Sorona Masina ny Talata 27 aprily 2021

Herinandro faha-4 — Fankalazana ny Paka

TALATA


Tononkira fidirana

Apôk. 19, 7. 6


Aoka isika hifaly, hiravo, hanome voninahitra an’Andriamanitra, fa manjaka sy mahefa ny Tompo Andriamanitsika. Aleloia!


Fangatahana

Ry Andriamanitra Andriananahary ô, mihanta aminao izahay mankalaza ny misterin’ny Tompo nitsangan-ko velona: mba ataovy mendrika hahazo ny hafaliana vokatry ny famonjena anay.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly

Asa 11, 19-26


Niteny tamin’ny Grika izy ireo nitory an’i Jesoa Kristy.

Tamin’izany andro izany, izay naelin’ny fanenjehana noho ny amin’i Etiena, dia tonga hatrany Fenisia, sy Sipra, ary Antiôkia, nefa tsy nitory teny afa-tsy tamin’ny Jody ihany. Ny sasany tamin’izy ireo anefa, izay lehilahy avy any Sipra sy Sirena, dia mba nisy niteny tamin’ny Grika ihany nony tonga tao Antiôkia, nitory an’i Jesoa Tompo. Nombàn’ny tanan’ny Tompo izy ireo, ka betsaka no nino sy nanatona ny Tompo. Nandre ny lazan’izany ny Eglizy tao Jerosalema, ka naniraka an’i Barnabe hankany Antiôkia. Nony tonga tany izy, ka nahita ny fahasoavan’Andriamanitra, dia faly sy namporisika azy rehetra mba haharitra ao amin’ny Tompo amin-kerim-po. Fa lehilahy tsara fanahy izy, sady feno ny Fanahy Masina sy finoana, ka vahoaka betsaka no nikambana tamin’ny Tompo. Dia lasa nankany Tarsy i Barnabe hitady an’i Saoly; ary nony efa hitany izy, dia nentiny hankany Antiôkia. Ka herintaona maninjitra no nanaovany fivoriana tao amin’io Eglizy io, ary vahoaka betsaka no nampianariny. Tao Antiôkia koa no voalohany nandraisan’ny mpianatra ny anarana hoe: Kristianina.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 86, 1-3. 4-5. 6-7


Fiv.: Derao ny Tompo, ry firenen-drehetra.

Ry Siôna, ry Siôna ô, eny an-tendrombohitra masina no naorin’ny Tompo ianao, ilay Tompo tsy mahafoy anao. Ny fonenan’i Jakôba: maromaro ihany izy ireny, fa ianao no andrian’ny fony, tiany mihoatra ny sisa rehetra.
Ry tanànan’Izy Tompo! Andriamanitrao mitantara zava-maro malaza tokoa. ’Zao no teny anandratany anao! I Rahaba sy i Babela: mahafantatra Ahy izy ireo. Ary i Tira sy i Filistia, ary i Etiôpia sy ny hafa.
’Zao no ambara momba an’ireo: izy, hono, teraka tao! I Siôna tsy tahaka izany. Ny rehetra no teraka tao! Ny Avo indrindra, ry Siôna, manamafy orina anao! Hosoratany anatin’ny boky ny vahoaka fa teraka tao. Ny andriana eran-tany, toy ny Zanakao tsisy hafa! Izy ireo samy faly milaza: fa Ianao loharano niaviany


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo, fantatro izy ary manaraka Ahy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Joany

Jo. 10, 22-30


Izaho sy ny Ray dia iray ihany.

Tamin’izany andro izany, dia tonga ny fetin’ny Fitokanana tany Jerosalema, sady ririnina ny andro, ary i Jesoa nitsangantsangana tao an-tempoly tao amin’ny lavarangan’i Salômôna. Dia nitangoronan’ny Jody Izy ka nilazany hoe: “Ambara-pahoviana no hampisalasalanao anay? Raha Ianao no Kristy, mba lazao tsotra aminay.” Dia hoy i Jesoa namaly azy: “Efa nilaza taminareo Aho, fa tsy mino ianareo; manambara Ahy koa ny asa ataoko amin’ny Anaran’ny Raiko; fa tsy mino ianareo satria tsy mba isan’ny ondriko. Ny ondriko mihaino ny feoko. Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy; omeko ny fiainana mandrakizay izy ka tsy ho very na oviana, na oviana ary tsy hisy haharombaka azy eo an-tanako. Izay nomen’ny Ray Ahy dia lehibe noho izao rehetra izao, ka tsy misy maharombaka eo an-tanan’ny Ray. Izaho sy ny Ray dia iray ihany.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo: mba omeo hafaliana lalandava noho izao misterin’ny Paka izao ka hitohy hatrany ao aminay anie ny vokatry ny fanavotana loharanon-kafaliana mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Paka


Kômonio

Lk. 24, 46. 26

Tsy maintsy niaritra fijaliana i Kristy sy nitsangan-ko velona vao tafiditra any amin’ny voninahiny. Aleloia!


Vavaka aorian’ny Kômonio

Mba henoy, ry Tompo, ny vavaka ataonay: ka enga anie izahay mazoto mandray ny Kômonio masina loharanom-pamonjena mba hahazo fanampiana amin’itý fiainana itý ary handova ny hasambarana mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0164