Sorona Masina ny Alatsinainy 30 novambra 2020

30 Nôvambra

Md. ANDRÉ, Apôstôly

(Taonjato voalohany)

 

Fankalazana

Rahalahin’i Simôna Piera i André ary teny am-panjonoana izy roa lahy no nantsoin’i Jesoa hanaraka Azy, dia tsy nisalasala nandao ny haratony. Samy mpanarato, samy Apôstôly, ary samy nofantsihana tamin’ny hazofijaliana no nahafaty azy, i Piera tany Rôma, i André tany Patras (Gresy) akaikin’i Constatinople, araka ny voalazan’ny tantara.
I Md. Piera moa Mpiaro an’i Rôma, ary i Md. André kosa, Mpiaro an’i Constantinople. Fiangonana mpirahavavy ireo, arovan’ny Apôstôly mpirahalahy. Araka ny hitantsika ankehitriny dia manomboka mifanatona ny Fiangonana samihafa finoana eran-tany.
Mivavaha isika mba ho tontosa ny firaisan’i Rôma sy i Constantinople ary ny Fiangonana kristianina rehetra eran’izao tontolo izao.

 

Tononkira fidirana

Mt. 4, 18-19

Nandalo teny amoron’ny ranomasin’i Galilea ny Tompo no nahita an’i Piera sy André mirahalahy, ary niantso azy ireo nanao hoe: ndao hanaraka Ahy, fa hataoko mpanarato olona ianareo.

 

Asiana Voninahitra anie ...

 

Fangatahana

Mitalaho an-tanan-droa aminao izahay, ry Tompo Avo indrindra: enga anie i Masindahy André Apôstôly nampianatra sy nitantana ny Eglizinao mba hitalaho ho anay lalandava.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay... Amen.

 

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny Kristianina tany Rôma

Rôm. 10, 9-18

 

Avy amin’ny toriteny ny finoana, ary avy amin’ny tenin’Andriamanitra ny toriteny.

Ry kristianina havana, raha manaiky amin’ny vavanao ianao fa i Jesoa no Tompo, sy mino amin’ny fonao fa Andriamanitra nanangana Azy ho velona, dia ho voavonjy ianao. Satria ny finoana amin’ny fo no ahazoana fahamarinana; ary ny fanekena amin’ny vava no ahazoana famonjena, araka ny tenin’ny Soratra Masina hoe: “Izay mino Azy tsy mba ho menatra.” Tsy misy hafa na Jody na Jentily, satria ny Tompo iray no iombonan’izy rehetra, manan-karena ho an’izay rehetra miantso Azy; fa izay rehetra hiantso ny Anaran’ny Tompo no hovonjena. Hatao ahoana àry no fiantso izay mbola tsy ninoana? Hatao ahoana no fino izay mbola tsy re? Hatao ahoana no fandre raha tsy misy mitory? Ary hatao ahoana no fitory raha tsy misy irahina? araka ny voasoratra hoe: “Endrey ny hatsaran’ny tongotr’ireto mitory hasambarana!” Tsy ny rehetra anefa no nanaiky ny Evanjely, araka ny tenin’i Izaia hoe: “Tompo ô, iza no nino ny teny notorìnay?” Koa avy amin’ny toriteny ny finoana; ary avy amin’ny tenin’Andriamanitra ny toriteny. Fa hoy izaho: “Sao dia tsy nandre izy ireo?” Tsy izany akory: lasa nanerana ny tany rehetra ny feony, ary tonga hatramin’ny fara vazan-tany ny teniny.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Salamo fandinihana

Sal. 18, 2-3. 4-5

 

Fiv.: Ny soratra ataony no tsinjo eran-tany.

Ny lazan’ny Tompo ambaran’ny lanitra, ny asany kosa torìn’ny habakabaka. Ny andro milaza amin’andro manaraka; ny alina indray mitantara amin’ny alina.
Tsy teny lazainy, tsy volana ambarany; tsy feo mba manako ho renesin’ny sofina. Kanefa dia tsinjo eran-tany ny baikony; miely tsy tana ny hafatra entiny.

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aieloia.

Avia hanaraka Ahy, hoy ny Tompo fa hataoko mpanarato olona ianareo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 4, 18-22

 

Nandao ny haratony niaraka tamin’izay izy ireo ka nanaraka Azy.

Tamin’izany andro izany, nitsangantsangana teny amoron-dranomasin’i Galilea i Jesoa, ary nahita olona mirahalahy, dia i Simôna ilay atao hoe Piera sy i André rahalahiny, nanarato teo amin’ny ranomasina, fa mpanarato izy ireo. Dia hoy Izy taminy: “Avia hanaraka Ahy, fa hataoko mpanarato olona ianareo.” Dia nandao ny haratony niaraka tamin’izay izy ireo, ka nanaraka Azy. Dia mbola nandroso ihany Izy, ka nahita olona mirahalahy hafa koa, dia i Jakôba zanak’i Zebede sy i Joany rahalahiny izay teo an-tsambo niaraka tamin’i Zebede rainy, nanamboatra ny haratony; ary nantsoiny izy mirahalahy. Nandao ny haratony sy ny rainy niaraka tamin’izay izy ireo, ka nanaraka Azy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Vavaka Fanolorana

Ry Andriamanitra Andriananahary ô, aoka ny fanatitra atolotray hankalazana an’i Masindahy André mba horaisinao sy hankasitrahanao hampitony Anao sy hahavelona anay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Prefasy: Apôstôly I

 

Kômonio

Jo. 1, 41-42

Hoy i André tamin’i Simôna rahalahiny hoe: «Efa hitanay ny Mesia, Ilay atao hoe Kristy.» Ary dia nitondra azy ho any amin’i Jesoa izy.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, hankahery anay anie ny Kômonio masina; ary namela ohatra ho anay i Masindahy André Apôstôly, ka enga anie izahay hiara-maty amin’i Kristy mba hiara-belona aminy any amin’ny voninahitra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


 
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0082