Sorona Masina ny Alarobia 16 desambra 2020

Herinandro fahatelo - Fahatongavan’ny Tompo

ALAROBIA

Raha 17 desambra na aoriana dia jereo 17 desambra


Tononkira fidirana

1 Kôr. 4, 5


Ho avy ny Tompo ary tsy ho ela intsony; hiseho amin’ny firenena rehetra Izy dia hampiharihary izay nafenin’ny haizina.


Fangatahana

Mihanta aminao izahay, ry Andriamanitra Andriananahary ô, fa hankalaza ny fahatongavan’ny Zanakao; koa enga anie hahita fanafody amin’itý fiainana itý ary hahazo ny valisoa mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Bokin’i Izaia Mpaminany

Iz. 45, 6b-8. 18. 21b-25


Ampidino, ry lanitra, ny andonao avy any ambony.

“Izaho no Tompo, ary tsy misy hafa. Izaho no mamorona ny mazava, sy mahary ny maizina; manao ny fiadanana sy mahary ny loza; Izaho Tompo no manao izany rehetra izany. Ampidino, ry lanitra, ny andonao avy any ambony; ary aoka ny rahona handatsaka ny fahamarinana toy ny ranon’orana! Aoka ny tany hisokatra, hahavokatra ny famonjena, ka hampitsimoka ny fahamarinana miaraka amin’izany! Izaho Tompo no mahary ireo zavatra rehetra ireo.” Izao no lazain’ny Tompo, izay nahary ny lanitra, Izy dia ilay Andriamanitra namorona ny tany sy nahavita ary nampiorina azy, ka tsy nataony ho zava-mifanjevo foana, fa nataony ho fonenana: “Izaho no Tompo, ary tsy misy hafa! Ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho. Izaho no Andriamanitra marina, ary tsy misy mpamonjy afa-tsy Izaho. Mitodiha atý amiko dia hovonjena ianareo, ianareo rehetra mponina amin’ny tany, fa Izaho no Andriamanitra ary tsy misy hafa. Efa nianiana tamin’ny Tenako Aho; ny marina no aloaky ny vavako, dia ny teny iray, izay tsy hofoanana. Ny lohalika rehetra handohalika amiko, ary ny lela rehetra hianiana amiko. Izao no hilazan’ny olona Ahy: Amin’ny Tompo irery no mitoetra ny fahamarinana sy ny hery!” Hanatona Azy ny olona, fa ho menatra kosa izay rehetra tezitra taminy. Hohamarinina sy homem-boninahitra ao amin’ny Tompo avokoa ny taranak’i Israely rehetra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 84, 9ab-10. 11-12. 13-14


Fiv.: Ampidino, ry lanitra, ny andonao avy any ambony ary aoka ny rahona handatsaka ny fahamarinana.

Mba tiako tokoa ny handre Azy Tompo, mirary fiadanana ho an’ireo tiany, mirary fiadanana ho an’ireo olo-miandrandra ny tavany.
Akaiky izay mino Azy Tompo ny vonjy. Honenan’ny lazany etý amintsika koa indro mihaona tokoa ny indrafo sy ny fahamarinana.
Ny rariny ombam-piadanana hatrany, ny hitsiny hita mitsiry amin’ny tany, mitsinjo avy eny amin’ny rahon’ny lanitra koa ny rariny.
Handrotsaka orana anie Izy Tompo, izay hampamokatra tsara ny tany fa lalan-kizoran’ny Tompo ny rariny ombam-piadanana.


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Tongava, ry Tompo, ary aza ela: vahao ny fatoran’ny vahoakanao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 7, 19-23


Ambarao an’i Joany izay rehetra renareo sy hitanareo.

Tamin’izany andro izany niantso roa lahy tamin’ny mpianany i Joany nalefany ho any amin’i Jesoa hanao aminy hoe: “Ianao va no Ilay ho avy, sa mbola hafa no handrasantsika?” Nony tonga tany aminy ireo dia nanao hoe: “Nirahin’i Joany Batista hankatý aminao izahay hanontany raha Ianao no Ilay ho avy, na mbola hafa no andrasantsika.” Tamin’izay indrindra i Jesoa dia nanasitrana olona maro niferinaina tamin’ny aretina sy ny rofy ary ny fanahy ratsy, sady nampahiratra jamba maro koa, koa izao no navaliny an’ireto iraka: “Mandehana lazao amin’i Joany izay zavatra renareo sy hitanareo: mahiratra ny jamba, mandeha ny mandringa, madio ny boka, malady ny marenina, mitsangan-ko velona ny maty, torîna amin’ny mahantra ny Evanjely, ary sambatra izay rehetra tsy ho tafintohina noho ny amiko.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo: enga anie ho tontosa soa aman-tsara itý sorom-panompoana itý ka hiteraka izay vokatra nokendrenao tamin’ny namoronanao azy sy hahazoanay tsy misy tomika ny famonjena.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Fahatongavan’ny Tompo I


Kômonio

Iz. 40, 10 ; 34, 5

Indro fa tonga ny Tompo mahery, hampahiratra ny mason’ny mpanompony.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Tompo mora fo: enga anie izao Kômonio masina izao handio anay ho afaka amin’ny haratsianay ka hanomana anay ho mendrika ilay androm-pifaliana ho avy.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0083