Sorona Masina ny Alahady 16 aogositra 2020

ALAHADY FAHA-20 mandavantaona — A

NY OLOMBELONA REHETRA NO KENDREN’ANDRIAMANITRA HIDITRA AO AMIN’NY FANJAKANY

Tononkira fidirana

Sal. 83, 10-11

Jereo, ry Andriamanitra mpanasoa anay, todiho ny Tavan’i Kristy Zanakao. Andro iray ao an-kianjanao dia tsara noho ny arivo lavitra Anao.


Asiana VONINAHITRA ANIE …


Fangatahana

Andriamanitra ô, Ianao nanomana soa tsy hita maso ho an’izay tia Anao, ka alatsaho ao am-ponay ny afom-pitiavana Anao, hitiavanay Anao ao amin’ny zavatra rehetra sy ambonin’ny zavatra rehetra, ka hahazoanay ny soa lavorary nampanantenainao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Bokin’i Izaia Mpaminany

Iz. 56, 1. 6-7

Ny zanaky ny vahiny hoentiko eo an-tendrombohitro masina.

Izao no lazain’ny Tompo: Tandremo ny hitsiny ary araho ny rariny, fa efa akaiky ny famonjeko, ary efa hiseho ny fahamarinako. Ary ny hafa firenena izay mifikitra amin’ny Tompo: mba hanompo Azy sy ho tia ny Anarany, ary ho mpanompony; izay rehetra mitandrina ny sabata fa tsy mandika azy, sy miraikitra mafy amin’ny fanekeko, dia hoentiko ao an-tendrombohitro masina, sy hampifaliako ao an-tranoko fivavahana, hankasitrahina eo ambony ôtely ny sorony dorana aman-tsorony: fa ny tranoko hatao hoe: “Trano fivavahana ho an’ny firenena rehetra”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Salamo fandinihana

Sal. 66, 2-3. 5. 6 sy 8.


Fiv.: Hidera Anao ny vahoaka, Andriamanitra, hidera Anao anie ny vahoaka rehetra.

Andriamanitra anie hiantra sy hitso-drano; hampamiratiny amintsika anie ny Tavany: ka ny herinao ho fantatra eran-tany, ho hain’ny firenen-drehetra ny vonjinao!
Hifaly sy hihoby anie ny fokom-pirenena, satria Ianao mitsara ny tany ara-drariny mitsara ny vahoaka amim-pahamarinana, mitondra ny fokom-pirenena eto an-tany.
Hidera Anao ny vahoaka, ry Andriamanitra, hidera Anao anie ny vahoaka rehetra! Andriamanitra anie hitahy antsika hatrany, ny vazan-tany rehetra anie hatahotra Azy!


VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma

Rôm 11, 13-15. 29-32


Tsy misy anenenany ny fanomezan’Andriamanitra sy ny fiantsoany an’i Israely.

Aminareo Jentily havana no itenenako: amin’ny maha-Apôstôlin’ny Jentily ahy, dia manome voninahitra ny fandraharahana nomena ahy aho, mba hahavelom-pialonana amin’ireo tapako, sy hamonjy ny sasany amin’izy ireo, raha azo atao. Raha ny fanariana azy àry no fampihavanana an’izao tontolo izao, hanao ahoana kosa ny fandraisana azy: tsy ho fitsanganan-ko velona va? Satria tsy misy anenenany ny fanomezan-tsoa sy ny fiantsoan’Andriamanitra. Fa ianareo fahiny mba tsy nanaiky an’Andriamanitra ihany, nefa noho ny naneken’izy ireny dia nahazo famindram-po ankehitriny. Toy izany koa izy ireny ankehitriny, tsy manaiky an’Andriamanitra izy, nefa noho ny famindram-po azonareo, dia hahazo famindram-po toraka izany koa. Fa samy nohidian’Andriamanitra tamin’ny tsy fanekena ny olona rehetra, mba samy hamindrany fo avokoa.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo: Izaho mahalala azy ary izy manaraka Ahy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 15, 21-28

Ravehivavy, lehibe ny finoanao.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa dia nankany amin’ny faritanin’i Tira sy i Sidôna. Ary indro nisy vehivavy Kananeanina anankiray nivoaka avy amin’izany tany izany, niantsoantso mafy nanao hoe: “Mamindrà fo amiko, ry Tompo Zanak’i Davida, fa ampijalian’ny demony mafy loatra ny zanako vavy”. Fa tsy namaly azy i Jesoa na dia indraim-bava aza. Dia nanatona niangavy taminy ny mpianany nanao hoe: “Roahy izy, fa mikiakiaka manaraka antsika”. Ary hoy ny navaliny azy: “Tsy nirahina afa-tsy ho an’ny ondry very amin’ny taranak’i Israely Aho”. Fa nanatona ihany ravehivavy ka niankohoka teo anatrehany, ary nanao hoe: “Tompo ô, vonjeo aho!” Nefa novaliany hoe: “Tsy mety raha ny mofon-jaza no alaina ka atsipy ho an’ny amboa”. Ary hoy ravehivavy: “Marina izany, Tompoko, nefa ny amboakely mba mihinana ny sombintsombiny latsaka avy amin’ny latabatry ny tompony ihany”. Dia namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe: “Ravehivavy, lehibe ny finoanao, aoka ho tanteraka aminao araka izay irinao”. Dia sitrana tamin’izany ora izany ihany ny zanany vavy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Asiana IZAHO MINO...


Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, na i Masindahy Paoly miferinaina mahita ireo Jody iray ra aminy tafasaraka amin’i Kristy, na i Jesoa nanaiky ny fangatahan’ilay vahiny Kananeanina, dia samy mampahatsiaro antsika fa ny olona rehetra no tokony hotaomintsika ho tonga eo amin’Andriamanitra; koa andeha isika hiara-mivavaka ho an’ny firenena rehetra mba hankanesany eo amin’ny Tompo.

Valy: Tariho izahay, ry Tompo, hanatona Anao.

* Hatramin’ny Kônsily Vatikana faharoa teo ny Eglizy dia miezaka manokana hanatona ny olona rehetra; koa mangataha mba hifarimbona aminy ny Katôlika rehetra.
* Mijaly ny tsy mpino sy ny tsy mahalala an’Andriamanitra, fa tsy mba afaka mivavaka hananany hery sy fanantenana; koa mangataha mba hotanterahin’Andriamanitra izay faniriana tsara tsy hainy lazaina.
* Fomba itenenan’Andriamanitra amintsika ny zava-mitranga; koa diniho izay henontsika tamin’ny radiô, na novakintsika tamin’ny gazety tamin’ity herinandro ity, ary angataho mba ho tonga fanantenana sy fahasambarana.
* Tsy azoazon’ny kristianina sasany ny Jody, nefa razantsika amin’ny finoana, ary i Jesoa aza dia Jody; koa mivavaha ho azy ary miaraha aminy mivavaka amin’ilay Ray iombonana.
* Atambaro ny vavaka ataontsika izao hiakatra any amin’Andriamanitra, miaraka amin’ny an’ireo rehetra miangona anio alahady, na kristianina na tsy kristianina, hiara-mangataka mba hinoan’ny olona rehetra an’i Jesoa Kristy Zanak’Andriamanitra.


— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana sy eran-tany.


Ry Jesoa Kristy Tompo ô, hitanao ny fiezahan’ny Eglizy, maniry hiasa amin’ny olombelona rehetra sy hanasoa azy rehetra sahala amin’ny nataonao; koa ampio ny Fanahinao izy fa sarotra adidy tontosaina.

Fa Ianao velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.


Vavaka Fanolorana

Mba raiso, ry Tompo, ny fanatitra ifandraisanay aminao Avo Indrindra; ny nomenao no atolotray, ka enga anie izahay ho mendrika handray Anao Andriamanitra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen


Prefasy: Alahady tsotra V, ohatra.


Kômonio

Sal. 129, 7

Hatsaram-po sy fanavotana lehibe no ao amin’ny Tompo!


na hoe:

Jo. 6, 51-52

Izaho no Mofo velona nidina avy any an-danitra, hoy ny Tompo, raha misy mihinana izany Mofo izany, dia ho velona mandrakizay.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, izao Sakramenta izao no iraisanay amin’i Kristy; koa mitalaho aminao mora fo izahay: enga anie hitovy endrika aminy ety an-tany ary hiray lova aminy any an-danitra.

Fa Izy velona sy manjaka amin’ny taona mandrakizay. Amen.


                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0653