Sorona Masina ny Alakamisy 26 novambra 2020

Herinandro faha-34 mandavantaona

ALAKAMISY


Tononkira fidirana

Sal. 84, 9


Hampanantena fiadanana ho an’ny vahoakany ny Tompo, ho an’ny mpivavaka aminy, ho an’ireo mampitodika ny fony any aminy.


Fangatahana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, herezo ny sitraponay vahoakanao hikezahanay hampahavokatra ny fahasoavanao ka hahitanay fitahiana bebe kokoa avy amin’ny hatsaram-ponao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Boky Fanambarana nosoratan’i Md. Joany Apôstôly

Apôk. 18, 1-2. 21-23 ; 19, 1-3. 9a


Rava i Babilôna lehibe.

Hitako izaho Joany, nidina avy any an-danitra itý Anjely nanam-pahefana lehibe, sy nanazava ny tany tamin’ny voninahiny. Niantso tamin’ny feo mahery izy, nanao hoe: “Rava, rava i Babilôna lehibe, ka tonga fonenan’ny demony, sy fitoeran’ny fanahy maloto rehetra ary fieren’ny vorona maloto halan’ny olona rehetra!”

Tamin’izay dia nisy Anjely anankiray, naka vato hoatra ny vato lehibe fikosohan-dafarinina, ka nanipy azy tany anaty ranomasina, nanao hoe: “Hazera tampoka hoatra izany i Babilôna tanàna lehibe, ka tsy ho hita intsony! Dia tsy ho re ao aminao intsony ny feon’itý mpitendry harpa, sy ny mpitsoka mozika mbamin’ny mpitsoka sodina sy trômpetra. Ny mpanao taozavatra rehetra tsy ho hita eo aminao intsony, ary ny feon’ny vato fikosohan-dafarinina tsy ho re ao intsony koa. Ny fahazavan’ny jiro tsy hamirapiratra ao aminao intsony, ary ny feon’ny mpampakatra sy ampakarina tsy ho re ao aminao intsony; satria ny mpandrantonao dia lehiben’ny tany, ary ny ody fandrebirebenao no nampivily ny firenena rehetra.”

Rahefa izany, dia nisy hoatra ny feom-bahoaka betsaka tany an-danitra, reko nanao hoe: “Aleloia! An’Andriamanitra ny famonjena sy ny voninahitra ary ny hery, fa marina sy mahitsy ny fitsarany, satria Izy nanameloka ilay Vehivavy janga malaza izay nandoto ny tany tamin’ny fijangajangany, sy namely an’io noho ny ran’ny mpanompony izay nalatsaky ny tanany.” Dia naverin’izy ireo fanindroany indray ny hoe: “Aleloia!” Ary niakatra mandrakizay mandrakizay ny setroky ny tanàna. Dia hoy ilay Anjely tamiko: “Soraty: Sambatra izay nasaina ho amin’ny fampakaram-badin’ny Zanak’ondry.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 99, 2. 3. 4. 5


Fiv.: Sambatra izay nasaina ho amin’ny fampakaram-badin’ny Zanak’ondry.

Fo falifaly anompoana ny Tompo, tongava eo aminy mihira miravo.
Ekeo fa ny Tompo no Andriamanitra: fa Azy isika satria noarìny sy tena vahoakany, ondry fiandriny.
Ireo vavahadiny idiro amin-tsaotra, ny ao an-kianjany idiro amin-dera. Derao Izy Tompo: ny Anarany isaory.
Miaiky isika fa tsara ny Tompo, fa mandrakizay ny fitiavany antsika. Amin’ny taona rehetra ny fahamarinany.


Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Bokin’i Daniely Mpaminany

Dan. 6, 12-28


Naniraka ny anjeliny Andriamanitra nanakombona ny vavan’ny liona.

Tamin’izany andro izany, dia avy nirodorodo ny olona ka nahita an’i Daniely nivavaka sy niantso an’Andriamanitra Tompony; dia nanatona ny mpanjaka sy niteny taminy ny amin’ilay didim-panjakana izy ireo nanao hoe: “Moa tsy nanoratra lalàna ianao fa na zovy na zovy mivavaka amin’andriamanitra na amin’olombelona, afa-tsy aminao irery mandritra ny telopolo andro, ry mpanjaka, dia hatsipy ao an-davaky ny liona?” Namaly ny mpanjaka nanao hoe: “Marina tokoa izany, araka ny lalàn’ny Meda sy ny Persa izay tsy azo ovàna.” Dia niteny indray izy ireo, ka nilaza teo anatrehan’ny mpanjaka hoe: “I Daniely anankiray amin’ireo babo avy amin’i Jodà anefa, ry mpanjaka, namotsifotsy anao, sy ny didy nosoratanao; fa manao ny fivavahany intelo isan’andro.” Nalahelo mafy ny mpanjaka nony nandre izany; raikitra tao am-pony ny hanafaka an’i Daniely, ka mandra-pilentiky ny masoandro izy, nitady hamonjy azy ihany. Fa nirodorodo nankao amin’ny mpanjaka ireo olona ireo, ka nanao tamin’ny mpanjaka hoe: “Aoka ho fantatrao, ry mpanjaka ô, fa lalàn’ny Meda sy ny Persa ny tsy ahazoana manova ny didy aman-dalàna rehetra efa navoaky ny mpanjaka.” Tamin’izay ny mpanjaka nanome teny hitondra an’i Daniely sy hanipy azy ao an-davaky ny liona. Niteny ny mpanjaka, ka nanao tamin’i Daniely hoe: “Ny Andriamanitrao izay tompoinao mandrakariva anie, no hanafaka anao!” Dia nalaina ny vato natampina ny vava lavaka, ka nasian’ny mpanjaka fitomboka tamin’ny fanombohan-kaseny sy ny fanombohan-kasen’ireo andriantompomenakeliny, mba tsy hisy hovana ny amin’i Daniely.

Avy eo ny mpanjaka dia nankany an-dapany tsy nitendry hanina mandritra ny alina, tsy nampiantso vehivavy ho eo aminy, ary lasa lavitra azy ny torimaso. Vao marainakoa ilay nangiran-dratsy iny ny andro dia niarina ny mpanjaka, ka nidodododo nankany an-davaky ny liona. Nony mby teo akaikin’ny lavaka izy, niantso an’i Daniely tamin’ny feo malahelo, ary niteny ny mpanjaka ka nanao tamin’i Daniely hoe: “Ry Daniely mpanompon’Andriamanitra velona ô; nahavonjy anao tamin’ny liona va ny Andriamanitrao tompoinao mandrakariva?” Dia niteny tamin’ny mpanjaka i Daniely: “Ry mpanjaka ô, velona mandrakizay anie ianao! Ny Andriamanitro efa naniraka ny anjeliny ka nanakombona ny vavan’ny liona ka tsy naninona tsy naninona ahy akory ireo, satria hita fa tsy manan-tsiny eo anatrehany aho, sady tsy nanao ratsy teo anatrehanao koa aho, ry mpanjaka o!” Faly dia faly ny mpanjaka ny amin’i Daniely ka nasainy nesorina tao an-davaka i Daniely. Dia nesorina tao an-davaka i Daniely, ka tsy nisy ratra kely akory hita tao aminy, satria nino ny Andriamanitra Tompony izy. Fa nandidy kosa ny mpanjaka, ka ireo olona nilaza ratsy an’i Daniely dia nalaina ary natsipy tao an-davaky ny liona izy mbamin’ny vady aman-janany. Ka mbola tsy nipaka tamin’ny vodilavaka akory dia noraisin’ny liona, ary notapatapahiny ny taolany rehetra.

Tamin’izay i Dariosa mpanjaka nanoratra ho any amin’ny foko amam-pirenena rehetra mbamin’ny samihafa fiteny, izay monina eto ambonin’ny tany nanao hoe: “Hitombo fiadanana anie ianareo! Lalàna avoakako ny mba hatahorana sy hangovitan’ny olona eo anatrehan’ny Andriamanitr’i Daniely eran’ny fanjakako rehetra, fa Izy no Andriamanitra velona, maharitra mandrakizay, ny fanjakany tsy mba ho rava, ary ny fifehezany tsy hanam-pahataperana. Manafaka sy mamonjy Izy ary manao famantarana amam-pahagagana eny an-danitra sy etý an-tany. Izy no nanafaka an’i Daniely tamin’ny hohon’ny liona.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo: Dan. 3, 68. 69. 70. 71. 72. 73, 74


Fiv.: Ankalazao sy asandrato indrindra mandrakizay Izy.

Ry ando aman’erika: isaory ny Tompo! Ry rano sy havandra: isaory ny Tompo!
Fanala sy zavona: isaory ny Tompo! Antoandro sy alina: isaory ny Tompo!
Mazava sy maizina: isaory ny Tompo! Ry raho-mamiratra: isaory ny Tompo
Ry tany tontolo: isaory ny Tompo! Tongava hihoby: isaory ny Tompo!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Miandrandrà, ka asandrato ny lohanareo; fa efa akaiky ny fanavotana anareo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 21, 20-28


Nohitsakitsahin’ny Jentily i Jerosalema mandra-pahafenon’ny andron’ny Jentily.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: “Rahefa hitanareo voahodidin’ny miaramila i Jerosalema, dia fantaro amin’izany fa efa antomotra ny fandravana azy, ka amin’izany, izay any Jodea aoka handositra any an-tendrombohitra, izay ao an-tanàna aoka hivoaka any ivelany, ary izay any an-tsaha aoka tsy hiditra ao an-tanàna intsony, satria izany andro izany no ho andro famaizana sy hahatanterahan’izay rehetra voasoratra. Loza ho an’ny bevohoka sy ny mitaiza kely amin’izany andro izany, fa ho lehibe tokoa ny fahoriana eto an-tany, ary ho mafy ny hatezeran’Andriamanitra amin’itý firenena itý: haringana amin’ny lela sabatra izy, sy ho lasan-ko babo any amin’ny firenena rehetra, ary hohitsakitsahin’ny Jentily i Jerosalema mandrapahafenon’ny andron’ny Jentily. Hisy famantarana koa eny amin’ny masoandro sy ny volana ary ny kintana, ary etý an-tany dia ho ory sy very hevitra ny firenena noho ny fikotrokotroky ny ranomasina sy ny onjany; ho ankona foana ny olona noho ny fahatahorany sy ny fiandrasany izay loza hanjò an’izao tontolo izao, fa hihozongozona ny herin’ny lanitra. Dia ho hita amin’izay ny Zanak’Olona avy any ambonin’ny rahona amim-pahefana sy voninahitra lehibe. Raha vao miantomboka izany zavatra izany, dia miandrandrà ka asandrato ny lohanareo, fa efa akaiky ny fanavotana anareo.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Mba raiso, ry Tompo, ny fanatitra masina nasainao atolotra hanajana ny Anaranao ary ataovy mitandrina mandrakariva ny didinao izahay mba ho sitrakao ny fonay manolotra izao Sorona izao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 116, 1-2

Derao ny Tompo, ry firenen-drehetra, fa aminay tsy mba lefy ny hatsaram-pony.


na hoe:

Mt. 28, 20

Indro Aho eo aminareo mandrakariva, hoy ny Tompo, ambara-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Andriamanitra Andriananahary, fa sambatra nahazo anjara tamin’ny zava-masina ka aza avela hisaraka aminao na oviana na oviana.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0083