Sorona Masina ny Alarobia 25 novambra 2020

Herinandro faha-34 mandavantaona

ALAROBIA


Tononkira fidirana

Sal. 84, 9


Hampanantena fiadanana ho an’ny vahoakany ny Tompo, ho an’ny mpivavaka aminy, ho an’ireo mampitodika ny fony any aminy.


Fangatahana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, herezo ny sitraponay vahoakanao hikezahanay hampahavokatra ny fahasoavanao ka hahitanay fitahiana bebe kokoa avy amin’ny hatsaram-ponao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Boky Fanambarana nosoratan’i Md. Joany Apôstôly

Apôk. 15, 1-4


Nohirain’izy ireo ny hiran’i Môizy sy ny hiran’ny Zanak’ondry.

Izaho Joany nahita famantarana hafa sady lehibe no mahagaga tany an-danitra, dia anjely fito nitondra loza fito farany, fa amin’ireo no hanaperana ny fahatezeran’Andriamanitra. Ary nahita toa ranomasina fitaratra miharo afo aho; ka izay nandresy ny Biby sy ny sariny ary ny isan’ny anarany, no nitsangana teo amoron’io ranomasina fitaratra io, mitana ny harp’Andriamanitra. Ny hiran’i Môizy mpanompon’Andriamanitra sy ny hiran’ny Zanak’Ondry no nohirain’izy ireo, ka hoy izy: “Lehibe sy mahagaga ny asanao, ry Tompo Andriamanitra tsitoha! Marina sy mahitsy ny lalànao, ry Mpanjakan’ny taona mandrakizay! Iza no tsy hatahotra sy hankalaza ny anaranao, Tompo ô? Fa Ianao irery no masina, ka ho avy hiankohoka eo anatrehanao ny firenena rehetra satria niseho miharihary ny fitsaranao!”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 97, 1. 2-3ab. 7-8. 9


Fiv.: Lehibe sady mahatalanjona ny asanao, ry Tompo Andriamanitra heni-pahefana.

Ihirao hira vao ny Tompo: fa nahavita zava-mahagaga! Namonjy Azy ny tanany havanana, nanampy Azy ny sandriny masina!
Ny Tompo nanambara ny famonjeny, sy naneho ny fahamarinany tamin’ireo firenena! Tsarovy, ry Tranon’i Israely, ny hatsaram-po sy fahamarinany!
Aoka hidobodoboka ny ranomasina sy izay mameno azy, izao rehetra izao sy izay monina ao aminy! Ny ony aoka hiteha-tanana; ny vohitra indray hanakora!
Mba hitsena ny Tompo izay tamy! Fa tamy Izy mba hitsara ny tany, hitsara ny tontolo araka ny rariny, sy ireo vahoaka araka ny hitsiny!


Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Bokin’i Daniely Mpaminany

Dan. 5, 1-6. 13-14. 16-17. 23-28


Nisy rantsan-tanan’olona niseho nanoratra.

Tamin’izany andro izany, nanao fanasana lehibe i Baltazara mpanjaka, ho an’ireo tompo-menakeliny arivo lahy: ary nisotro divay teo anatrehan’ireo arivo lahy izy. Nentanin’ny divay i Baltazara, dia nampaka ny kapoaka volamena sy volafotsy nalain’i Nabokôdônôzôra rainy, teny an-tempoly izay ao Jerosalema, mba hisotroan’ny mpanjaka aman-tompo-menakely mbamin’ireo vadiny sy vaditsindranony. Nony nentina ny kapoaka volamena nalaina teny an-tempolin’ny tranon’Andriamanitra, izay ao Jerosalema, dia nisotro tamin’izany ny mpanjaka, ny tompo-menakely, ny vadiny mbamin’ny vaditsindranony. Nisotro divay izy ireo ary nankalaza ny andriamaniny volamena sy volafotsy, varahina sy vy, ary vato aman-kazo.

Tamin’izay, dia nisy rantsan-tanan’olona niseho nanoratra tandrifin’ny fanaovan-jiro maro rantsana, teo amin’ny lalotra sokay amin’ny rindrin’ny lapan’ny mpanjaka, ary hitan’ny mpanjaka ny tendron’ny tanana nanoratra izany. Nivaloarika terý ny mpanjaka sady nampitebiteby azy ny eritreriny, nivahavaha ny famavanin’ny andilany, ary niady ny lohaliny. Dia nampidirina teo anatrehan’ny mpanjaka i Daniely. Ka niteny ny mpanjaka nanao tamin’i Daniely hoe: “Ianao va no ilay Daniely, isan’ny babo avy any Jodà, nentin’ny mpanjaka raiko avy any Jodea? Efa reko ny aminao, fa hoe ao anatinao ny fanahin’ireo andriamanitra sady ao aminao koa misy fahazavana amam-pahazavan-tsaina sy fahendrena mahagaga. Ary izaho efa nandre ny aminao fa mahay milaza hevi-javatra, sy mahavaly fanontaniana sarotra ianao; koa raha mahavaky io soratra io ianao, sy mahalaza amiko ny heviny dia hampitafìna jaky, hasiana rojo volamena ny vozonao, ary ho mpifehy fahatelo eto amin’ny fanjakako ianao.”

Dia niteny i Daniely, ka nanao, teo anatrehan’ny mpanjaka, hoe: “Aoka ho aminao ihany ny fanomezanao ary omeo ny hafa ny fanatitrao. Fa ny voasoratra hovakìko amin’ny mpanjaka ihany, ary ny heviny hampahalalaiko azy koa. Nitsangan-kanohitra ny Tompon’ny lanitra ianao, nentina teo anatrehanao ny kapoakan’ny tranony, ary nisotro divay tamin’izany ianao sy ny tompo-menakelinao mbamin’ny vadinao sy ny vaditsindranonao, noderainao ireo andriamanitra volafotsy, volamena, varahina, vy sy vato aman-kazo izay tsy mahita, na mahare, na mahalala na inona na inona akory; fa ilay Andriamanitra tompon’ny fofon’ainao sy iankinan’ny lalanao indray no tsy nankalazainao! Dia tamin’izany no nanirahana io tendron-tanana io avy amin’ny Anarany sy nandaharana izay voasoratra ao. Ary izao no soratra voalahatra: “Mene, Mené, Tekel, ary Parsin!” Ka izao no hevitr’ireo teny ireo: Mené (voaisa): nisain’Andriamanitra ny fanjakanao dia notaperiny. Tekel (voalanja): nolanjaina tamin’ny mizàna ianao, ka hita fa maivana. Parsin (voazara): hozaraina ny fanjakanao, ka homena ny Meda sy ny Persa.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo: Dan. 3, 62 sy 63. 64 sy 65. 66 sy 67


Fiv.: Derao Izy ary ankalazao mandrakizay.

Masoandro amam-bolana: isaory ny Tompo! Ry kintan’ny lanitra: isaory ny Tompo!
Ry andro aman’orana: isaory ny Tompo! E rivo-mahery: isaory ny Tompo!
Hain’andro sy afo: isaory ny Tompo! Fanala sy hatsiaka: isaory ny Tompo!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Mahareta ambara-pahafaty, hoy ny Tompo, dia homeko anao ny satro-boninahitry ny fiainana.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 21, 12-19


Ho halan’ny olona rehetra ianareo; nefa tsy hisy ho very na dia singam-bolo iray amin’ny lohanareo aza.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: “Hosamborina ianareo, hoenjehina, hoentina any amin’ny sinagôga sy any an-tranomaizina, ary hatolotra ny mpanjaka sy ny manam-pahefana noho ny Anarako. Izany no ho tonga aminareo, dia mba ho vavolombeloko ianareo. Koa alatsaho ao am-ponareo ny mba tsy hihevitra mialoha izay havalinareo akory; fa Izaho ihany no hanome vava anareo, sy fahendrena tsy ho azon’ny fahavalonareo toherina na lavina velively. Na ny ray aman-dreny sy ny rahalahinareo aza, mbamin’ny havana aman-tsakaizanareo dia hanolotra anareo koa, ka hovonoiny ny maro aminareo, ary ho halan’ny olona rehetra ianareo noho ny Anarako; nefa tsy hisy ho very na dia singam-bolo iray amin’ny lohanareo aza. Ny faharetanareo no hamonjenareo ny tenanareo.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Mba raiso, ry Tompo, ny fanatitra masina nasainao atolotra hanajana ny Anaranao ary ataovy mitandrina mandrakariva ny didinao izahay mba ho sitrakao ny fonay manolotra izao Sorona izao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 116, 1-2

Derao ny Tompo, ry firenen-drehetra, fa aminay tsy mba lefy ny hatsaram-pony.


na hoe:

Mt. 28, 20

Indro Aho eo aminareo mandrakariva, hoy ny Tompo, ambara-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Andriamanitra Andriananahary, fa sambatra nahazo anjara tamin’ny zava-masina ka aza avela hisaraka aminao na oviana na oviana.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0685