Sorona Masina ny Alatsinainy 26 aprily 2021

Herinandro faha-4 — Fankalazana ny Paka

ALATSINAINY

 

Tononkira fidirana

Rôm. 6, 9

 

Efa nitsangan-ko velona i Kristy ka tsy ho faty intsony, tsy manan-kery aminy intsony ny fahafatesana. Aleloia!

 

Fangatahana

Andriamanitra ô, ny Zanakao nietry tena no nanarenanao ny olombelona lavon’ny fahotana; koa ataovy heni-kafaliana masina izahay mino Anao, ary enga anie izahay nafahanao tamin’ny fanandevozan’ny fahotana mba hataonao finaritra migoka ny haravoana tsy manam-pahataperana.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

 

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly

Asa 11, 1-18

 

Efa nomen’Andriamanitra ny fibebahana hahazoany ny fiainana koa ny Jentily.

Tamin’izany andro izany, dia ren’ny Apôstôly sy ny rahalahy tany Jodea fa hoe nandray ny tenin’Andriamanitra koa ny Jentily. Koa nony tafakatra tany Jerosalema i Piera, dia nomen’ireo mpino voafora tsiny, nataony hoe: “Nahoana ianao no niantrano tany amin’ny olona tsy voafora, sady niara-nihinana taminy?” Dia nitantara ny zava-niseho hatramin’ny niandohany i Piera ka nanao hoe: “Raha nivavaka tany an-tanàna Jôpe aho, dia azon-tsindrimandry ka nahita zavatra anankiray toa lamba lehibe nifatotra tamin’ny zorony efatra, nidina avy any an-danitra, tonga tao amiko. Nony nijery azy aho ka nandinika, dia hitako tao ny biby manana tongotra efatra, ny biby dia, ny biby mandady, ary ny voromanidina. Ary nisy feo reko koa nanao hoe: Mitsangàna, ry Piera, mamonoa ka mihinàna. Fa hoy izaho: Sanatria, Tompoko, tsy mba nisy zavatra fady sy maloto mba niditra tao am-bavako. Fa niteny indray ilay feo tany an-danitra nanao hoe: Aza ataonao ho maloto izay efa nodiovin’Andriamanitra. Intelo no naverina natao izany, dia nakarina tany an-danitra indray izany rehetra izany. Niaraka tamin’izay, dia indreo nisy olona telo lahy tonga tao an-trano nitoerako, nirahina avy tany Sezarea hankany amiko. Ary hoy ny Fanahy Masina tamiko: Aza misalasala hiaraka amin’izy ireo. Dia niarako tamiko koa ireto rahalahy enina ireto, ka niditra tao an-tranon’i Kôrnely izahay. Notantarain-dralehilahy taminay ny nahitany ny Anjely nitsangana tao an-tranony, ka nanao taminy hoe: Maniraha ho any Jôpe, ampanalao i Simôna izay atao hoe Piera, fa izy no hilaza aminao ny teny izay hahavonjy anao sy ny ankohonanao rehetra. Ary raha vao niteny tamin’izy ireo aho, dia nidina taminy toy ny nidinany tamintsika taloha koa ny Fanahy Masina. Tamin’izay, dia tsaroako ny tenin’ny Tompo nanao hoe: I Joany nanao batemy tamin’ny rano, fa ianareo kosa hatao Batemy amin’ny Fanahy Masina. Koa raha fanomezana sahala no nomen’Andriamanitra azy sy antsika izay nino an’i Jesoa Kristy Tompo, iza moa aho no afa-mifanohitra amin’Andriamanitra?” Nony nandre izany izy ireo, dia sady nangina no nankalaza an’Andriamanitra nanao hoe: “Efa nomen’Andriamanitra ny fibebahana hahazoany ny fiainana koa ny Jentily.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 41, 2-3 ; 42, 3. 4.

 

Fiv.: Mangetaheta an’ilay Andriamanitra velona ny fanahiko.

Mova tsy serfa izay lian-doharano. Ny foko efa liana ny Tompoko! Mangetaheta ny Tompo ny foko, dia Ilay Andriamanitra velona. Mba rahoviana aho re no handroso, hiseho anoloan’Andriamanitra?
Tsilovy aho hahita ny lalana, tariho mba hahita azy marina. Hitody any am-bohitrao masina, ilay toerana ataonao fonenana.
Handroso aho, ry Tompo Andriamanitro, higoka ny tena hasambarako. Valiha no hanaraka ny hirako, hidera ny Tompo Andriamanitro!

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Raha niara-nitsangana tamin’i Kristy ianareo, dia ny zavatra any ambony amin’izay itoeran’i Kristy eo ankavanan’Andriamanitra no katsaho.

Aleloia.

Ho an’ny taona “B” sy “D”

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Joany

Jo. 10, 1-10

 

Izaho no varavarana fidiran’ny ondry.

Tamin’izany andro izany, hoy i Jesoa tamin’ny mpianany: “Lazaiko marina dia marina aminareo, fa izay tsy miditra amin’ny vavahady ho amin’ny valan’ondry, fa mananika amin’ny hafa, dia mpangalatra sy jiolahy; fa izay miditra amin’ny vavahady no mpiandry ondry. Ka ny mpiandry vavahady mamoha azy, ny ondry mihaino ny feony, ary izy miantso ny azy amin’ny anarany avy sy mamoaka azy. Rahefa tafavoaka avokoa ny azy, dia mialoha izy, ka manaraka azy ny ondry, satria mahalala ny feony: ary ny olon-kafa tsy arahiny, fa andosirany, satria tsy fantany ny feony.” Nolazain’i Jesoa taminy izany fanoharana izany, nefa tsy azon’izy ireo izay nolazainy tamin’izany. Koa hoy indray i Jesoa taminy: “Lazaiko marina dia marina aminareo fa Izaho no varavaran’ny ondry. Mpangalatra sy jiolahy izay rehetra tonga talohako, fa tsy nihaino azy ny ondry. Izaho no varavarana. Raha Izaho no hidiran’ny olona, dia hovonjena izy, ka hiditra sy hivoaka, sady hahita hanina. Ny mpangalatra no tonga mba hangalatra sy hamono ary handringana, fa Izaho no avy kosa dia mba hananan’ny ondry fiainana, sady hananany azy be dia be.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Raha taona “A”

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izaho no mpiandry ondry tsara, hoy ny Tompo, sady mahalala ny ondriko Aho no fantany koa.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Joany

Jo. 10, 11-18

 

Ny mpiandry ondry tsara dia mahafoy ny ainy ho an’ny ondriny.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny Jody nanao hoe: “Izaho no Mpiandry ondry tsara. Ny mpiandry ondry tsara dia mahafoy ny ainy ho an’ny ondriny; fa ny mpikarama kosa, noho izy tsy mpiandry ondry na tompon’ny ondry, vao mahita ny amboadia tamy, dia ilaozany mandositra ny ondry, fa ny ambodia no avelany eo hisambotra sy hampihahaka azy, satria mpikarama izy, ka tsy raharahainy akory ny ondry. Izaho no mpiandry ondry tsara, sady mahalala ny Ahy Aho no fantatry ny Ahy, tahaka ny ahalalan’ny Ray Ahy, sy ahalalako ny Ray koa, ary Izaho koa mahafoy ny aiko ho an’ny ondriko. Mbola manana ondry hafa koa Aho izay tsy amin’itý vala itý, ka tsy maintsy hoentiko izy sy hihaino ny feoko; dia ho tonga valan’ondry tokana sy mpiandry ondry tokana. Izao no itiavan’ny Ray Ahy: satria mahafoy ny aiko Aho, mba handraisako azy indray. Tsy misy maka azy amiko, fa ny tenako ihany no mahafoy azy; manam-pahefana hahafoy azy Aho, ary manam-pahefana handray azy indray: izany no didy azoko tamin’ny Raiko.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Vavaka Fanolorana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, mba raiso ny tolotry ny Eglizinao mirebi-karavoana; fa Ianao ihany no nanome azy izao hafaliana tsy omby tratra izao, ka enga anie izy higoka ny hasambarana mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Prefasy: Paka

 

Kômonio

Jo. 20, 19

Nijoro teo ampovoan’ny mpianany i Jesoa ary nanao tamin’izy ireo hoe: «Homba anareo anie ny fiadanana.» Aleloia!

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, topazo maso miantra izahay vahoakanao fa efa sitrakao nohavaozina tamin’ny Sakramenta izahay, ka enga anie hitsangan-ko velona tsy ho lò ho enim-boninahitra mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


 
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0211