Sorona Masina ny Alarobia 21 aprily 2021

Herinandro faha-3 — Fankalazana ny Paka

ALAROBIA

 

Tononkira fidirana

Salamo 70, 8. 23

 

Ny vavako fenoy fiderana Anao mba hiantsàko Anao. Hihoby Anao ny molotro, hiantsa Anao aho. Aleloia!

 

Fangatahana

Atreho sy tohano izahay fianakavianao, ry Tompo, fa efa notoloranao ny fahasoavana hino Anao, ka enga anie homenao ny anjara lovanay mandrakizay ao amin’ny Zanakao Lahitokana nitsangan-ko velona.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

 

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly

Asa 8, 1-8

 

Nitety tany nitory ny tenin’Andriamanitra izy ireo.

Androtry ny nahafaty an’i Etiena ihany, dia nisy fanenjehana mafy tamin’ny Eglizy tao Jerosalema, ka niely tany Jodea sy Samaria ny mpianatra rehetra, afa-tsy ny Apôstôly ihany. Nisy mpivavaka tsara sasany nandevina an’i Etiena sady nitomany azy fatratra. Fa i Saoly kosa nanenjika ny Eglizy; nidirany nosarihany tany an-trano na lahy na vavy, ka nataony an-tranomaizina. Ry zareo niely tamin’izay, dia nitety tany nitory ny tenin’Andriamanitra. Ary i Filipo nidina tany an-tanànan’i Samaria, ka nitory an’i Kristy tamin’ny olona tao. Nandre sy nahita ny fahagagana nataon’i Filipo ny vahoaka maro be, ka nihaino tsara izay nolazainy. Fa maro ny olona azon’ny fanahy maloto no nivoahany tamim-pikiakiahana mafy; betsaka ny malemy sy ny mandringa no sitrana koa; ka hafaliana moa izany no tao amin’izany tanàna izany!

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 65, 4-5. 6-7a

 

Fiv.: Hobio Andriamanitra, ry tany tontolo.

Hobio Andriamanitra, ry tany tontolo!
Antsao ny Anarany be voninahitra!
Miderà Azy, ka miantsoa hoe:
Eny, mahatahotra Ianao, ry Andriamanitra!

Miankohoka aminao ny tany tontolo,
sy miantsa ny Anaranao, sy miantsa Anao!
Tongava hizaha ny asan’Andriamanitra!
Mahatahotra itý nataony ho an’ny zanak’olombelona!

Ny ranomasina novany ho tanety;
ny ony novakina toy ny tany maina!
Koa aoka isika hifaly aminy!
Ny heriny manjaka mandrakizay!

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Nitsangan-ko velona i Kristy, ka tsy maty intsony; tsy manan-kery aminy intsony ny fahafatesana.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Joany

Jo. 6, 35-40

 

Izao no sitra-pon’ny Raiko: Mba hahazo ny fiainana mandrakizay izay rehetra mahita ny Zanaka, ka mino Azy.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka nanao hoe: “Izaho no mofon’ny fiainana; izay manatona Ahy tsy mba ho noana intsony, ary izay mino Ahy tsy hangetaheta mandrakizay. Fa efa voalazako taminareo, fa nahita Ahy ianareo, nefa tsy mino. Izay rehetra omen’ny Ray Ahy no hanatona Ahy, ary izay manatona Ahy dia tsy horoahiko any ivelany, satria Izaho no nidina avy any an-danitra dia tsy ny hanao ny sitra-poko, fa ny sitra-pon’izay naniraka Ahy. Ary izao no sitra-pon’izay naniraka Ahy, dia ny tsy hamelako hisy very izay rehetra nomeny Ahy, fa ny mba hananganako azy amin’ny farandro. Satria izao no sitra-pon’ny Raiko izay naniraka Ahy, dia ny mba hahazo ny fiainana mandrakizay izay rehetra mahita ny Zanaka ka mino Azy, ary Izaho hanangana azy amin’ny farandro.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Vavaka Fanolorana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, mba omeo hafaliana lalandava noho izao misterin’ny Paka izao, ka hitohy hatrany ao aminay anie ny vokatry ny fanavotana loharanon-kafaliana mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Prefasy: Paka

 

Kômonio

 

Nitsangan-ko velona ny Tompo ary nanazava antsika izay navotany tamin’ny Rany. Aleloia!

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Jereo amin’ny fo tony izahay andian’ondrinao, ry Mpiandry ondry tsara; ary izahay ondry navotanao tamin’ny Ra masin’ny Zanakao mba omeo toerana soa aman-tsara any an-tanimbilonao mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


 
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0081