie ho henika ny fahasoavanao mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

 

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly

Asa 12, 24 — 13, 5a

 

Atokàny ho Ahy i Saoly sy i Barnabe.

Tamin’izany andro izany, dia nandroso niely ny tenin’ny Tompo, ka nahavokatra mpianatra maro hatrany. Nony vita ny raharahan’i Barnabe sy i Saoly tao Jerosalema, dia niverina tany Antiôkia izy, ary nitondra an’i Joany izay atao hoe Marka hiaraka aminy. Tao amin’ny Eglizy tany Antiôkia nisy mpaminany sy mpampianatra: dia i Barnabe sy i Simeôna izay atao hoe i Mainty, i Lisiosa avy any Sirena, sy i Manahena izay niolo-nono tamin’i Herôda Tetrarka, ary i Saoly. Raha nanao fanompoam-pivavahana tamin’ny Tompo sy nifady hanina izy ireo dia hoy ny Fanahy Masina taminy: “Atokàny ho ahy i Saoly sy i Barnabe, mba hanao ny asa izay niantsoako azy.” Koa nony avy nifady hanina sy nivavaka izy ireo dia nametra-tanana tamin’izy roa lahy, vao nandefa azy handeha.

Dia nirahin’ny Fanahy Masina i Saoly sy i Barnabe ka lasa nankany Seleosia, mba hiondrana an-tsambo eo, ho any Sipra. Nony tonga tany Salamina izy, dia nitory ny tenin’Andriamanitra tao amin’ny Sinagôgan’ny Jody.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 66, 2-3. 5. 6 sy 8

 

Fiv.: Hidera Anao anie ny vahoaka , ry Andriamanitra; hidera Anao anie ny vahoaka rehetra.

Hiantran’Andriamanitra anie isika, hotsimbininy, ka hataony mamiratra eo amintsika ny tavany! Dia ho fantatry ny olona eran-tany ny herinao, ka hanerana ireo firenen-drehetra ny vonjinao!
Aoka hifaly sy hiantsa ny firenena isan-tokony. Fa Ianao dia mitsara azy rehetra ireny ara-drariny. Fa Ianao dia mitsara vahoaka araka ny hitsiny, sy manjaka amin’ireo firenen-drehetra isan-tokony.
Ny vahoaka rehetra enga anie hidera, Andriamanitra ô, ny vahoaka rehetra enga anie hidera ny Anaranao! Enga anie ka hitsimbina antsika hatrany Andriamanitra, ka ho masina eran’ny vazan-tany ny Anarany!

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Nitsangan-ko velona i Kristy, sady nitondra antsika amin’ny mazava: isika izay navotany tamin’ny Rany.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Joany

Jo. 12, 44-50

 

Tonga amin’izao tontolo izao Aho ho fahazavana.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nanambara hoe: “Izay mino Ahy, dia tsy Izaho no inoany, fa izay naniraka Ahy; ary izay mahita Ahy, dia mahita izay naniraka Ahy. Tonga amin’izao tontolo izao ho fahazavana Aho, mba tsy hitoetra ao anatin’ny maizina izay rehetra mino Ahy. Ary raha misy mandre ny teniko ka tsy mitandrina azy, dia tsy mitsara azy Aho; satria tsy hitsara izao tontolo izao no nahatongavako fa hamonjy azy. Izay manamavo Ahy ka tsy mandray ny teniko, misy izay hitsara azy: dia ny teny voalazako no hitsara azy amin’ny farandro, satria tsy niteny ho Ahy Aho, fa ny Ray izay naniraka Ahy no nandidy izay tsy maintsy holazaiko sy hampianariko. Ary fantatro fa ny didiny no fiainana mandrakizay. Koa ny zavatra lazaiko àry, dia lazaiko araka ny voalazan’ny Ray tamiko.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Vavaka Fanolorana

Andriamanitra ô, izao Sorona ifandraisanay aminao izao no nataonao hiombonanay anjara aminao Andriamanitra avo indrindra, koa mihanta aminao izahay: enga anie ho arakaraka ny hahalalanay ny marina nambaranao no hanamasinanay ny toe-piainanay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Prefasy: Paka

 

Kômonio

Jo. 15, 19. 16

Nifidy anareo teo amin’izao tontolo izao Aho, hoy ny Tompo, ary nanendry anareo handeha amin’izay hanirahako anareo, ka hiavosa sy haharitra ny vokatrareo. Aleloia!

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Mitalaho an-tanan-droa aminao izahay, ry Tompo: ombao fitahiana izahay vahoakanao vao nofahananao ny sakafo avy any an-danitra ka mba esory hiala amin’ny toetranay fahiny ary ento hankeo amin’ny fiainam-baovao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


 
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0891