Sorona Masina ny Zoma 26 febroary 2021

Karemy — Herinandro voalohany

ZOMA

Tononkira fidirana

Salamo 24, 17-18


Afaho amin’ny mahaory aho, ry Tompo; jereo fa osa sy mijaly, ary esory ny otako rehetra.


Fangatahana

Tompo ô, mba ataovy mifanaraka amin’izao fomba fanomanana ny Paka izao ny fonay mpanomponao; ka enga anie izao fampijalian-tena fanaonay isan-taona izao hahasoa ny be sy ny maro sy hahitan’ny fanahy rehetra voka-tsoa.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Bokin’i Ezekiela Mpaminany

Ezekiela 18, 21-28


Moa ny hahafatesan’ny ratsy fanahy ve no sitrako, fa tsy ny hialany amin’ny helony rehetra ka ho velona izy?

Izao no lazain’ny Tompo Andriamanitra: “Ny ratsy fanahy kosa raha miala amin’ny fahotana rehetra nataony ka mitandrina ny didiko rehetra sy manaraka ny hitsiny sy ny rariny, ho velona izy, fa tsy ho faty. Tsy hotsarovana intsony ny fahadisoana rehetra nataony; ho velona izy noho ny fanarahany ny marina. Moa ny hahafatesan’ny ratsy fanahy ve no sitrako, — teny marin’ny Tompo Andriamanitra —, fa tsy ny hialany amin’ny helony rehetra ka ho velona izy? Ary raha miala amin’ny fahamarinana kosa ny marina ka manao ny tsy marina, araka ny fahavetavetana rehetra ataon’ny ratsy fanahy, — moa hanao izany izy va ka ho velona? — Tsy hotsarovana intsony ny asa fahamarinana rehetra narahiny; noho ny fahadisoana nahameloka azy sy ny fahotana nataony; noho izany, dia ho faty izy. Ianareo manao hoe: ‘Tsy marina ny lalan’ny Tompo!’ Mihainoa àry, ry taranak’i Israely: Moa ny lalako va no tsy mahitsy? Moa tsy ny lalanareo va no tsy mahitsy? Raha miala amin’ny fahamarinany ny marina ka manao ny tsy marina ary maty amin’izany, dia noho ny tsy marina nataony no ahafatesany. Fa raha miala amin’ny haratsiana nataony kosa ny ratsy fanahy, ka manaraka ny hitsiny sy ny rariny amin’ny ataony dia hamelona ny fanahiny izy. Raha sokafany ny masony, ka miala amin’ny fahadisoana rehetra nataony izy, dia ho velona tokoa izy fa tsy ho faty.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 129, 1-2. 3-4ab. 4d-6. 7-8


Fiv.: Raha mitsikilo heloka Ianao, Tompo ô, iza no hahatanty?

Avy ato anaty hantsana aho, ry Tompo, no miantso; Tompo ô, henoy re izany feoko. Ho tandrin-tsofinao anie ny antsoko miangavy. He! fa mitoreo izato feoko.
Raha tsikilovinao irony heloka natao. Zovy re, ry Tompo, no haharitra? Saingy eo anilanao no hahitako famelana. Toky ho ahy Ianao, ka dia toaviko.
Ny Tompo no antenain’ny fanahiko hatrany. Vonona aho miandry izany teniny. Manoatra ny mpiambina miandry ny maraina no aoka hiandrasantsika an’Andriamanitra.
Fa tsara fo endre ka fanaperana Izy Tompo. Avotra lehibe ka ianteherana. Dia Izy no andrasan’i Israely hanavotra azy. Afaka tanteraka ny helony.


Fihobiana ny Evanjely

Voninahitra sy dera anie ho Anao, ry Kristy!

Tsy ny hahafatesan’ny ratsy fanahy no sitrako fa ny hialan’ny ratsy fanahy amin’ny lalany ka ho velona izy.

Voninahitra sy dera anie ho Anao, ry Kristy!


Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 5, 20-26


Mandehana aloha mihavana amin’ny rahalahinao.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: “Raha tsy lehibe noho ny an’ny mpanora-dalàna sy ny Farisianina ny fahamarinanareo, dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra akory ianareo. Efa renareo fa voalaza tamin’ny ntaolo hoe: Aza mamono olona, ary izay hamono olona dia hohelohina amin’ny fitsarana. Fa Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra mitezitra ny rahalahiny dia hohelohina amin’ny fitsarana; ary izay hanao aminy hoe Raka, dia hohelohina amin’ny Sanedrina ary izay hanao azy hoe Foka dia hohelohina any amin’ny gehen’afo. Koa raha manatitra ny fanatitrao eo amin’ny ôtely ianao, ka eo vao mahatsiaro fa manana alahelo aminao ny rahalahinao, dia avelao eo amin’ny ôtely aloha ny fanatitrao, ka mandehana mihavana amin’ny rahalahinao vao miverina hanolotra ny fanatitrao indray. Mihavàna faingana amin’izay manana ady aminao, dieny samy mbola eo an-dalana ianareo, fandrao atolotr’izay manana ady aminao amin’ny mpitsara ianao, ary ny mpitsara kosa hanatitra anao amin’ny mpamatotra, ka hatao an-tranomaizina ianao. Lazaiko marina tokoa fa tsy ho afaka ao mihitsy ianao, ambara-pandoanao ny variraiventy farany.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Mba raiso amin’ny fo antra, ry Tompo be fitiavana, ireto fanatitra ireto, fa sady nataonao hampitony ny Fonao no nomenao hahavonjy anay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Karemy


Kômonio

Ez. 33, 11

Velona Aho, hoy ny Tompo, ka tsy ny hahafatesan’ny mpanota no irìko, fa ny hibebahany mba hahavelona azy.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Hanavao ny herinay anie, ry Tompo, ny Kômonio masina noraisinay ka hanafaka anay amin’ny toetra ratsy mahazatra ary hahatonga anay hanana anjara amin’ny famonjena.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.037