Sorona Masina ny Alakamisy 10 desambra 2020

Herinandro faharoa - Fahatongavan’ny Tompo

ALAKAMISY

Tononkira fidirana

Salamo 118, 151-152


Indro akaiky Ianao, ry Tompo, ary fahamarinana ny lalana alehanao, ka fantatro hatramin’ny ela fa mandrakizay Ianao araka ny fanambarànao.


Fangatahana

Hetseho, ry Tompo, ny fonay hanomana ny lalan-komban’ny Zanakao Lahitokana, ary ny fahatongavany anie hahamendrika anay hanompo Anao amin’ny fanahy madio.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Bokin’i Izaia Mpaminany

Iz. 41, 13-20


Izaho no Mpamonjy anao, Ilay Masin’i Israely.

Izaho no Tompo Andriamanitrao mitantana anao amin’ny tanana an-kavanana, milaza aminao hoe: “Aza matahotra, izaho no tonga mamonjy anao.” Aza matahotra, ry kankana avy amin’i Jakôba, ry olom-bitsy sisa tamin’i Israely! fa Izaho no tonga mamonjy anao — teny marin’ny Tompo — ary Ilay Masin’i Israely no mpanavotra anao. Indro ataoko ambaràmba maranitra ianao, sady vao no marani-daniroa, hodiovinao ny tendrombohitra sy hotorotoroinao, ary hampanjarianao akofa ny havoana. Hokororohinao izy, ka hopaohin’ny rivotra sy haelin’ny ranonoram-baratra. Fa ianao kosa hientan-kafaliana amin’ny Tompo, ary Ilay Masin’i Israely no hireharehanao. Ireo ory sy mahantra, izay mitady rano fa tsy mahita, ka mainan’ny hetaheta ny lelany, dia Izaho Tompo no hihaino azy. Izaho Andriamanitr’i Israely tsy handao azy. Hampiboiboika renirano, eo amin’ny tendrombohitra mangadihady Aho, ary loharano eo afovoan’ny lohasaha: hovako ho farihy ny efitra, ary ho loharano miboiboika ny tany karankaina. Ny efitra hampaniriako sedera, akasià, mirta sy ôliva; hataoko indray maniry eo amin’ny tany lava volo ny sipresa, platana, ary boisy. Mba ho hitany sy ho fantany ary hodinihiny sy hiarahany mahalala, fa ny tanan’ny Tompo no nanao izany, ary Ilay Masin’i Israely no nahary izany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 144, 1 sy 9. 10-11. 12-13ab


Fiv.: Antra sy mangoraka ny Tompo, tsy malaky tezitra ary be hatsaram-po.

Manandratra Anao aho, ry Andriamanitra Mpanjaka, sy misaotra ny Anaranao, ry ilay Mandrakizay! Tsara amin’ny olon-drehetra ny Tompo; mambomba ny asany rehetra ny fangorahany.
Tompo ô, midera Anao ny asanao rehetra! Misaotra Anao ny mpivavaka aminao! Miresaka ny voninahitry ny Fanjakanao izy ireo, sy miteny ny asanao mahery.
Mba ho fantatry ny olombelona ny asanao mahery, ny voninahitra sy harevaky ny fanjakanao! Fanjakana mandrakizay tokoa ny fanjakanao; amin’ny taona mifandimby ny fifehezanao.


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Asehoy anay, ry Tompo, ny hatsaram-ponao, ary omeo anay ny famonjena avy aminao.

Aleloia.


Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 11, 11-15


Mbola tsy nisy nitsangana izay lehibe noho i Joany Batista.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka nanao hoe: “Lazaiko aminareo marina tokoa fa amin’izay natera-behivavy mbola tsy nisy nitsangana izay lehibe noho i Joany Batista; kanefa izay kely indrindra amin’ny fanjakan’ny lanitra no lehibe noho izy. Ary hatramin’ny andron’i Joany Batista no ho mankatý dia azo an-keriny ny Fanjakan’ny lanitra, ka ny mpanao an-keriny no mahazo azy. Fa ny Mpaminany rehetra sy ny Lalàna dia naminany hatramin’i Joany, ary raha mety mino ianareo dia izy no ilay Elia ho avy. Izay manan-tsofina hihainoana aoka hihaino.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Mba raiso, ry Tompo, ireo fanatitra atolotray avy amin’ny zava-tsoa nomenao, ka enga anie izay nomaninao hanompoanay Anao etý an-tany mba hahazoanay ny fanavotana mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Fahatongavan’ny Tompo I


Kômonio

Tit. 2, 12-13

Miezaha mba ho marina sy masina isika amin’itý fiainana itý, fa miandry ny hasambarana antenaintsika, sy ny fiavian’Andriamanitra be voninahitra.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Tompo: enga anie hahasoa anay ny fandraisanay Kômonio matetika fa nataonao ho anay eto ampovoan’ny zava-mandalo eto an-tany ka naorinao ankehitriny mba hitiavanay ny any an-danitra sy hifikiranay amin’ny maharitra mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0685