Sorona Masina ny Alahady 28 febroary 2021

Taona B - ALAHADY FAHAROA KAREMY

OMEO IZAY ANGATAHIN’ANDRIAMANITRA

Lokon’akanjo: volomparasy

Tononkira fidirana

Sal. 26, 8-9

Hoy ny foko taminao: «Mitady ny endrikao aho; ny endrikao, ry Tompo, no tadiaviko; aza afenina ahy ny salovan-tavanao».


Fangatahana

Andriamanitra ô, nasainao nihaino ny Zanakao malalanao izahay; koa enga anie ho sitrakao ny hamelona ny fanahinay amin’ny teninao, ka hadio ny fonay mandinika azy ary ho sambatra izahay mibanjina ny voninahitrao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka… Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Boky Jenezy

Jen. 22, 1-2. 9a. 10-13. 15-18

Sorona nataon’i Abrama, Patriarka,

Tamin’izany andro izany, Andriamanitra nizaha toetra an’i Abrama ka nanao taminy hoe: “Ry Abrama ô!” Ary hoy izy: “Inty aho”. Dia hoy Andriamanitra: “Ento ny zanakao, ilay lahy tokanao, ilay tianao, dia i Isaaka, ka mankanesa any amin’ny tany Môrià, ary rehefa mby any, atero izy ho sorona dorana eo ambonin’ny anankiray amin’ny tendrombohitra hatoroko anao”. Nony tonga teo amin’ny fitoerana natoron’Andriamanitra azy izy, dia naorin’i Abrama teo ny ôtely. Dia naninjitra ny tanany i Abrama ka nandray ny antsy hamonoana ny zanany. Tamin’izay, niantso tany an-danitra ny Anjelin’ny Tompo nanao hoe: “Ry Abrama! ry Abrama ô! hoy ny navaliny: “Inty aho”. Dia hoy ny Anjely: “Aza manainga ny tananao hamely ny zaza, ary aza maninomaninona azy akory, fa efa hitako izao fa matahotra an’Andriamanitra ianao, sady tsy nandà ianao fa nahafoy ny zanakao, ilay lahy tokanao ho Ahy”. Ary nanopy maso i Abrama ka nahita ondralahy anankiray teo ivohony, voasaringotry ny kirihitr’ala tamin’ny tandrony; dia lasa i Abrama naka ilay ondralahy, ka io no nateriny ho sorona dorana ho solon’ny zanany. Ary ny Anjelin’ny Tompo niantso an’i Abrama fanindroany tany an-danitra, ka nanao hoe: “Efa nianiana tamin’ny Tenako Aho, hoy ny Tompo, noho ianao nanao izany sy tsy nandà, fa nahafoy ny zanakao, ilay lahy tokanao, ho Ahy dia hanisy soa anao Aho, hahamaro ny taranakao tahaka ny kintana eny an-danitra sy ny fasika eny amoron-dranomasina, ary ny taranakao hahazo ny vavahadin’ny fahavalony. Amin’ny taranakao no hanasoavana ny firenena ambonin’ny tany, satria nanaiky ny teniko ianao”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Salamo fandinihana

Sal. 115, 10 sy 15. 16-17. 18-19


Fiv.: Hizotra eo anatrehan’ny Tompo aho ho any amin’ny tanin’ny velona.

Inona no havaliko ny Tompo amin’ny soa rehetra nataony ahy? Handray ny kapoakam-pandresena aho sady hiantso ny Anaran’ny Tompo.
Tsy sitraky ny Tompo velively ny ahafatesan’ny sakaizany. Mpanomponao aho, ry Tompo: eny, mpanomponao tokoa; zanaky ny ankizy vavinao aho, ka nalanao fatorana.
Koa mitondra fanati-pisaorana aho sy miantso ny Anaran’ny Tompo, manefa ny voadiko tamin’ny Tompo atrehin’ny vahoakany tontolo.


VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma

Rôm. 8, 31b-34


Andriamanitra tsy nandala ny tena Zanany.

Ry kristianina havana, raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antsika? Izy tsy nandala ny tena Zanany, fa nahafoy Azy ho antsika rehetra, ka ahoana no tsy hanomezany antsika ny zavatra rehetra koa, miaraka aminy? Iza no hiampanga izay voafidin’Andriamanitra? Andriamanitra no manamarina azy, ka zovy no hanameloka? Moa i Kristy va, ilay efa maty fa nitsangan-ko velona sy mipetraka eo ankavanan’Andriamanitra ary mifona ho antsika?

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Fihobiana ny Evanjely

Dera anie ho Anao, ry Kristy, Mpanjakanay rehetra, mitenena, Tompo ô, hamelona, hanazava.

Tao anatin’ny rahona mamirapiratra, no re ny feon’ny Ray nanao hoe: Ity no Zanako malalako: henoy Izy.

Dera anie ho Anao, ry Kristy, Mpanjakanay rehetra, mitenena, Tompo ô, hamelona, hanazava.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Marka

Mk. 9, 1-9

Ity no Zanako malalako indrindra.

Tamin’izany andro izany, nalain’i Jesoa i Piera sy i Jakôba ary i Joany ka nentiny nitokana tany an-tampon’ny tendrombohitra avo anankiray, dia niova tarehy teo anatrehany Izy. Tonga nanjelanjelatra sady fotsy hoatra ny oram-panala ny fitafiany, ka tsy misy mpanasa lamba, mahadio lamba toy izany ety an-tany. Ary niseho tamin’izy ireo i Elia sy i Môizy, sady niresaka tamin’i Jesoa. Dia niteny i Piera ka nanao tamin’i Jesoa hoe: “Raby ô, mahafinaritra ny mitoetra aty; aoka hanao lay telo izahay, ny iray ho Anao, ny iray ho an’i Môizy, ary ny iray ho an’i Elia”. Fa tsy fantany izay nolazainy, satria raiki-tahotra loatra izy ireo. Tamin’izay dia nisy rahona nanarona Azy; ary nisy feo avy tao amin’io rahona io nanao hoe: “Ity no Zanako malalako indrindra, henoy Izy”. Niaraka tamin’izay dia nijerijery manodidina izy ireo, nefa tsy nahita olona intsony, fa i Jesoa irery sisa teo aminy. Nony nidina avy tany an-tendrombohitra izy ireo, dia noraràny tsy hilazalaza amin’olona ny zavatra vao hitany, mandra-pitsangan’ny Zanak’olona ho velona. Dia notanany tao am-pony izany zavatra izany, sady nifampaka saina izy ny amin’izay hevitr’izany hoe: mitsangan-ko velona.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy


Asiana IZAHO MINO...


Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, amin’izao herinandro faharoa amin’ny Karemy izao, dia ampahatsiahivin’ny Eglizy antsika ny niovan’i Jesoa Tarehy ary asehony amintsika ny voninahitra hamirapiratan’i Jesoa rehefa hitsangan-ko velona; koa mivavaha mba ho henika ny famirapiratan’i Kristy isika sy ny tany tontolo.

Valy: Arotsahy aminay ny fahazavanao sy ny fahamarinanao.

* Teny an-tampon-tendrombohitra i Kristy no niseho namirapiratra; koa mivavaha mba hamirapiratan’izany hazavana avy amin’Andriamanitra izany ny Eglizy, ho hitan’ny olombelona amin’izao andro izao.
* Tsy nisalasala i Abrama filohana vahoaka marobe fa nanao sorona ny zanany hanekeny an’Andriamanitra; koa mivavaha mba homen’Andriamanitra finoana sy herim-po ireo mpitondra vahoaka rehetra hahafoy izay soa ho an’ny tenany, hanasoavana ny be sy ny maro.
* Maro ny mpiasa no tsy miroa fo, na an-tsaha na an-tanàna; koa mivavaha mba tsy hampihena ny zo aman-kasina maha-olona azy ny fisasarany, fa mba hampanjaka ny fahamarinana sy ny fitiavana, ka tena hampiova endrika ny tany.
* Maro ny olon-dehibe miomana hatao Batemy amin’izao Paka izao any amin’ny fiangonana maro; koa mivavaha mba samy ho tratr’izany androm-pahasoavana izany hampitombo hery sy famirapiratana ny Eglizy.
* Nahatsiaro sambatra tany an-tendrombohitra izy telo lahy Apôstôly, ka nanaiky hijanona tany hibanjina an’i Jesoa; koa mangataha mba hikatsaka ny fahasambarana amin’ny fiarahana amin’i Jesoa isika sy hizara an’izany amin’ny olona rehetra.


— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana sy eran-tany.


Tompo ô, sitrakao naseho tamin’ny Apôstôly ny fiarahanao miaina amin’ny Ray sy ny Fanahy Masina; koa enga anie mba ho tena hiainanay marina tokoa ny fitiavana namenoana anay hatramin’ny Batemy.

Fa Ianao velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.


Vavaka Fanolorana

Ireto fanatitra ireto anie, ry Tompo, handio anay ho afa-pahotana, ary enga anie ireo hahamasina ny fanahy amam-batanay mpanomponao mba hahafahanay mankalaza tsara ny Paka.

amin’ny alalan’i Kristy Tomponay.


Prefasy:

Mendrika sy rariny tokoa ary mety sady mahavonjy ny misaotra Anao lalandava hatraiza hatraiza, ry Tompo, Ray Masina, Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay, amin’ny alalan’i Kristy Tomponay.

Ilay nanambara tamin’ny mpianany mialoha fa ho faty Izy, ka naneho ny famirapiratany tany an-tendrombohitra masina, mba hampiharihary fa rehefa avy mijaly Izy araka ny voalazan’ny Lalàna sy ny Mpaminany, dia ho feno voninahitra hitsangan-ko velona.

Izany no ankalazanay Anao lalandava ety an-tany miaraka amin’ny herin’ny lanitra mihoby Anao Avo indrindra tsy an-kijanona manao hoe: Masina, Masina, Masina ...


Kômonio

Mt. 17, 5.

Hoy ny Tompo hoe: “Zanako malalako ity, ilay sitrako tokoa; henoy Izy”.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, miezaka hisaotra Anao izahay mandray ny Kômonio isantaranay ny voninahitrao, satria na mbola ety an-tany aza izahay, dia efa miombona anjara amin’ny soa any an-danitra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.068