Sorona Masina ny Asabotsy 13 martsa 2021

Karemy — Herinandro faha-3

SABOTSY

Tononkira fidirana

Salamo 102, 2-3


Isaory ny Tompo, ry fanahiko; aza misy hadinoina ny soa avy aminy! Fa Izy no mamela ny helokao rehetra.


Fangatahana

Faly izahay manatanteraka ny fomba masina fanaonay isan-taona; koa mihanta aminao, ry Tompo: enga anie hiraiki-po amin’ny sakramentan’ny Paka izahay ka ho finaritra hahazo voka-tsoa feno avy aminy.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Bokin’i Osea Mpaminany

Osea 6, 1-6


Ny famindram-po no sitrako fa tsy ny sorona.

Tamin’izany andro izany, nifampilaza ny vahoaka Israelita nanao hoe: “Andeha isika hiverina amin’ny Tompo; fa Izy no namiravira. Izy no hahasitrana antsika; mikapoka Izy, nefa hamehy ny ferintsika koa. Rahefa afaka indroa andro dia hataony velona indray isika; amin’ny andro fahatelo dia hatsangany isika ka ho velona eo anatrehany. Mahalalà isika, mikeleza aina hahalala ny Tompo isika. Mahatoky, toy ny an’ny maraina, ny fiposahany; ary ho avy amintsika toy ny tandrifin-drahona, toy ny fara orana manamando ny tany.” Ary Andriamanitra namaly hoe: “Inona no hataoko aminao, ry Efraima? Inona no hataoko aminao, ry Jodà? Fa ny fitiavam-bavakareo dia tahaka ny rahona maraina, tahaka ny ando amin’ny maraina ka levona vetivety. Noho izany, nataoko potika, tamin’ny tenin’ny mpaminany, novonoiko tamin’ny tenin’ny vavako izy ireo; toy ny mazava miposaka no ho fitsarana anao. Fa ny famindram-po no sitrako fa tsy ny sorona; ary ny fahalalana an’Andriamanitra mihoatra noho ny sorona dorana.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 50, 3-4. 18-19. 20-21ab


Fiv.: Ny famindram-po no sitraky ny Tompo.

Iantrao aho, ry Tompo Andriamanitra, fa Ianao manko lalim-pitiavana. Mba koseho re ny heloka vitako, dia diovy aho hiala amin’ny otako.
Lavinao tsotra izao ny fanatitra, toy izany ireo sorona dorana; ny fanahy torotoro, ry Tompoko, io no sorona tianao hatolotro.
I Siôna omeo fitsimbinana, mba areno ilay Jerosalemako. Dia ho manitra indray ny fanatitra sy ny sorona isan-karazany.


Fihobiana ny Evanjely

Voninahitra ho Anao, ry Kristy Tenin’Andriamanitra.

Hitsangana aho ho any amin’ny raiko, ka hanao aminy hoe: “Dada ô, nanota tamin’ny lanitra sy teo anatrehanao aho.”

Voninahitra ho Anao, ry Kristy Tenin’Andriamanitra.


Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 18, 9-14


Nidina ilay poblikanina nohamarinina tany an-tranony fa tsy ilay farisianina.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nanao itý fanoharana itý tamin’ireo sasany natoky tena ho marina sy nanebaka ny namany: “Nisy roa lahy niakatra nivavaka tany an-tempoly. Farisianina ny iray, ary poblikanina ny anankiray. Nitsangana ilay farisianina ka nivavaka tao am-pony hoe: ‘Andriamanitra ô! misaotra Anao aho fa tsy mba tahaka ny olona hafa izay mpangalatra, tsy marina, mpijangajanga, na tahaka itsy poblikanina itsy akory aza; mifady hanina indroa isan-kerinandro aho, ary mandoa ny ampahafolon’ny fananako rehetra.’ Fa ilay poblikanina kosa nijanona eny lavidavitra eny sady tsy sahy niandrandra ny lanitra akory, fa nandona ny tratrany nanao hoe: ‘Andriamanitra ô! mamindrà fo amiko, fa mpanota aho.’ Lazaiko aminareo fa itý no nidina efa nohamarinina tany an-tranony, fa tsy ilay anankiray; fa izay rehetra manandra-tena no haetry, ary izay manetry tena no hasandratra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vakinteny hafa azo ifidianana


Vavaka Fanolorana

Andriamanitra ô, ny fahasoavanao no ahazoanay mankalaza ny Paka isan-taona amin’ny fo madio; koa mihanta aminao izahay: enga anie hifanaraka amin’izany mistery izany ny fo entinay manompo Anao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Karemy


Kômonio

Lk. 18, 13

Nijanona teny aoriana ilay mpamory hetra sady nandòn-tratra nilaza hoe: «Amindrao fo aho, Andriamanitra, fa mpanota.»


Vavaka aorian’ny Kômonio

Ry Andriamanitra be indrafo ô, enga anie ny hanina masina fihinanay horaisinay amin’ny fo mahitsy vonona hanompo Anao sy amin’ny Fanahy tsy mivadika aminao mandra-pahafaty.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1059