Sorona Masina ny Alakamisy 18 martsa 2021

Karemy — Herinandro faha-4

ALAKAMISY

Tononkira fidirana

Salamo 104, 3-4


Miravoa ny fon’ny mpitady ny Tompo! Katsaho ny Tompo sy ny heriny, tadiavo lalandava ny tavany.


Fangatahana

Tompo ô, mitalaho an-tanan-droa aminao izahay mpanomponao nodiovin’ny asa fivalozana sy nahazo fahendrena tamin’ny asa soa, ka ataovy maharitra manatanteraka ny didinao amin’ny fo mahitsy ary ho tody soa aman-tsara tsy simban’ny ota amin’ny andro hankalazana ny Paka.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Boky Eksaody

Eks. 32, 7-14


Ialao ny fahatezeranao amin’ny vahoakanao.

Tamin’izany andro izany, ny Tompo niteny tamin’i Môizy nanao hoe: “Mandehana midina ianao fa nanao ratsy be vava ilay vahoakanao nentinao niakatra avy any amin’ny tany Ejipta. Nalaky nivily niala tamin’ny lalana nasaiko hombany; nanao zanak’omby anidina ho azy izy ireo, dia niankohoka teo anoloan’io sy nanolotra sorona taminy, ary nanao hoe: ‘Ry Israely, io no andriamanitrao, izay nitondra anao niakatra avy any amin’ny tany Ejipta.’” Dia hoy indray ny Tompo tamin’i Môizy: “Hitako fa vahoaka mafy hatoka io vahoaka io. Koa ankehitriny avelao Aho, aoka hirehetan’ny fahatezerako izy ireo, ka horinganiko; fa ianao kosa hataoko firenena lehibe.” Nifona tamin’Andriamanitra Tompony anefa i Môizy ka nanao hoe: “Nahoana ny fahatezeranao, Tompo ô, no dia hirehitra amin’ny vahoakanao, izay navoakanao avy any amin’ny tany Ejipta, tamim-pahefana lehibe aman-tanana mahery? Nahoana no dia hahazoan’ny Ejipsianina hilaza hoe: ‘Ny namoahany azy dia mba hampidi-doza aminy, mba hamono azy any an-tendrombohitra, ary mba handringana azy tsy ho eto ambonin’ny tany.’ Koa ialao re ny fahatezeranao mirehitra; aneneno re ny ratsy kasainao hafitsoka ny vahoakanao. Fa tsarovy i Abrahama sy i Isaaka ary i Israely mpanomponao izay nilazanao tamim-pianianana amin’ny tenanao hoe: ‘Hohamaroiko toy ny kintana eny an-danitra ny taranakareo ary homeko ny taranakareo izany tany rehetra nolazaiko taminareo izany, ka hanjakany mandrakizay.’” Dia nanenenan’ny Tompo ny ratsy nolazainy hafitsoka ny vahoakany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 105, 19-20. 21-22. 23.


Fiv.: Tsarovy izahay, ry Tompo, izay tia ny vahoakanao.

Tany Hôreba izy ireo nanao zanak’omby, niankohoka tamin-tsary anidina. Ilay voninahiny dia natakalony sarin’ombalahy homana ahitra!
Hadinony Andriamanitra Mpamonjy azy, Ilay nanao zava-dehibe tany Ejipta, zava-mahagaga tany an-tanin’i Kama, zava-mahatahotra tany an-dRiakan-jozoro.
Dia nilaza handringana Izy, raha tsy i Môizy ilay voafidiny no nisosoka nitokona teo anoloany, mba hanohana ny havinirany tsy hahavoa.


Fihobiana ny Evanjely

Dera sy haja ho Anao, ry Jesoa Tompo.

Ario lavitra anareo ny fahadisoana rehetra nataonareo, hoy ny Tompo, ary manaova fo vaovao sy saina vaovao.

Dera sy haja ho Anao, ry Jesoa Tompo.


Evanjely Masina nosoratan’i Md. Joany

Jo. 5, 31-47


Ao ny hiampanga anareo, dia i Môizy izay itokianareo.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny Jody nanao hoe: “Raha Izaho ihany no manambara ny tenako, tsy marina ny fanambaràko; fa misy hafa izay manambara Ahy, ary fantatro fa marina ny fanambaràny Ahy. Naniraka tany amin’i Joany ianareo, ary nanambara ny marina izy. Tsy dia ny fanambaràna avy amin’olona anefa no iankinako, fa ny mba hahavoavonjy anareo no hilazako izany. I Joany dia jiro nirehitra sy nazava, ka nahafinaritra anareo sy nifalianareo vetivety ny fahazavàny. Fa manana fanambaràna manoatra an’i Joany Aho, satria ny asa nomen’ny Ray hovitaiko sady ataoko tokoa no manambara fa iraky ny Ray Aho. Ary ny Ray izay naniraka Ahy dia Izy indrindra no nanambara Ahy. Ianareo tsy nandre ny feony na oviana na oviana, na nahita ny tarehiny, sady tsy manana ny teniny mitoetra ao anatinareo, noho ianareo tsy mino Ilay nirahiny. Mandinika ny Soratra Masina ianareo, satria ataonareo fa ao no anananareo ny fiainana mandrakizay, ary ireny indrindra no manambara Ahy; nefa tsy mety manatona Ahy ianareo mba hanananareo ny fiainana. Izany akory tsy dia fitadiavako voninahitra amin’olombelona; fa fantatro ianareo, fa tsy manana ny fitiavana an’Andriamanitra ao aminareo. Avy Aho amin’ny anaran’ny Raiko, nefa tsy noraisinareo; raha misy hafa avy amin’ny anaran’ny tenany anefa, dia horaisinareo ihany izy. Hataonareo ahoana kosa moa no fino? Koa aminareo samy ianareo no ilanareo ny voninahitrareo, fa ny voninahitra amin’Andriamanitra irery tsy tadiavinareo tsinona! Aza ataonareo fa Izaho no hiampanga anareo amin’ny Ray; ao no hiampanga anareo, dia i Môizy, izay itokianareo. Fa raha mba nino an’i Môizy ianareo, dia hino Ahy koa; satria nanoratra nanambara Ahy izy. Ary raha tsy mino izay nosoratany koa ianareo, hataonareo ahoana no fino ny teniko?”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vakinteny hafa azo ifidianana


Vavaka Fanolorana

Mihanta aminao izahay, ry Andriamanitra Andriananahary: enga anie ny fanatitra atao Sorona izao handio anay osa sy malemy hanafaka anay amin’ny ratsy rehetra ary hankahery anay mandrakariva.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Karemy


Kômonio

Jer. 31, 33

Hataoko ao anatin’izy ireo ny lalàko, sy hosoratako ao am-pony; ary ho Andriamanitr’izy ireo Aho; izy ireo kosa ho vahoakako, hoy ny Tompo.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Tompo: enga anie handio anay ny Kômonio noraisinay, ka ho afaka amin’ny ota rehetra izahay mpanomponao, ary enga anie izahay, diso ka enjehin’ny eritreritra, mba ho tretrika henika ny fanafody avy any an-danitra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0984