Sorona Masina ny Alakamisy 22 aprily 2021

Herinandro faha-3 — Fankalazana ny Paka

ALAKAMISY

 

Tononkira fidirana

Eks. 15, 1-2

 

Aoka hiantsa ny Tompo isika fa naneho ny voninahiny Izy. Ny Tompo no heriko sy fototry ny tononkirako. Izy no namonjy ahy. Aleloia!

 

Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, ataovy renay bebe kokoa ny fitiavanao fa efa nasehonao ho fantatray tsaratsara kokoa; efa navotanao izahay fa tany amin’ny haizina fony mbola tsy nahalala Anao, ka enga anie hataonao mifikitra mafimafy kokoa amin’ny zava-tsoa nambaran’ny fahamarinanao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

 

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly

Asa 8, 26-40

 

Raha mino amin’ny fonao manontoto ianao dia azo atao Batemy.

Tamin’izany andro izany, dia nisy Anjelin’ny Tompo niteny tamin’i Filipo nanao hoe: “Mitsangàna, ka mandehana mianatsimo any amin’ny lalana midina avy any Jerosalema mankany Gazà, izay tanàna foana.” Dia nitsangana izy ka nandeha. Ary indro nisy lehilahy anankiray avy any Etiôpia, olombositra sy manamboninahitra lehibe tao amin’ny Kandasy mpanjakavavin’i Etiôpia, sady mpitandrina ny fananany rehetra, tonga tany Jerosalema mba hivavaka. Nony niverina izy, ka nipetraka teo ambonin’ny kalesiny, dia namaky ny bokin’i Izaia mpaminany. Ary hoy ny Fanahy Masina tamin’i Filipo: “Mandehana manatona io kalesy io.” Dia nihazakazaka i Filipo ka nandre ilay olona namaky ny bokin’i Izaia mpaminany, ary nanao taminy hoe: “Moa fantatrao tsara va izay vakînao?” Ka hoy izy: “Hataoko ahoana no fahalala izany raha tsy misy olona mitari-dalana ahy?” Dia nangataka an’i Filipo hiakatra ho eo aminy izy.

Ary izao no novakîny tao amin’ny Soratra Masina: Nentina hovonoina mova tsy ny ondry Izy, ary tsy niloa-bava toy ny zanak’ondry moana eo anatrehan’ny mpanety azy. Fitsarana miangatra erý no nanesorana Azy, ary iza tamin’ny niara-belona taminy no nihevitra fa nongotana tamin’ny tanin’ny velona Izy? Dia niteny tamin’i Filipo ilay olona nanao hoe: “Masîna ianao, iza no antsoin’ny mpaminany amin’izany? ny tenany ve sa olon-kafa?” Ary i Filipo niloa-bava, nanomboka tamin’ireo tenin’ny Soratra Masina ireo, ka nitory an’i Jesoa taminy.

Nony nandeha kelikely izy ireo, dia sendra rano, ka hoy ilay manamboninahitra: “Indro eo rano, ka inona no misakana ahy tsy hatao Batemy?” Dia hoy i Filipo: “Raha mino amin’ny fonao rehetra ianao, dia azo atao ihany izany.” Ary namaly izy nanao hoe: “Mino aho fa i Jesoa Kristy no Zanak’Andriamanitra.” Dia nasainy najanona ny kalesy, ary niara-nidina nankeo anaty rano izy sy i Filipo, ka nanao Batemy azy i Filipo. Nony niakatra avy teo amin’ny rano izy ireo, nentin’ny Fanahin’ny Tompo i Filipo, ka tsy hitany intsony, fa nizotra ny lalany an-kafaliana izy. Fa i Filipo kosa tonga tany Azôta, ary nitory ny Evanjely tamin’ny tanàna rehetra nandalovany mandra-pahatongany tany Sezarea.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 65, 8-9. 16-17. 20

 

Fiv.: Hobio Andriamanitra, ry tany tontolo.

Misaora an’Andriamanitra, rey vahoaka. Redony ny feo fiderana Azy! Fa ny fanahinay novelominy; ny tongotray tsy navelany ho solafaka!
Tongava avokoa izay matahotra an’Andriamanitra! Mihainoa hitantarako izay nataony tamiko: dia Izy ilay fiantson’ny vavako sy fideran’ny lelako.
Hisaorana anie Andriamanitra, izay tsy nanala tamiko, ny hatsaram-pony.

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Tsy maintsy hijaly i Kristy sy hitsangan-ko velona; ary hiditra amin’ny voninahiny.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Joany

Jo. 6, 44-52

 

Izaho no mofo velona izay nidina avy any an-danitra.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nilaza tamin’ny vahoaka hoe: “Tsy misy olona mahay manatona Ahy akory raha tsy taomin’ny Ray izay naniraka Ahy, ary Izaho hanangana azy amin’ny farandro. Voasoratra ao amin’ny mpaminany hoe: Hampianarin’Andriamanitra izy rehetra. Koa izay rehetra nahare tamin’ny Ray ka nianatra taminy no manatona Ahy. Tsy dia hoe nisy nahita ny Ray akory: fa Ilay avy amin’Andriamanitra no hany nahita ny Ray. Lazaiko marina dia marina aminareo: Izay mino Ahy no manana ny fiainana mandrakizay. Izaho no mofon’aina. Ny razanareo nihinana ny mana tany an’efitra, nefa maty ihany; tsy toy izany ny mofo nidina avy any an-danitra, fa tsy ho faty izay mihinana azy. Izaho no mofo velona izay nidina avy any an-danitra: raha misy mihinana itý mofo itý dia ho velona mandrakizay izy, ary ny mofo izay homeko dia ny nofoko ho fiainan’izao tontolo izao.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Vavaka Fanolorana

Andriamanitra ô, izao Sorona ifandraisanay aminao izao no nataonao hiombonanay anjara aminao Andriamanitra avo indrindra, koa mihanta aminao izahay: enga anie ho arakaraka ny ahalalanay ny marina nambaranao no hanamasinanay ny toe-piainanay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Prefasy: Paka

 

Kômonio

2 Kôr. 5, 15

Maty ho an’ny olona rehetra i Kristy mba tsy ho velona ho an’ny tenany intsony izay velona, fa ho Azy Tompo maty sy nitsangana ho azy ireo. Aleloia!

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Mitalaho an-tanan-droa aminao izahay, ry Tompo, ombao fitahiana izahay vahoakanao vao nofahananao ny sakafo avy any an-danitra, ka mba esory hiala amin’ny toetranay fahiny ary ento hankeo amin’ny fiainam-baovao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


 
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0192