Sorona Masina ny Alahady 18 oktobra 2020

ALAHADY FAHA-29 mandavantaona — A

NY ANDRIAMANITSIKA: MIZANA BE TSY MIANGATRA

Tononkira fidirana

Sal. 16, 6. 8.

Tompo ô, miantso Anao aho, ka valio: atongilano ny sofinao ka henoy aho! Ambeno toy ny anakandriamaso aho; alofy ao ambany elatrao.


Asiana VONINAHITRA ANIE...


Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô ataovy miraiki-po lalandava aminao izahay, hanompo Anao Avo Indrindra amin’ny fonay tokoa.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Bokin’i Izaia Mpaminany

Iz. 45, 1. 4-6

Notantanako tamin’ny tanany havanana i Sirosy mba handavo ny firenena rehetra eo anatrehany.

Izao no lazain’ny Tompo amin’i Sirosy ilay voahosony izay notantanany tamin’ny tanany havanana, mba handavo ny firenena rehetra eo anatrehany, sy hamaha ny fehikibon’ireo mpanjaka, ary hamoha ny varavarana eo anoloany, mba tsy ho voasakana tsy hiditra amin’ireny izy: “I Jakôba mpanompoko sy i Israely voafidiko no niantsoako anao tamin’ny anaranao; sy nanendreko anao, fony mbola tsy nahalala Ahy ianao. Izaho no Tompo ary tsy misy hafa koa; tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho. Nampisikina anao Aho, fony ianao tsy mbola nahalala Ahy, mba hahafantaran’ny olona, hatramin’ny fiposahan’ny masoandro ka hatramin’ny filentehany, fa tsy misy na inona na inona afa-tsy Izaho! Izaho no Tompo ary tsy misy hafa”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Salamo fandinihana

Sal. 95, 1 sy 3. 4-5. 7-8. 9-10ad.


Fiv.: Omeo ny Tompo ny voninahitra sy ny hery.

Ihirao hira vao ny Tompo, ihirao ny Tompo, ry tany tontolo. Ambarao ny firenena ny voninahiny, ny asany mahagaga lazao ny vahoaka.
Fa lehibe ny Tompo, mendri-dera fatratra, Izy no mahatahotra fa tsy ny sampy. Ny andriamanitr’ireo firenena: tsinontsinona, ny Tompo kosa nanao ny lanitra.
Omeo ny Tompo, rey fokom-pirenena, omeo Azy ny voninahitra sy ny hery; eny, omeo ny Tompo ny voninahitry ny Anarany.
Iankohofy ny Tompo amim-panamiana masina. Mangovita eo anoloany, ry Tany tontolo, ilazao ny firenena: «Manjaka ny Tompo! ny vahoaka, tsarainy araka ny hitsiny!»


VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasy voalohan’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Tesalônika

1 Tes. 1, 1-5b


Tsaroana ny asan’ny finoanareo sy ny fitiavanareo ary ny fanantenanareo.

Izaho Paoly sy i Silvano ary i Timôte, mamangy ny Eglizy any Tesalônika, izay ao amin’Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Tompo: ho aminareo anie ny fahasoavana amam-piadanana. Misaotra an’Andriamanitra mandrakariva noho ny aminareo rehetra izahay, sady manonona anareo amin’ny fivavahanay, ary tsy tapaka ny mahatsiaro eo imason’Andriamanitra Raintsika ny asan’ny finoanareo, sy ny fahafoizan-tenan’ny fitiavanareo ary ny faharetan’ny fanantenanareo an’i Jesoa Kristy Tompontsika, fa fantatray, ry kristianina havana, malalan’Andriamanitra, fa olom-boafidy ianareo, satria ny fitorianay ny Evanjely tany aminareo dia tsy tamin’ny teny ihany, fa tamin’ny hery koa, sy tamin’ny Fanahy Masina, ary tamin’ny fampiaikena tanteraka.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo; izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 22, 15-21

Aloavy ho an’i Sezara izay an’i Sezara ary ho an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra.

Tamin’izany andro izany, niray tetika ny Farisianina hamandrika an’i Jesoa amin’ny teniny. Dia naniraka ny mpianany niaraka tamin’ny Herôdianina ho any aminy izy ireo nanao hoe: “Ry Mpampianatra ô, fantatray fa marina Ianao, ary mampianatra ny lalan’Andriamanitra araka ny marina, ka tsy mampaninona Anao ny olona; satria tsy mizaha tavan’olona Ianao. Koa mba lazao aminay izay hevitrao ny amin’ity: mety va ny mandoa hetra ho an’i Sezara sa tsia?” Fa i Jesoa nahalala ny faharatsiany ka nanao hoe: “Ry mpihatsaravelatsihy, nahoana ianareo no maka fanahy Ahy? Asehoy ahy ny farantsa kely fandoa amin’ny hetra”. Dia nanasehoany denie iray Izy. Ary hoy i Jesoa taminy: “Sarin’iza, sy anaran’iza ity?” Hoy ireo hoe: “An’i Sezara”. Ka hoy Izy: “Raha izany àry, dia aloavy ho an’i Sezara izay an’i Sezara, ary ho an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Asiana IZAHO MINO...


Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, mifanjevo sy mifanaritaka matetika amin’ny firenena maro, ny fahefana ara-nofo sy ny fahefana ara-panahy; koa mivavaha mba samy halala-tsaina, hahafahana hiara-miasa sy hiara-miaina araka ny fahamarinana.

Valy: Tompo ô, ho tonga anie ny Fanjakanao.

* Natao ho taratry ny fahamarinan’Andriamanitra ny Eglizy, koa mivavaha ho an’ny kristianina rehetra eran-tany mba ho hita ao amin’ny vahoakan’Andriamanitra ny tena endriky ny Eglizy, ary mangataha ho an’ny Pretra rehetra eran’izao tontolo izao, mba tsy ho alaim-panahy hanjakazaka sy hizaha tavan’olona.
* Mivavaha ho an’ny mpitondra fanjakana sy ny mpanao pôlitika, mba hampian’Andriamanitra hatrany tsy hisy hankahala na hanembantsembana ny fivavahana.
* Fakam-panahy ny vola, koa mivavaha ho an’ny mpiandraikitra ny volam-bahoaka mba hijoroany amin’ny fahamarinana hatrany, amin’ny fitanana ny andraikiny.
* Be ny fiovana manahirana ny zokiolona ankehitriny, ary manozongozona ny finoany aza indraindray; koa mivavaha mba hanekeny ny fiovana tsy maintsy misy sy hijoroany amin’ny finoana hatrany, ary mba tsy ho lefy ny fifampitokisana sy ny fifanajana eo amin’ny ray aman-dreny sy ny tanora.
* Mivavaha ho antsika iray Fiangonana, mba samy hitondra ny Evanjely eo amin’ny mpiara-monina isika, hampanjakàntsika ny fahamarinana.


— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana na eran-tany.


Tompo ô, hainao nambara an’izao tontolo izao ny tena fahafahana ara-panahy sy ny fahamarinana tokony hiainana; koa ampio izahay hanaja ny finoan’ny hafa, ary hahatsiaro ny adidinay amin’ny fiainana ara-nofo.

Fa Ianao velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.


Vavaka Fanolorana

Tompo ô, mihanta aminao izahay manolotra izao fanompoana izao, mba ataovy afaka malalaka manompo Anao ny fonay ary diovy amin’ny fahasoavanao, dia ho mendrika ny handraisanay ny Kômonio.
Amin’ny alàlan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Alahady V, ohatra.


Kômonio

Sal. 32, 18-19

Indro ny mason’ny Tompo eo amin’izay matahotra Azy sy amin’izay matoky ny hatsaram-pony, hanafaka ny fanahiny amin’ny fahafatesana sy hamelona azy amin’ny andro mosarena.


na hoe:

Mk 10, 45

Tonga hahafoy ny ainy ny Zanak’olona, mba hanavotra ny be sy ny maro.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Tompo; enga anie hitombo fahamasinana izahay mankalaza sy manatanteraka ny Sorona masina, ka sady hoambinina amin’ny zava-mandalo no hahay hankafy ny soa mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0609