Sorona Masina ny Alahady 13 desambra 2020

ALAHADY FAHA-3 - Taona B fiavian’ny Tompo

MIFALIA FA AKAIKY NY TOMPO.

Lokon’akanjo: mavokely na volomparasy

Tononkira fidirana

Fil. 4, 4-5


Mifalia mandrakariva ao amin’ny Tompo! Eny, averiko indray, mifalia! satria efa akaiky anie ny Tompo.


Fangatahana

Andriamanitra ô, indreto izahay vahoakanao entanim-pinoana miomana hankalaza ny nahaterahan’i Kristy Tomponay; koa mihanta aminao izahay: enga anie mba ho tody soa aman-tsara eo amin’ny hafaliana entin’ny Mpamonjy sy harisika mandrakariva hankalaza an’izany amin’ny fomba manetriketrika.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka.. . Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Bokin’i Izaia Mpaminany

Iz. 61, 1-2a. 10-11


Ho revon-kafaliana ao amin’ny Tompo aho.

Ato amiko ny Fanahin’ny Tompo, satria voahosotry ny Tompo aho; nirahiny hitondra teny soa mahafaly amin’ny mahantra, hamehy ny ferin’ireo torotoro fo; hampandre amin’ny babo fa afaka, sy ny ao an-tranomaizina fa alefa hitory taom-pahasoavana anankiray ho an’ny Tompo. Ho revon-kafaliana eo amin’ny Tompo aho, ary hiravoravo amin’ny Andriamanitro ny foko, satria notafiany fitafiam-pamonjena aho ary nakanjoiny akanjom-pahamarinana, toy ny mpampakatra miravaka diadema eo an-dohany; toy ny ampakarina miraratra ny firavany sarobidy. Fa toy ny ampanirian’ny tany ny tsimoka eo aminy, sy toy ny ampitsimohan’ny zaridaina ny voa nafafy eo aminy, no ampanirian’ny Tompo Andriamanitra ny fahamarinana sy ny fiderana, eo anatrehan’ny firenena rehetra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Salamo fandinihana

Lk. 1, 46-48. 49-50. 53-54


Fiv.: Hiravoravo ao amin’Andriamanitra ny foko.

Mankalaza ny Tompo ny fanahiko, ravo amin’Andriamanitra Mpamonjy ahy ny aiko: fa nojereny ity ankizivaviny tsinontsinona, ka hataon’ny taranaka rehetra hoe sambatra aho.
Nanao zava-dehibe tamiko ilay Mahefa, ilay antsoina hoe «Ny Masina», ilay tia an’izay matahotra azy amin’ny taona mifandimby.
Ireo noana vokisany soa, ny manana ataony mody maina. Nanarina an’i Israely mpanompony Izy, fa tsaroany ny teniny tamin’ny razantsika.


VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasy voalohan’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Tesalônika

1 Tes. 5, 16-24


Hotahiriziny tsy hanan-tsiny ho amin’ny fahatongavan’ny Tompo ny fanahinareo sy ny ainareo ary ny vatanareo.

Ry kristianina havana, mifalia mandrakariva; mivavaha lalandava; ary misaora amin’ny zavatra rehetra, fa izany no sitra-pon’Andriamanitra, ao amin’i Kristy Jesoa ho anareo rehetra. Aza mamono ny Fanahy; aza manamavo ny faminaniana, fa zahao toetra ny zavatra rehetra, ka tano izay tsara; fa fadio kosa na dia izay mitarehin-javatra ratsy fotsiny aza. Ary Andriamanitry ny fiadanana anie hanamasina ny tenanareo manontolo, ka hotahiriziny tsy hanan-tsiny ho amin’ny fahatongavan’i Jesoa Kristy Tompontsika avokoa ny fanahinareo sy ny ainareo ary ny vatanareo. Tsy mivadika Ilay niantso anareo, ka Izy ihany koa no hanefa izany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ato amiko ny Fanahin’ny Tompo: nirahiny hitondra teny soa mahafaly amin’ny malahelo Aho.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Joany

Jo. 1, 6-8. 19-28


Eo afovoanareo misy Olona anankiray izay tsy fantatrareo.

Nisy lehilahy anankiray nirahin’Andriamanitra, Joany no anarany; tonga ho vavolombelona hanambara ny Fahazavana izy, mba hinoan’ny olona rehetra noho ny teniny. Tsy izy anefa no Fahazavana fa tonga ho vavolombelona manambara ny fahazavana fotsiny izy. Ary izao no nambaran’i Joany raha naniraka mpisorona sy Levita, avy tany Jerosalema, hankany aminy ny Jody mba hanontany azy hoe: “Iza moa Ianao?” Nilaza marina izy ka tsy nandà, fa nanao hoe: “Tsy i Kristy aho”. Dia nanontany azy izy ireo nanao hoe: “Iza àry? i Elia va ianao?” Fa hoy izy: “Tsy izy aho”. Ary hoy ihany izy ireo: “Ilay mpaminany va ianao?” Fa hoy ny navaliny: “Tsia”. Ka hoy izy ireo taminy: “Iza àry ianao, mba hitondranay valy amin’izay naniraka anay? Ataonao ho iza ny tenanao?” Dia hoy izy: “Izaho no feo miantso any an’efitra hoe: Ahitsio ny lalan’ny Tompo, araka izay voalazan’i Izaia mpaminany”. Ary Farisianina ireo iraka ireo. Dia nanontany azy indray ireo ka nanao taminy hoe: “Nahoana àry ianao no manao batemy raha tsy i Kristy, na i Elia, na ilay Mpaminany?” Ka novalian’i Joany hoe: “Izaho manao batemy amin’ny rano; fa eo aminareo misy anankiray tsy fantatrareo, dia Ilay avy ao aoriako, ary tsy mendrika hamaha ny kofehikapany aza aho”. Tany Betania andafin’i Jordany, izay nanaovan’i Joany batemy, no natao izany zavatra izany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Asiana IZAHO MINO...


Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, mitohy miseho eo amin’izao tontolo izao i Kristy, mitohy manorina ny Fanjakany; koa amin’izao andro fanomanana ny Krismasy izao, dia akambano ny vavaka ataontsika, hangatahana amin’ny Tompo hanitatra ny Fanjakany ao amintsika sy manodidina antsika.

Valy: Tompo ô, tongava eo anivon’ny vahoakanao.

* Mivavaha ho an’ny Papa sy ny Eveka ary ny Pretra, mba ho amin-kerim-po no hanambaràny ny fiavian’i Kristy, sy hahaizany mampanjaka Azy amim-panetrentena.
* Ireo filoham-panjakana rehetra dia tokony hanomana ny hahatongavan’i Kristy eo amin’izao tontolo izao; koa mivavaha mba hampian’Andriamanitra izy hahafantatra izany sy hahatontosa azy amin-kerim-po.
* Sarotra amin’ireo tena tsy ampy fivelomana ny handre ny antson’i Kristy; koa mivavaha mba hiaiky ny kristianina fa manana adidy amin’ireo rehetra mijaly.
* Maro ny olona ankehitriny no velom-panontaniana raha Ilay ambaran’ny Eglizy no tena antenain’izao tontolo izao sy andrasany; koa mivavaha mba ho hitany no amin’ny fiainantsika i Kristy ilay iriny.
* Batemy fanadiovana sy fibebahana no nataon’i Joany, ka mivavaha mba ho tena fanadiovana sy fibebahana ho antsika izao fanomanana ny Noely izao.


— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana sy eran-tany.


Tompo ô, iraho izahay ho feonao miantso eo amin’ny efitr’izao tontolo izao ankehitriny, ary ampio tsy ho kivy, na be aza ireo tsy miraika na mamela anay ho irery; ka enga anie ny fiainanay tontolo ho fanambaràna Anao.

Fa Ianao velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.


Vavaka Fanolorana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo: enga anie ho tontosa soa aman-tsara ity Sorom-panompoana ity, ka hiteraka izay vokatra nokendrenao tamin’ny namoronanao azy sy hahazoanay tsy misy tomika ny famonjena.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Fiavian’ny Tompo II.


Kômonio

Iz. 35, 4

Ilazao ireo very hevitra hoe: Mahereza fo ary aza matahotra; indro fa ny Andriamanitsika no ho avy ary hamonjy antsika Izy.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Tompo mora fo: enga anie izao Kômonio masina izao handio anay ho afaka amin’ny haratsianay ka hanomana anay ho mendrika ilay androm-pifaliana ho avy.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0083