Sorona Masina ny Zoma 27 novambra 2020

Herinandro faha-34 mandavantaona

ZOMA


Tononkira fidirana

Sal. 84, 9


Hampanantena fiadanana ho an’ny vahoakany ny Tompo, ho an’ny mpivavaka aminy, ho an’ireo mampitodika ny fony any aminy.


Fangatahana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, herezo ny sitraponay vahoakanao hikezahanay hampahavokatra ny fahasoavanao ka hahitanay fitahiana bebe kokoa avy amin’ny hatsaram-ponao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Boky Fanambarana nosoratan’i Md. Joany Apôstôly

Apôk. 20, 1-4. 11 — 21, 2


Notsaraina araka ny asany avy ny maty rehetra. Indro hitako nidina avy any an-danitra i Jerosalema vaovao.

Izaho Joany nahita anjely anankiray nidina avy any an-danitra, izay nitana ny fanalahidin’ny lavaka tsy hita noanoa sy rojo vy lehibe anankiray teny an-tanany. Nosamborin’izy io ny Dragona, ilay menarana antitra, dia ny demony sy i Satana, ka nafatony arivo taona, dia nazerany tao amin’ny lavaka tsy hita noanoa, ary nohidiany tao sy nasiany tombo-kase teo amboniny, mba tsy hamitahany firenena maro intsony, mandra-pahatapitry ny arivo taona; fa rahefa afaka izany dia tsy maintsy hovahana kelikely indray izy aloha. Dia nahita seza fiandrianana maro aho, izay nipetrahan’olona nahazo fahefana hitsara, sy nahita ny fanahin’ireo notapahin-doha noho ny fanambaran’i Jesoa sy noho ny tenin’Andriamanitra, mbamin’ny an’ireo tsy nivavaka tamin’ny Biby na tamin’ny sariny, sy tsy nandray ny mariny na tamin’ny handriny na tamin’ny tanany, fa efa velona ireo ka niara-nanjaka arivo taona tamin’i Kristy.

Rahefa izany, indro hitako itý seza fiandrianana lehibe fotsy mamirapiratra, sy Ilay mipetraka eo amboniny; ka ny tany sy ny lanitra nandositra ny tavany, fa tsy nisy hitoerany intsony; ny maty rehetra koa, na kely na lehibe, hitako nitsangana teo anoloan’ny seza fiandrianana. Dia nisy boky maro novelarina, ary nisy boky iray hafa koa novelarina, dia ny bokin’ny fiainana izany; ka notsaraina araka izay voasoratra tamin’ireo boky ireo, manaraka ny asany avy, ny maty rehetra. Ny ranomasina namoaka ny maty tao aminy; ny Fahafatesana sy ny Fonenan’ny maty koa namoaka ny azy, dia samy notsaraina araka ny asany avy izy. Ary ny fahafatesana sy ny afobe dia natsipy tany amin’ny farihy afo: — izany no fahafatesana faharoa: ny farihy afo. Ka izay rehetra tsy voasoratra tao amin’ny bokin’ny fiainana dia natsipy tany amin’ny farihy afo avokoa.

Ary nahita lanitra vaovao sy tany vaovao aho; fa efa lasa ny lanitra voalohany, sy ny tany voalohany, ary tsy nisy intsony koa ny ranomasina. Dia indro hitako nidina avy any an-danitra ny tanàna masina avy any amin’Andriamanitra, dia i Jerosalema vaovao, voahaingo toy ny vehivavy ampakarina, voaomana hihaona amin’ny vadiny.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 83, 3. 4. 5-6a sy 8a


Fiv.: Indro ny tranolain’Andriamanitra tonga eny amin’ny olona.

Manembona Anao lalandava ny foko. Misento maniry ny kianjanao. Endrey velon-kira mihoby ny foko, mientana, faly miandra Azy Tompo.
Ny voromanidina ireny tsy lao, ireo sidintsidina mbamin’ny fody, mitoetra manila ny Otelinao, ry Tompo Mpanjakan’ny tany tontolo.
Endrey ny hasanbaran’ny vahoakanao, mihoby, midera tsy tapaka Anao. Miravo tokoa ’zay mitoky aminao, mavitrika, tojo ny lalan-kombana.


Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Bokin’i Daniely Mpaminany

Dan. 7, 2-14


Indro nisy toy ny Zanak’alona teny ambony rahon’ny lanitra.

Tamin’izany andro izany, dia niteny i Daniely ka nanao hoe: “Nahita tamin’ny fahitako tamin’ny alina aho, ka indro nibosesika tamin’ny ranomasina lehibe ny rivotra avy amin’ny vazantany efatra: ary niakatra avy ao amin’ny ranomasina ireto biby efatra lehibe samihafa. Ny voalohany hoatra ny liona, sady nanana ela-boromahery. Nibanjina teo aho mandra-panongotra ny elany sy nipaohana azy avy tamin’ny tany sy nampijoroana azy tamin’ny tongony hoatra ny olona ary nomena fon’olombelona izy. Dia indro koa biby hafa, dia ny faharoa, hoatra ny orsa, niainga ny ilatenany, nisy taolana tehezana telo teny am-bavany, tanelanelan’ny nifiny, ary izao no nolazaina taminy: “Mitsangàna ianao, mihinàna nofo betsaka!” Manaraka izany, nijery aho, ka indro nisy biby hafa koa, hoatra ny leôparda, nanana ela-borona efatra teo an-damosiny; ary nanan-doha efatra izany biby izany, dia nomena azy ny fanapahana. Rahefa izany, nijery tamin’ny fahitana amin’ny alina aho, ka indro nisy biby fahefatra mahatsiravina, mampihoron-koditra, ary mahery indrindra; nana-nify vy lehibe izy io, nihinana sy nikepokepoka, ka ny sisa tsy lany nohoseny tamin’ny tongony; hafa noho ireo biby rehetra talohany izy, nanan-tandroka folo. Nodinihiko ireo tandroka, ka indro nisy tandroka hafa kely nipoitra eo amin’izy ireo, ary nombotan’io ny telo tamin’ireo tandroka taloha, ary indro fa nana-maso hoatra ny mason’olona sy vava nilaza zava-dehibe itý tandroka itý.

Nijery aho, mandra-pametraka ny seza fiandrianana, izay nipetrahan’ny Anti-dahy anankiray; fotsy hoatra ny oram-panala ny fitafiany; tahaka ny volon’ondry madio ny volon-dohany; lelafo ny seza fiandrianany; afo mirehitra ny kodiarany; ny afo no nivoaka nisononoka avy eo anatrehany, arivoarivo no nanompo azy, ary alinalina no nitsangana teo anatrehany. Dia nipetraka ny Mpitsara ka novelarina ny boky. Nijery aho tamin’izay noho ny fireondreon’ny teny mihoa-pampana nolazain’ilay tandroka. Nijery aho mandra-pamono ilay biby, sy nandevonana ny tenany natao teo amin’ny lelafo. Ireo biby hafa koa efa nesorina taminy ny fanapahany; ary noferana ny halavan’ny andro iainany, mandra-piavin’ny andro amam-potoana.

Nijery tamin’ny fahitana amin’ny alina aho, ka indro nisy toy ny Zanak’Olona tamy teny ambonin’ny rahon’ny lanitra; nandroso Izy nankeo amin’ilay Anti-dahy, ka nentina ho eo anatrehany; dia nomena Azy ny fanapahana, sy ny voninahitra amam-panjakana, ary nanompo Azy avokoa ny vahoaka amam-pirenena sy ny samihafa fiteny rehetra. Fanapahana mandrakizay tsy manam-pahataperana ny fanapahany, ary tsy ho levona na oviana na oviana ny fanjakany.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Dan. 3, 75. 76. 77. 78. 79. 80. 81


Fiv.: Ankalazao sy asandrato indrindra mandrakizay Izy.

Isaory ny Tompo, ry tendrombohitra sy havoana; derao Izy ary ankalazao mandrakizay.
Isaory ny Tompo, ry tendrombohitra sy havoana! Isaory ny Tompo, ry zavamaniry rehetra eran-tany.
Isaory ny Tompo, ry loharano! Isaory ny Tompo, ry ranomasina sy ony.
Isaory ny Tompo ry trozona sy izay mihetsika anaty rano! Isaory ny Tompo, ry voron’ny lanitra rehetra!
Isaory ny Tompo, ry biby fiompy sy bibidian’ny tany! Ankalazao sy asandrato indrindra mandrakizay.


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Miandrandrà ka asandrato ny lohanareo, fa efa akaiky ny fanavotana anareo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 21, 29-33


Raha vao hitanareo fa tonga izany zavatra izany, dia fantaro fa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ireo mpianany nanao hoe: “Jereo ny aviavy sy ny hazo rehetra: raha vao hitanareo fa manaroka izy, dia fantatrareo fa akaiky ny fahavaratra. Toy izany koa raha vao hitanareo fa tonga izany zavatra izany, dia fantaro fa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra. Lazaiko marina aminareo fa tsy ho lany itý taranaka itý ambara-pahatongan’izany rehetra izany. Ho levona ny lanitra sy ny tany, fa ny teniko tsy mba ho levona.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Mba raiso, ry Tompo, ny fanatitra masina nasainao atolotra hanajana ny Anaranao ary ataovy mitandrina mandrakariva ny didinao izahay mba ho sitrakao ny fonay manolotra izao Sorona izao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 116, 1-2

Derao ny Tompo, ry firenen-drehetra, fa aminay tsy mba lefy ny hatsaram-pony.


na hoe:

Mt. 28, 20

Indro Aho eo aminareo mandrakariva, hoy ny Tompo, ambara-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Andriamanitra Andriananahary, fa sambatra nahazo anjara tamin’ny zava-masina ka aza avela hisaraka aminao na oviana na oviana.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0171