Sorona Masina ny Asabotsy 19 septambra 2020

Herinandro faha-24 mandavantaona

SABOTSY


Tononkira fidirana

Sir. (Ekl.) 36, 18


Omeo fiadanana ireo manantena Anao, ry Tompo; enga anie ho masin-teny ny mpaminany; henoy ny vavak’i Israely mpanomponao sy vahoakanao.


Fangatahana

Topazo maso izahay, ry Andriamanitra mpitantana ny zavatra rehetra, ary ataovy manompo Anao amin’ny fonay tokoa mba handrenesanay ny herin’ny famindram-ponao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Taratasy voalohan’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto

1 Kôr. 15, 35-37. 42-49


Izay mamafy amin’ny fahalovana dia mijinja amin’ny tsy fahalovana.

Ry kristianina havana, tsy hanao hoe: “Hatao ahoana no fanangana ny maty? Vatana toy inona no hiverenany?” Ry adala, tsy maintsy maty aloha izay afafinao, vao velona indray. Ary raha mamafy ianao, tsy ny tenan’izay ho avy no afafinao, fa ny voa fotsiny ihany, na voam-bary izany, na voan-javatra hafa.

Toy izany koa ny fitsanganan-ko velona; mety lò izy no afafy, fa tsy mety lò no atsangana; tsy misy hajany izy no afafy, fa be voninahitra no atsangana; malemy izy no afafy, fa mahery no atsangana; vatana manana aina fotsiny no afafy, fa vatana ara-panahy no atsangana. Fa misy vatana manana aina fotsiny, ary misy vatana ara-panahy; izany no voasoratra hoe: Adama, lehilahy voalohany, natao aina mahavelona; fa Adama faharoa kosa natao fanahy mahavelona. Tsy ny ara-panahy anefa no natao voalohany, fa ny manana aina fotsiny, vao ny ara-panahy. Avy amin’ny tany ny olona voalohany, ka tany; fa avy amin’ny lanitra kosa ny olona faharoa, ka lanitra. Manahaka ny tany izay rehetra tany; ary manahaka ny lanitra izay rehetra lanitra. Ary toy ny nitondrantsika ny endriky ny tany no hitondrantsika ny endriky ny lanitra koa.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 55, 10. 11-12. 13-14


Fiv.: Hizotra eo anoloan’Andriamanitra amin’ny hazavan’ny velona aho.

Ny fahavaloko hiamboho amin’ny andro iantsoako: fantatro izany, fa Andriamanitra momba ahy!
Andriamanitra izay deraiko ny Teniny: Andriamanitra, hoy aho, no itokiako. Tsia, tsy matahotra aho: hahavita inona amiko izay nofo?
Eny, adidiko, ry Andriamanitra, ny voadiko taminao; hatolotro ny sorom-pisaorana Anao: fa narovanao tsy ho faty ny fanahiko, sy tsy ho solafaka ny tongotro.


Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Taratasy voalohan’i Md. Paoly Apôstôly ho an’i Timôte

1 Tim. 6, 13-16


Tahirizo tsy hisy pentina ny didy hatramin’ny fisehoan’ny Tompo.

Ry malala, izao no ananarako anao eo anatrehan’Andriamanitra, mpamelona ny zavatra rehetra, sy i Kristy Jesoa, izay vavolombelona nanao ilay fanekena fatratra faha-Pôntsy-Pilaty: tahirizo tsy hanam-pentina na hisy tsiny ny didy, hatramin’ny fisehoan’i Jesoa Kristy Tompontsika izay hasehon’Andriamanitra amin’ny fotoany, dia ilay Andriamanitra sambatra, Mpandidy tokana, Mpanjakan’ny mpanjaka, Tompon’ny tompo. Izy irery no manana ny tsy fahafatesana, mipetraka ao amin’ny fahazavana tsy hay hatonina, tsy misy olombelona nahita Azy na mety hahita Azy, ary Azy ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 99, 2. 3. 4. 5


Fiv.: Tongava anoloan’ny Tompo amin-karavoaaa (Ank. 78).

Hobio Izy Tompo, ry tany tontolo, ka fo falifaly anompoana ny Tompo. Tongava eo aminy mihira, miravo.
Ekeo fa ny Tompo no Andriamanitra: fa Azy isika satria noarìny, sy tena vahoakany, ondry fiandriny.
Ireo vavahadiny idiro amin-tsaotra, ny ao an-kianjany idiro amin-dera: derao Izy Tompo; ny Anarany isaory.
Miaiky isika fa tsara ny Tompo! fa mandrakizay ny fitiavany antsika, amin’ny taona rehetra ny fahamarinany.


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Sambatra ireo mitana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo tsara sy mahitsy, ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 8, 4-15


Ireo latsaka amin’ny tany tsara no izay mitandrina ny teny ka mamoa amin’ny faharetana.

Tamin’izany andro izany, nisy vahoaka betsaka tafavory avy amin’ny tanàna maro hanatona an’i Jesoa, dia nanao fanoharana Izy hoe: “Nivoaka ny mpamafy hamafy ny voany; ary nony namafy izy, ny sasany latsaka tany amoron-dalana ka sady voahitsakitsaka no notsindrohin’ny voro-manidina; ny sasany latsaka tamin’ny vato ka nalaky nitsimoka, nefa nalazo satria tsy nisy mando; ny sasany latsaka tamin’ny tsilo ka niara-naniry tamin’ny tsilo, dia voagejany; ary ny sasany latsaka tamin’ny tany tsara ka naniry, dia namoa injato heny.” Rahefa nilaza izany Izy dia niantso hoe: “Aoka hihaino izay manan-tsofina hihainoana.”

Nanontanian’ny mpianany Azy izay hevitr’izany fanoharana izany, ka izao no navaliny azy: “Ianareo no nomena ny hahalala ny zava-miafina amin’ny fanjakan’Andriamanitra, fa ny hafa kosa dia fanoharana no atao aminy, mba hijery izy fa tsy hahita, ary handre fa tsy hahafantatra. Ka izao àry no hevitr’izany fanoharana izany: Ny voa dia ny tenin’Andriamanitra. Ireo teny an-dalam-be no izay nandre, fa avy ny demony ka nanesotra ny teny ao am-pony, sao mino izy ka ho voavonjy. Ireo latsaka tamin’ny vato no izay nandre sady nandray ny teny an-kafaliana, nefa tsy latsa-paka izy ka tsy maharitra amin’ny finoana, fa miala nony mby amin’ny andron’ny fakam-panahy. Ireo latsaka tamin’ny tsilo no izay nandre, fa nony mandeha izy dia poritin’ny fiahiana sy ny harena ary ny fahafinaretan’izao fiainana izao, ka tsy mahavanom-boa. Fa ireo latsaka amin’ny tany tsara kosa no izay mihaino ny teny amin’ny fo marina sy tsara, ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Aoka hanohina ny fonao, ry Tompo, ny fitalahoanay; ary horaisinao ireto fanatitra ataon’ny mpanomponao mba hahavonjy ny be sy ny maro izay atolotry ny tsirairay hanajana ny Anaranao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 35, 8

Endrey, sarobidy ny hatsaram-ponao, ry Tompo! Fa ny zanak’olombelona hialoka ambany elatrao.


na hoe:

1 Kôr. 10, 16

Ny kalisy izay isaorantsika dia firaisana amin’ny Ran’i Kristy; ny mofo izay vakîntsika dia firaisana amin’ny Vatan’i Kristy Tompo.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Haninteraka ny fanahy amam-batanay anie, ry Tompo, ny hasin’ny fanomezanao avy any an-danitra, ka ny hery avy aminy fa tsy ny saim-pantatray, no hitarika anay lalandava.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0203