Sorona Masina ny Zoma 04 desambra 2020

Herinandro voalohany - Fahatongavan’ny Tompo

ZOMA

Tononkira fidirana


Indro fa ho avy ny Tompo be voninahitra hamangy ny vahoakany sy hitondra fiadanana ary hanolotra ny fiainana mandrakizay.


Fangatahana

Mba asehoy ny herinao, ry Tompo, ka tongava. Tahio izahay ho afaka amin’ny loza mananontanona vokatry ny fahotanay, ary rahefa navotanao, dia mba omeo ny famonjena.

Fa Ianao Andriamanitra velona sy manjaka miaraka amin’Andriamanitra Ray ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Bokin’i Izaia Mpaminany

Iz. 29, 17-24


Amin’izany andro izany, hahiratra ny mason’ny jamba.

Izao no lazain’ny Tompo Andriamanitra: Tsy vetivety foana va dia ho zary saha misy hazo mamoa i Libàna, ary ny saha misy hazo mamoa dia atao ho ala? Amin’izany andro izany, ny marenina handre ny tenin’ny boky ary ny jamba hivoaka amin’ny haizina amana haizim-pito ka hahita. Ny manetry tena hitombo hafaliana hatrany amin’ny Tompo, ary ny mahantra indrindra hientan-kafaliana ao amin’Ilay Masin’i Israely. Satria lasa tsy hita intsony ny mpampahory ary maty ny mpaniratsira, ary ho ringana izay rehetra mamoron-tsain-dratsy, dia ireo manameloka olona noho ny teniny indraim-bava; mamela-pandrika ho an’izay namaky betroka azy eo am-bavahady; ary mamery ny marina amin’ny laingany.

Noho izany, izao no lazain’ny Tompo amin’ny taranak’i Jakôba, dia Izy izay nanavotra an’i Abrahama: “Tsy hisy hahamenatra an’i Jakôba intsony, tsy hivaloarika intsony ny handriny. Fa izy sy ireo taranany, rahefa mahita ny asan’ny tanako eo aminy, dia hanamasina ny Anarako izy ireo, hanamasina an’Ilay Masin’i Jakôba izy ireo, ary hanaja ny Andriamanitr’i Israely. Ireo mivily saina, hianatra fahendrena, ary ireo mimonomonona, handray fampianarana.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 26, 1. 4. 13-14


Fiv.: Ny Tompo no fanilo sy vonjiko.

Ny Tompo no Fanilo sy Vonjiko: iza no hatahorako? Ny Tompo no Mandan’ny aiko: zovy no hangovitako?
Fangatahana tsy mahasasatra ahy, sy tozoiko indrindra, ry Tompo, dia ny honina ao an-Tranon’ny Tompo amin’ny andro rehetra iainako.
Eny, matoky aho fa hahita ny hasoan’ny Tompo any amin’ny Tanin’ny Velona! Mahandrasa ny Tompo, marisiha! Mahereza fo, mahandrasa ny Tompo!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Indro avy ny Tompontsika miaraka amin’ny heriny, ary hohazavainy ny mason’ireo mpanompony.

Aleloia.


Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 9, 27-31


Nino an’i Jesoa ireo jamba roa lahy nahiratra.

Tamin’izany andro izany, dia nisy jamba roa lahy nanaraka an’i Jesoa teny an-dalana sady niantso mafy nanao hoe: “Ry Zanak’i Davida ô, mamindrà fo aminay!” Nony tonga tany an-trano Izy, dia nanatona Azy ireto jamba, ary hoy i Jesoa taminy: “Moa mino ianareo fa mahay manao izany Aho?” Hoy ireo taminy: “Eny, Tompoko.” Dia notendreny ny masony, ka hoy Izy: “Aoka ho tanteraka aminareo araka ny finoanareo.” Dia nahiratra ny masony, ary i Jesoa nandrara azy mafy hoe: “Tandremo sao ren’olona izao.” Kanjo nony nandeha ireo, dia nampiely ny lazany tamin’izany tany rehetra izany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo: enga anie hampitony Anao ny vavaka aman-tolotra ataonay amim-panetren-tena, ary satria tsy azonay ianteherana ny soa mba vitanay, dia vonjeo fanampiana izahay noho ny hatsaram-ponao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Fahatongavan’ny Tompo I


Kômonio

Fil. 3, 20-21

I Jesoa Kristy Tompo sady Mpamonjy no andrasantsika, Ilay hanova ny vatantsika mora simba hitovy amin’ny Vatany be voninahitra.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Avy nihinana ny hanim-panahy izahay, ry Tompo, ka mitalaho an-tanan-droa aminao: enga anie izahay nahazo anjara tamin’izany mistery izany mba hampianarinao hahay mandanjalanja ny zavatry ny tany araka ny hevitrao sy hifikitra amin’ny zavatry ny lanitra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0082