Sorona Masina ny Talata 23 martsa 2021

Karemy — Herinandro faha-5

TALATA

Tononkira fidirana

Salamo 26, 14


Mahandrasa ny Tompo, marisiha! Mahereza fo, mahandrasa ny Tompo!


Fangatahana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo: mba ataovy maharitra manompo Anao araka izay sitrakao dia ho hita amin’izao andro diavinay izao fa mitombo isa sy fahamasinana ny vahoaka manompo Anao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Boky Fanisana

Fanisana 21, 4-9


Izay rehetra voakaikitra ka mijery ny bibilava varahina dia ho velona.

Tamin’izany andro izany, niala tany an-tendrombohitra Hora ny vahoaka Israely, dia nihazo ny lalan’ny Ranomasina Mena, hanodidina ny tanin’i Edôma. Namoy fo tsy niaritra ny vahoaka tamin’io lalana io, ka niteny nanome tsiny an’Andriamanitra sy i Môizy hoe: “Nahoana no dia nentinao niakatra avy tany Ejipta izahay ho faty atý an’efitra? Ny mofo tsy misy, ny rano tsy misy, ary ny fanahinay efa monainan’itony hanina tsinontsinona itony.” Ary ny Tompo tamin’izay nandefa bibilava mahamay hamely ny vahoaka; nokekerin’ireny ny vahoaka ary nahafatesana betsaka ny olona tamin’i Israely. Nankeo amin’i Môizy ny vahoaka ka nanao hoe: “Efa nanota izahay fa niteny nanome tsiny ny Tompo sy ianao. Mivavaha amin’ny Tompo mba hoesoriny lavitra anay ireo bibilava ireo.” Dia nivavaka ho an’ny vahoaka i Môizy, ka hoy ny Tompo tamin’i Môizy: “Manaova ianao bibilava mahamay ka apetraho amin’ny tsato-kazo, fa ho velona aina izay rehetra voakaikitra ka mijery izany.” Dia nanao bibilava varahina i Môizy, ka napetrany teo amin’ny tsato-kazo anankiray, ary raha nisy voakaikitry ny bibilava, dia nijery ny bibilava varahina izy dia velona.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 101, 2-3. 16-18. 19-21


Fiv.: Tompo ô, henoy vavaka aho!

Tompo ô, henoy vavaka aho. Aoka ho tonga aminao ny tarainako! Aza anafenan-tava aho amin’ny andro fahoriako. Itongilano sofina, valio faingana, amin’ny andro iantsoako.
Ka hatahotra ny Anaran’ny Tompo ireo firenena, ny voninahitrao, ny mpanjaka rehetra eran-tany! Ny Tompo mantsy hanorina an’i Siôna, ka hiseho anatin’ny voninahiny, hanatrika ny vavak’izay norobaina, tsy hanosika ny talohan’izy ireo.
Soraty izany ho an’ny taranaka any aoriana: ka hidera ny Tompo ny vahoaka mbola ho ary! Avy any an-toerany masina any ambony Izy no mitsinjo: avy any an-danitra ny Tompo no mitazana ny tany: hahahenoany ny senton’ny mpifatotra, hanafahany an’ireo voatondro hovonoina.


Fihobiana ny Evanjely

Voninahitra sy dera anie ho Anao, ry Kristy!

Ny tenin’Andriamanitra dia voa afafy, i Kristy no mpamafy; izay rehetra mahita Azy dia honina ao aminy mandrakizay.

Voninahitra sy dera anie ho Anao, ry Kristy!


Evanjely Masina nosoratan’i Md. Joany

Jo. 8, 21-30


Rahefa voasandratrareo ny Zanak’Olona vao ho fantitrareo fa Izaho no Izy.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny Farisianina nanao hoe: “Handeha Aho ka hitady Ahy ianareo, ary ho faty amin’ny fahotanareo. Izay alehako tsy azonareo aleha.” Dia hoy ny Jody: “Hamono tena angaha Izy no manao hoe: izay alehako tsy azonareo aleha?” Fa hoy Izy tamin’izy ireo: “Ianareo avy etý an-tany, Izaho avy any an-danitra; ianareo olon’izao tontolo izao; Izaho tsy mba olon’izao tontolo izao. Izany no nilazako taminareo fa ho faty amin’ny fahotanareo ianareo; satria raha tsy mino ianareo fa Izaho no Izy, dia ho faty amin’ny fahotanareo ianareo.” Dia hoy ry zareo taminy: “Iza moa Ianao?” Ka hoy ny navalin’i Jesoa azy: “Izay lazaiko aminareo indrindra. Manana zavatra maro hilazana sy hitsarana anareo Aho; fa marina Ilay naniraka Ahy, ary izay efa reko taminy no lazaiko amin’izao tontolo izao.” Tsy nahalala izy ireo fa ny Ray no nolazainy taminy. Ka hoy i Jesoa taminy: “Rahefa voasandratrareo ny Zanak’Olona vao ho fantatrareo fa Izaho no Izy, sady tsy manao na inona na inona ho Ahy Aho, fa izay nampianarin’ny Ray Ahy no lazaiko. Ary Izay naniraka Ahy dia eto amiko, fa tsy navelany ho irery Aho, satria manao izay tiany mandrakariva.” Tamin’Izy niteny izany, dia maro no nino Azy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vakinteny hafa azo ifidianana


Vavaka Fanolorana

Tompo ô, atolotray Anao izao fanatitra izao mba hampitony Anao; ka avelao ny fahotanay fa be indrafo Ianao ary tantano ny fonay miovaova.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Fijalian’ny Tompo I


Kômonio

Jo. 12, 32

Rahefa tafasandratra hiala amin’ny tany Aho, dia hitarika ny olona rehetra hanatona Ahy.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Andriamanitra Andriananahary, fa mivelona tsy an-kijanona eo anivon’ny zava-masina izahay: ka enga anie ho mendrika hanakaiky hatrany ny fanomezanao any an-danitra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1035