Sorona Masina ny Alahady 25 oktobra 2020

ALAHADY FAHA-30 mandavantona — A

TIA AN’ANDRIAMANITRA SY NY NAMANA NO MAHA-KRISTIANINA

Tononkira fidirana

Sal. 104, 3-4

Miravoa ianareo mitady ny Tompo. Katsaho ny Tompo, dia hahery ianareo. Tadiavo lalandava ny hahita ny Tavany.


Asiana VONINAHITRA ANIE...


Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, ampio izahay hitombo finoana sy fanantenana ary fitiavana, ary ataovy mankamamy ny didinao hahamendrika anay hahazo ny soa nampanantenainao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Boky Eksaody

Eks. 22, 21-27

Raha manao izay mampalahelo ny mpitondra tena sy ny madinika ianareo, dia hirehitra aminareo ny fahatezerako.

Izao no nolazain’ny Tompo: “Aza ratsy fitondra vahiny na mampahory azy fa efa mba vahiny tany amin’ny tany Ejipta koa ianao. Aza manao izay mampalahelo ny mpitondra tena sy ny kamboty; fa raha manao izay mampalahelo ireny ianao, dia hitaraina amiko izy, ka hohenoiko ny fitarainany; hirehitra ny hatezerako ka haringako amin’ny sabatra ianareo; ary ny vadinareo ho mpitondra tena, ny zanakareo ho kamboty. Raha mampisambo-bola olona amin’ny vahoakako ianao, amin’ny mahantra eo aminao, aza mitsangan-ko mpanàna vola aminy, aza maka zana-bola aminy. Raha alainao ho antoka ny kapaotin’ny namanao dia avereno aminy alohan’ny maty masoandro, fa iny no hany firakofany, iny no fitafiany anaronany ny vatany, ka inona àry no hoentiny mandry? Raha mitaraina amiko izy, hohenoiko ny fitarainany, fa antra olona Aho”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Salamo fandinihana

Sal. 17, 2-3a. 3bd-4. 47-51ab.


Fiv.: Tiako Ianao, ry Tompo fa heriko.

Mamiko Ianao, ry Tompo fa heriko, Tompo Vatolampiko, toera-mafy ho ahy, Andriamanitra Mpanafaka, haram-bato fialofana.
Ampinga, famonjena mahery, fiarovana-avo ho ahy. Dera ho an’ny Tompo, hoy aho, fa voavonjy amin’ny rafiko aho!
Veloma ny Tompo! Hisaorana ny Vatolampiko! Omeny fandresen-dehibe ny Mpanjakany, anehoany fitiavana ilay Nohosorany.


VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasy voalohan’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Tesalônika

1 Tes. 1, 5d-10


Efa niala tamin’ny sampy ianareo, mba hanompo an’Andriamanitra sy hiandry ny Zanany.

Ry kristianina havana, fantatrareo izay toetranay tany aminareo ho an’ny famonjena anareo. Noho ianareo nandray ny teny tamin’ny fahoriana be sy tamin’ny hafaliana avy amin’ny Fanahy Masina, dia tonga nanahaka anay sy ny Tompo ianareo, ka tonga fakàn-tahaka ho an’ny mpino rehetra any Masedônia sy Akaia kosa indray. Ary tsy tany Masedônia sy Akaia ihany no tongan’ny akon’ny tenin’Andriamanitra avy tany aminareo, fa niely hatraiza hatraiza ny lazan’ny finoanareo an’Andriamanitra, ka tsy mila ny hilazanay intsony ny olona. Fa izy rehetra ihany no miresaka ny aminay, ka mitantara ny nahazoanay fidirana ho aty aminareo, sy ny nialanareo tamin’ny sampy, mba hanompo an’Andriamanitra velona sy marina, sy hiandry ny Zanany avy any an-danitra izay natsangany ho velona, dia i Jesoa izay nanafaka antsika amin’ny fahatezerana ho avy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Hankalazaina anie ny Mpanjaka avy, amin’ny Anaran’ny Tompo! Fiadanana anie any an-danitra, ary voninahitra anie any amin’ny avo indrindra.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 22, 34-40

Tiavo ny Tompo Andriamanitrao ary tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.

Tamin’izany andro izany, nony ren’ny Farisianina fa nataon’i Jesoa tsy nanan-kalahatra ny Sadoseanina, dia nivory izy rehetra; ary ny anankiray izay mpahay Lalàna tamin’izy ireo nanontany Azy mba haka fanahy Azy hoe: “Ry Mpampianatra ô, inona no didy lehibe indrindra amin’ny Lalàna?” Ary hoy i Jesoa taminy: “Tiava ny Tompo Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo, sy amin’ny fanahinao manontolo ary amin’ny sainao manontolo. Izany no didy sady zokiny indrindra no voalohany; ary ny faharoa, izay tahaka ny voalohany ihany dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao. Ao amin’izany didy roa izany ny Lalàna rehetra sy ny Mpaminany”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Asiana IZAHO MINO...


Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, ny lalàna fitiavana andidian’ny Evanjely antsika dia toa mora arahina indrindra amin’ny samy lalàna; nefa lalàna lavorary sady lalina tokoa. Koa akambano ny vavaka ataontsika mba ho ny fitiavana araka an’Andriamanitra no ho vy miaina hanentana ny olombelona rehetra eo amin’ny fiaraha-monina.

Valy: Fenoy ny fitiavanao izahay, ry Tompo.

* Raha tena iainan’ny kristianina rehetra eran’izao tontolo izao ny Didim-pitiavana, dia hirohotra ho ao amin’ny Eglizy ny olombelona: koa angataho mba hanjaka eo amintsika ny fitiavana.
* Mivavaha amin’Andriamanitra ho an’ireo mpitondra Vahoaka: mba ho fitiavana mandrakariva no hanentana azy, ary ho fitiavana hatrany koa no hanapahany hevitra.
* Ny Eglizy tsy mitsahatra manangana fikambanana mpanasoa: koa mivavaha ho an’ireo mpiandraikitra mba ho be fitiavana sy fatra-panaja ireo soaviny izy rehetra.
* Manomboka mamboly izao aty amintsika; fa any amin’ny lafy valon’ny tany any; ao ny mioty sy mijinja, ao ny efa mahaangona an-tsompitra; koa mivavaha mba hoenti-manasoa ny be sy ny maro araka ny hevitr’Andriamanitra ny vokatra azo rehetra.
* Arakaraka ny ahitan’ny olona fa miray hina sy mifankatia marina isika iray fiangonana, no hitaran’ny Fanjakan’Andriamanitra; koa mivavaha mba hitombo fitiavana sy firaisan-kina hatrany isika ka ho haintsika abaribary amin’ny fiainantsika andavan’andro ny fitiavana.


— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana sy eran-tany.


Ry Jesoa Tomponay ô, mba hanatanterahanay tsara ny lalàna fitiavana nomenao, dia ampio izahay ho tia ny Rainao sy ho tia ny namanay, araka ny ohatra efa nomenao.

Fa Ianao velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.


Vavaka Fanolorana

Topazo maso, ry Tompo, ireto fanatitra atolotray Anao Avo indrindra, ka ny voninahitrao anie no ho voalohany kendrenay amin’ny fanompoam-pivavahana ataonay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Alahady tsotra VI, ohatra.


Kômonio

Sal. 19, 6

Novonjenao izahay ka hihoby Anao sy hirebika amin’ny Anaranao Andriamanitray.


na hoe:

Efez. 5, 2

Tia antsika i Kristy ary nahafoy ny ainy ho antsika, nanolotra ny Tenany tamin’Andriamanitra ho sorona mamerovero.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Ho tanteraka aminay anie, ry Tompo, izay ambaran’ny Sakramentanao, ka ny ankalazainay amin’ny endri-javatra ankehitriny anie, mba tena ho azonay any an-koatra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0513