Sorona Masina ny Asabotsy 17 aprily 2021

17 Aprily

Lucien Botovasoa, Olontsambatra

(Martiry)

 

Fankalazana

Teraka tao Vohipeno (faritra Vatovavy Fitovinany) tamin’ny taona 1908 i Lucien Botovasoa.  Vita batemy tamin’ny 1922 izy ary lasa mpampianatry ny sekoly katolika tao. Nanam-bady  aman-janaka izy ary mpanolo-tsainan’ny tanàna. Mpitaiza tian’ny tanora erý, tia hira sy  mozîka izy, sady olona falifaly lalandava. Nanorina ny Fikambanana Tersieran’i Md  François tao Vohipeno izy ary lasa mpivavaka andro aman’alina fa te ho olomasina sy  martiry aza. Naleony hovonoina tamin’ny 1947 toy izay hanaiky hiara-miasa amin’ny  mpamono sy mpanenjika eglizy, ary nanolo-tena ho fanavotana ny rahalahiny sy ny  tanindrazana izy. Notapahin-doha teo amoron’ny Matitanana i Lucien Botovasoa tamin’ny  17 avrily 1947, ary ninoan’ny mponina teo no eo fa olomarina martiry mpiahy ny  tanindrazany tokoa izy. 

 

Tononkira fidirana

Mt 25, 34

Avia ianareo, ry nohasoavin’ny Raiko,  
handova ny fanjakana izay voavoatra ho anareo  
hatrizay nahariana an’izao tontolo izao. Aleloia.  

Fangatahana

Andriamanitra ô, nataonao nanaraka ny lalan’ny Vaovao Mahafaly sy nampianatra azy i Lucien Botovasoa olontsambatra, hatramin’ny fandatsahana ny ràny eo am-pivavahana ho an’ireo namono azy; ka omeo anay koa, noho ny vavaka ataony, mba ho tonga mpianatra mahatoky sy vavolombelon’ny Zanakao maty teo ambonin’ny hazofijaliana ary nitsangan-ko velona,

Fa Izy Andriamanitra velona miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina  amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen. 

Vakiteny voalohany

Taratasy voalohan’i Masindahy Joany Apostôly

1 Jo. 5, 4-10

 

Ny finoantsika no entina handresena an’izao tontolo izao..

Ry malala: izay naterak’Andriamanitra dia mandresy an’izao tontolo izao, ary  ny fandresena izay naharesy an’izao tontolo izao dia ny finoantsika. Iza àry no  maharesy an’izao tontolo izao, afa-tsy izay mino fa Jesoa no Zanak’Andriamanitra?  Dia izy no ilay avy tamin’ny rano sy ny ra; tsy tamin’ny rano ihany, fa tamin’ny rano  sy ny ra; ary ny Fanahy no manambara, satria ny Fanahy no fahamarinana. Fa misy  telo no manambara [any an-danitra, dia ny Ray sy ny Teny sy ny Fanahy Masina; ary  izy telo ireo dia mifanaraka. Misy telo koa no manambara ety an-tany], dia ny Fanahy 
sy ny rano sy ny ra; ary mifanaraka tsara izy telo ireo. Raha ny fanambaran’ny olona  aza raisintsika, mainka fa ny fanambaran’Andriamanitra izay lehibe lavitra; ary ny  fanambaran’Andriamanitra, dia ny nanambarany ny Zanany indrindra. Koa izay mino  ny Zanak’Andriamanitra dia manana izany fanambarana izany ao anatiny.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 30

 

Fiv.: Tompo ô, apetrako eo an-tananao ny aiko.

Metia, ry Vatolampy fierena! 
Vonjeo aho, ry Trano fiarovana! 
Ianao no haram-bato sy toera-mafy ho ahy, 
ny Anaranao itarihana sy itantanana ahy!
 
Apetrako eo an-tananao ny aiko, 
avoty aho ry Tompo Andriamanitra! 
Ianao kosa no ifefeko! 
Mibitaka sy ravo aho. 

Asehoy ny mpanomponao ny tavanao! 
Vonjeo aho noho ny hatsaram-ponao! 
Ny fieren’ny tavanao no anafenanao azy,  
Lavitra ny tetika ataon’ny olona. 

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana;  
hamasino amin’ny fahamarinana izahay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Joany

Jo. 17, 11-19

 

Ankamasino amin’ny fahamarinana izy ireo. Ny teninao no fahamarinana.

Tamin’izany andro izany dia niandrandra ny lanitra i Jesoa ka nivavaka hoe: 
«Ray masina ô! Tahirizo amin’ny anaranao izay nomenao ahy, mba ho iray tahaka  antsika izy. Raha mbola teo amin’izy ireo aho dia nitahiry azy tamin’ny anaranao.  Eny, nitahiry izay nomenao ahy aho, ka tsy nisy very izy na dia iray aza, afa-tsy ilay  zanaky ny fahaverezana, mba ho tanteraka ny Soratra Masina. 
Ankehitriny mankany aminao aho, ka manao izany fangatahana izany dieny mbola  amin’izao tontolo izao, mba hananan’izy ireo ny fifaliako tanteraka ao aminy. Nomeko  azy ny teninao, ka halan’izao tontolo izao izy ireo, satria tahaka ny tsy maha-olon’izao  tontolo izao ahy no tsy maha-olon’izao tontolo izao azy koa. Tsy ny hanesoranao azy  amin’izao tontolo izao no angatahiko, fa ny hiarovanao azy amin’ny Ratsy.  
Tahaka ny tsy maha-olon’izao tontolo izao ahy no tsy maha-olon’izao tontolo izao azy  ireo koa. Ankamasino amin’ny fahamarinana izy ireo. Ny teninao no fahamarinana.  Tahaka ny nanirahanao ahy ho ao amin’izao tontolo izao no nanirahako azy ho ao  amin’izao tontolo izao koa. Manamasina ny tenako ho azy ireo aho, mba  hohamasinina amin’ny fahamarinana koa izy». 

 

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Vavaka Fanolorana

Tompo ô, mahatsiaro ny hasarobidin’ny fahafatesana nihatra tamin’ireo Olomasinao izahay,  ka manolotra ilay sorona nanovozany ny herim-po nijoroany ho Martiry. 

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amena. 

 

Kômonio

Sal. 26, 4

Zavatra iray loha no angatahiko amin’ny Tompo, sady iriko fatratra: dia te honina ao an-tranon’ny Tompo aho amin’ny andro rehetra iainako, mba hifaly amin’ny toetra maha te ho tian’ny Tompo, sy hibanjina ny fitoerany masina.

 

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, nandray ny fanomezanao avy any an-danitra izahay ka faly mankalaza ny andro anio; koa mihanta aminao: enga anie izahay manambara ny nahafatesan’ny Zanakao amin’izao fanasana masina izao mba hiombona anjara aminy nitsangan-ko velona sy be voninahitra  miaraka amin’ireo Martiry masina. 

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


 
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1279