Sorona Masina ny Talata 20 oktobra 2020

Herinandro faha-29 mandavantaona

TALATA


Tononkira fidirana

Sal. 16, 6. 8


Tompo ô, miantso aho, ka valio: atongilano ny sofinao ka henoy aho! Ambeno toy ny anakandriamaso aho; alofy ao ambany elatrao.


Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, ataovy miraiki-po lalandava aminao izahay, hanompo Anao avo indrindra amin’ny fonay tokoa.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Efezy

Efez. 2, 12-22


Nampihavaniny sy nakambany isika roa tonta, ho tena iray amin’Andriamanitra.

Ry kristianina havana, tamin’ny andro tany aloha ianareo, dia tsy nanana an’i Kristy, voasaraka tamin’ny fikambanan’i Israely; olon-ko azy tamin’ny fanekem-pampanantenana, tsy nanana fanantenana, ary tsy nanana an’Andriamanitra teo amin’izao tontolo izao. Fa ankehitriny kosa, ao amin’i Kristy Jesoa; ianareo izay lavitra fahiny, dia tongan’ny Ran’i Kristy akaiky. Fa Izy no fihavanantsika, Izy no nahatonga antsika roa tonta ho iray, Izy no nandrava ny efitry ny fisarahana amam-pifandrafesana; tao amin’ny nofony no nanafoanany ny Lalàna be didy amam-pitsipika, mba hanakambanany antsika roa tonta ho olom-baovao iray ao amin’ny Tenany; fa nampihavaniny sy nakambany isika roa tonta, ho tena iray amin’Andriamanitra, noho ny Hazofijaliana izay nandevonany ny fifandrafesana. Ary tonga Izy nitory fihavanana taminareo izay lavitra, sy nitory fihavanana tamin’ireo izay akaiky koa, satria aminy no ahazoantsika roa tonta manatona ny Ray ao amin’ny Fanahy iray ihany. Koa tsy olon-ko azy na vahiny intsony ary ianareo, fa mpiray fanjakana amin’ny olo-masina sy isam-pianakavian’Andriamanitra; ny Apôstôly sy ny Mpaminany no fanorenana nandrafetana anareo, ary i Kristy Jesoa indrindra no vato fehizoro. Fa ao aminy no isondrotan’ny rafitra rehetra mirindra tsara, mba hiforona ho tempoly masina ao amin’ny Tompo ao aminy no andrafetan’ny Fanahy Masina anareo ho trano onenan’Andriamanitra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 84, 9ab-10. 11-12. 13-14


Fiv.: Hihaino izay lazain’ny Tompo aho.

Hihaino izay lazain’ny Tompo aho: moa Izy tsy hiteny fiadanana ho an’ny olony? Eny, akaiky an’izay matahotra Azy ny famonjeny ka honina amin’ny tanintsika ny voninahiny.
Tafahaona ny hatsaram-po sy ny fahamarinana; mifanoroka ny rariny sy ny fiadanana. Mitrebona an-tany ny fahamarinana, mitranga avy eny an-danitra ny rariny.
Ny Tompo manome orana amim-peo avo, ka ny tanintsika manome ny vokany! Ny rariny mizotra eo anoloany; ny fiadanana, eo amin’ny soritry ny diany.


Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma

Rôm. 5, 12. 15b. 17-19. 20b-21


Raha ny fahadisoan’ny anankiray aza nahafatesan’ny olon-drehetra, mainka fa ny fahasoavan’ny olona iray no ahaveloman’ny rehetra.

Ry kristianina havana, tahaka ny nidiran’ny fahotana tamin’izao tontolo izao tamin’ny olona iray, no nidiran’ny fahafatesana noho ny fahotana ka nifindra tamin’ny olona rehetra ny fahafatesana, satria nanota avokoa izy rehetra. Fa raha ny fahadisoan’ny anankiray aza nahafatesan’ny olona rehetra, mainka fa ny fahasoavan’ny olona iray, dia i Jesoa Kristy, no nandraisan’ny olona rehetra an-kabetsahana ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny fanomezana. Satria raha ny fahadisoan’ny anankiray aza nanjakan’ny fahafatesana noho ny nataon’io anankiray io, mainka fa ny nataon’ny anankiray, dia i Jesoa Kristy, no hanjakan’izay mahazo ny haben’ny fahasoavana amam-panomezam-pahamarinana amin’ny fiainana. Koa tahaka ny nahatongavan’ny fanamelohana ho an’ny olona rehetra noho ny fahadisoana iray no nahatongavan’ny fanamarinana ahazoam-piainana ho an’ny olona rehetra kosa noho ny fahamarinana iray. Fa tahaka ny nahatongavan’ny maro ho mpanota noho ny tsy nanekan’ny olona iray no nahatongavan’ny maro ho marina kosa noho ny naneken’ny olona iray. Nefa tao amin’izay nahabe ny fahadisoana indrindra no nihoaran’ny fahasoavana ho ambony lavitra mba ho tahaka ny nanjakan’ny fahotana hahafaty no hanjakan’ny fahasoavana amin’ny fahamarinana hahavelona mandrakizay kosa, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 39, 7-8a. 8b-9. 10. 17


Fiv.: Ny manao ny sitrakao, ry Andriamanitra no mamiko.

Tsy sitrakao ny sorona sy ny fanatitra, nosokafanao mantsy ny sofiko. Tsia, tsy ilainao izay sorona dorana sy fanonerana: ka hoy aho hoe: Intý aho tamy!
Ny manao ny sitrakao, ry Andriamanitro no mamiko! Eny, ato anatin’ny foko ny lalànao!
Torìko ao am-Piangonam-be ny fahamarinanao. Fantatrao, ry Tompo tsy akomboko ny molotro.
Fa hifaly sy hiravo aminao kosa izay rehetra mitady Anao; ary izay tia ny vonjinao hivolan-dava hoe: Lehibe ny Tompo!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Fanilo ho an’ny tongotro ny teninao, ary fanazavana ny lalako.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 12, 35-38


Sambatra ireo mpanompo tratry ny tompony miambina raha tonga izy.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: “Aoka ho voaetra ny andilanareo, ary ho voarehitra ny jironareo. Manaova toy ny olona miandry ny fotoana hiverenan’ny tompony avy any amin’ny fampakaram-bady, mba hamoha azy miaraka amin’izay raha vantany vao tonga sy mandondòna izy. Sambatra ireo mpanompo tratry ny tompony miambina raha tonga izy; lazaiko marina aminareo fa hisikina ny tompony ka hampipetraka azy hihinana, ary ho avy hampihinana azy. Na tonga amin’ny fiambenana faharoa izy, na tonga amin’ny fiambenana fahatelo ka mahatratra azy manao toy izany, dia sambatra ireo mpanompo ireo.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Tompo ô, mihanta aminao izahay manolotra izao fanompoana izao, mba ataovy afaka malalaka manompo Anao ny fonay ary diovy amin’ny fahasoavanao, dia ho mendrika ny handraisanay ny Kômonio.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 32, 18-19

Indro ny mason’ny Tompo eo amin’izay matahotra Azy sy amin’izay matoky ny hatsaram-pony, hanafaka ny fanahiny amin’ny fahafatesana sy hamelona azy amin’ny andro mosarena.


na hoe:

Mk. 10, 45

Tonga hahafoy ny ainy ny Zanak’Olona mba hanavotra ny be sy ny maro.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Tompo; enga anie hitombo fahamasinana izahay mankalaza sy manatanteraka ny Sorona masina ka sady ho ambinina amin’ny zava-mandalo no hahay hankafy ny soa mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0084