Sorona Masina ny Alahady 22 novambra 2020

ALAHADY FAHA-34 mandavantaona — A

Fankalazana manetriketrika an’I JESOA KRISTY MPANJAKAN’IZAO TONTOLO IZAO

NY HAMPANJAKA AN’I KRISTY NO MAHA-KRISTIANINA ANTSIKA

Tononkira fidirana

Apôk. 5, 12; 1, 6

Mendrika homena ny fahefana sy ny hasina fanome an’Andriamanitra ilay Zanak’ondry novonoina; Azy ny fahendrena sy ny hery omban-kaja. Ho Azy mandrakizay antaranoana anie ny voninahitra sy ny fanjakana.

 

Asiana VONINAHITRA ANIE...

 

Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, sitrakao ny hivondronan’ny zavatra rehetra ao amin’ny Zanakao malalanao Mpanjakan’izao tontolo izao; koa mihanta aminao izahay, ry Tompo mora fo: enga anie ny voaary rehetra afaka amin’ny fanandevozan’ny fahotana, tsy hitsahatra ny hanompo Anao sy hankalaza Anao Avo indrindra.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Bokin’i Ezekiela Mpaminany

Ezek. 34, 11-12. 15-17

Ny aminareo, ry ondriko, indro Aho hitsara, hanavaka ny ondry amin’ny ondry hafa.

Izao no lazain’ny Tompo Andriamanitra: Indro Izaho dia Izaho ihany no hiahy ny ondriko sy handinika azy. Toy ny fandinidiniky ny mpiandry ny ondriny, amin’ny andro hitsanganany eo amin’ireo ondriny mihahaka, no handinidinihako ny ondriko; ary hoesoriko izy ireo, hiala any amin’ny tany rehetra efa nielezany tamin’ny andro mandrahona sy manjombona. Izaho no hiandry ny ondriko, Izaho no hampandry azy; — teny marin’ny Tompo Andriamanitra. Ny very hotadiaviko; ny nania, haveriko; ny naratra, hotsaboiko; ary ny marary, hohatanjahiko; fa ny matavy sy ny matanjaka kosa haringako; handrasako ara-drariny izy ireo. Ary ny aminareo, ry ondriko, izao no lazain’ny Tompo Andriamanitra: Indro Aho hitsara, hanavaka ny reniondry sy ny reniondry; hanavaka ny ondralahy sy ny osilahy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Salamo fandinihana

Sal. 22, 1-2a. 2b-3. 5-6.

 

Fiv.: Sambatra anie aho, ka sambatra manana an’i Iaveh ho Mpiaro.

Ny Tompo miandry ahy: tsy orin’inoninona aho, fa ampiraotiny amin’ny vilo-maitso.
Entiny amin’ny rano manala sasatra, velombelominy noho ny Anarany, tarihiny amin’ny lala-marina.
Mandroso sakafo ho ahy Ianao eo anoloan’ny rafiko: ny loha andrarahanao ilo, ny kapoaka ataonao safomorona.
Hasambarana sy fitiavana no manjohy amin’ny fiainana tontolo; ny tranon’ny Tompo no ho fonenako amin’ny taona mifandimby.

 

VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasy voalohan’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty

1 Kôr. 15, 20-26a. 28

 

Atolony an’Andriamanitra Ray ny Fanjakana, mba ho ao amin’Andriamanitra avokoa ny zavatra rehetra.

Ry kristianina havana, efa nitsangan-ko velona tokoa i Kristy ary Izy no santatr’izay efa nody mandry; satria olona iray no niavian’ny fahafatesana, ka dia Olona iray koa no iavian’ny fitsanganan-ko velona; ary toy ny ahafatesan’ny olon-drehetra ao amin’i Adama no hahaveloman’ny olon-drehetra ao amin’i Kristy, fa manaraka ny laharany avy: i Kristy no santatra, dia izay an’i Kristy amin’ny andro hiaviany. Rehefa afaka izany, tonga ny farany, dia rahatrizay hatolony amin’Andriamanitra sy amin’ny Ray ny Fanjakana, rehefa levony avokoa ny fifehezana sy ny fahefana ary ny hery rehetra. Satria tsy maintsy manjaka Izy ambara-panaony ny fahavalony rehetra eo ambanin’ny tongony. Ny fahafatesana no fahavalo farany horesena. Koa rehefa nampanekena Azy ny zavatra rehetra, na Izy Zanaka aza dia hanaiky izay nampanaiky Azy ny zavatra rehetra, mba ho zavatra rehetra amin’izy rehetra Andriamanitra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Hosoavina anie Ilay avy, amin’ny Anaran’ny Tompo, hosoavina anie ny fanjakan’i Davida Raintsika.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 25, 31-46

Hipetraka eo ambony seza fiandrianan’ny voninahiny Izy, ary hanavaka azy ireo.

Tamin’izany andro izany i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: “Rehefa ho avy amim-boninahitra ny Zanak’Olona otronin’ny Anjely rehetra, dia hipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’ny voninahiny Izy; ho vory eo anatrehany ny firenena rehetra, ary Izy hanavaka azy tahaka ny mpiandry ondry manavaka ny ondry amin’ny osy: ny ondry moa hataony eo ankavanany; ary ny osy kosa eo ankaviany. Amin’izay ny Mpanjaka dia hilaza amin’izay eo ankavanany hoe: ‘Avia ianareo, ry nohasoavin’ny Raiko, handova ny Fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nahariana izao tontolo izao. Fa noana Aho, nomenareo hanina; nangetaheta Aho, nomenareo hosotroina; nivahiny Aho, nampiantranoinareo; tsy nitafy Aho, notafianareo, narary Aho, novangianareo; tany an-tranomaizina Aho, notsidihinareo’.

Ary dia hamaly Azy ny marina ka hanao hoe: ‘Tompo, oviana no hitanay noana Ianao ka nomenay hanina, nangetaheta ka nomenay hosotroina? Oviana no hitanay nivahiny Ianao ka nampiantranoinay, na tsy nitafy ka notafianay? Oviana no hitanay narary Ianao na tany an-tranomaizina ka novangianay? Dia hamaly ny Mpanjaka ka hanao aminy hoe: ‘Lazaiko marina aminareo fa isaky ny nanao izany tamin’ny anankiray amin’ireto havako kely indrindra ireto ianareo, dia nanao izany tamiko’.

Ary dia hiteny amin’ireo eo ankaviany kosa indray Izy ka hanao hoe: ‘Mialà amiko ianareo, ry voaozona, mba ho any amin’ny afo mandrakizay, izay voavoatra ho an’ny devoly sy ny anjeliny. Fa noana Aho, tsy nomenareo hanina; nangetaheta Aho, tsy nomenareo hosotroina; nivahiny Aho, tsy nampiantranoinareo; tsy nitafy Aho, tsy notafianareo; narary Aho, sy tany an-tranomaizina tsy novangianareo’. Dia hamaly Azy koa ireo hanao hoe: ‘Tompo, oviana no hitanay noana Ianao, na nangetaheta, na nivahiny, na tsy nitafy, na narary, na tany an-tranomaizina, ka tsy namonjy Anao izahay?’ Fa hovaliany hoe: ‘Lazaiko marina aminareo fa isaky ny tsy nanao izany tamin’ny anankiray amin’ireto kely indrindra ireto ianareo, dia tsy nanao izany tamiko koa’. Dia ho any amin’ny fijaliana mandrakizay ireo, fa ny marina kosa, ho any amin’ny fiainana mandrakizay”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Asiana IZAHO MINO...

 

Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, mbola hifarana izao tontolo izao indray andro any, hanjakan’i Kristy amin’ny olombelona sy ny voaary tontolo. Koa amin’izao fankalazana an’i Kristy Mpanjaka izao, dia mivavaha mba ho maro be ny ondry eo ankavanan’ny Mpiandry ondry tsara.

Valy: Tariho izahay ry Tompo, hanatona Anao.

* Mivavaha mba ho voaangon’ny Eglizy dieny izao ao amin’ny Fanjakan’i Kristy izay rehetra mahitsy fo sy tena vonona marina ny hitady an’Andriamanitra sy hanatona Azy.
* Mivavaha ho an’ny mpitondra any amin’ireo firenena manan-karena eto an-tany, mba hanampiany ny hafa ka hankasitrahan’i Kristy azy indray andro any, hoe: «Nijaly Aho, ka novonjenareo».
* Fanjakan’ny fitiavana ny Fanjakan’i Kristy, koa mivavaha ho an’ireo tsy tia antsika, ary mba ho tsara fo aminy isika hahatonga azy ho iray fo amintsika.
* Be ny fahorian’olona lalovantsika fa tsy ampoizina; koa angataho Andriamanitra hampihiratra ny masontsika, hampisokatra ny sofina, hanatsara ny fo, hamonjentsika izay mijaly.
* Mivavaha mba tsy hisara-mianakavy isika iray fiangonana ka ho tafavory hanotrona an’i Kristy, any amin’ny Fanjakany mandrakizay.

 

— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana na eran-tany.

 

Ry Jesoa Mpanjaka ô, ilazanao mialoha izahay fa hotsarainao momba ny fitiavana amin’ny farandro; koa amindrao fo, fa osa sy mora manadino; ary ampianaro hanompo ireo namanay mijaly izay endrika isehoanao aminay.

Fa Ianao velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.

 

Vavaka Fanolarana

Mangataka an-tanan-droa aminao izahay, ry Tompo mba raiso izao Sorona fampihavanana ny taranak’olombelona izao; ka enga anie ny Tenan’ny Zanakao no hampiray sy hampandry fahalemana ny firenena rehetra.

Fa Izy velona sy manjaka amin’ny taona mandrakizay. Amen.

 

Prefasy: Jesoa Kristy Mpanjaka

 

Kômonio

Sal. 28, 10-11

Hipetraka hanjaka mandrakizay ny Tompo. Hitsimbina sy hampiadana ny vahoakany.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, mihanta aminao izahay fa nahazo sakafo mahavelona mandrakizay sady tretrika mankatò ny didin’i Kristy Mpanjakan’izao tontolo izao; koa enga anie ho mendrika hiara-belona aminy mandrakizay any amin’ny fanjakan’ny lanitra.

Fa Izy velona sy manjaka amin’ny taona mandrakizay. Amen.

 

                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0693