Sorona Masina ny Alahady 09 aogositra 2020

ALAHADY FAHA-19 mandavantaona — A

MAMPATOKY NY MANATONA AN’I JESOA MPAMONJY

Tononkira fidirana

Sal. 73, 20. 19. 22. 23

Tsarovy, ry Tompo, ny fanekena nataonao ary tsinjovy mandrakariva ny ain’ireo mahantranao; mitsangàna Ianao, ry Tompo, ombao ny adinao, ary aza hadino ny fihantsian’ireo mila ady aminao,


Asiana VONINAHITRA ANIE...


Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, sahinay antsoina hoe Ray Ianao; ka mba ataovy lavorary ao am-ponay ny fanahy nanangananao anay ho zanakao, hahamendrika anay hahazo ny lova nampanantenainao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALORANY

Boky voalohan’ny Mpanjaka

1 Mpanj. 19, 9a. 11-13a

Mitsangàna eo amin’ny tendrombohitra anatrehan’ny Tompo,

Tamin’izany andro izany, nony tonga tany Hôreba tendrombohitr’Andriamanitra i Elia, dia niditra tao anaty zohy, ary nandry tao. Ary indro tonga taminy ny tenin’ny Tompo nanao hoe: “Mivoaha ianao, ka mitsangàna eo amin’ny tendrombohitra, eo anatrehan’ny Tompo, fa indro handalo ny Tompo”. Dia nisy rivotra be sady mahery, nampitsefatsefaka ny tendrombohitra sy nanorotoro ny vatolampy teo alohan’ny Tompo, nefa tsy tao amin’ny rivotra ny Tompo. Nanarakaraka ny rivotra nisy horohoron-tany, nefa tsy tao amin’ny horohoron-tany ny Tompo. Nanaraka ny horohoron-tany dia nisy afo koa, nefa tsy tao amin’ny afo ny Tompo. Ary nanarakaraka ny afo nisy fizozozozo malefaka sy malemy. Ka raha nandre izany i Elia, nosaronany ny kapotiny ny tarehiny ka dia nivoaka izy ary nijanona teo am-bava zohy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Salamo fandinihana

Sal. 84, 9ab-10. 11-12. 13-14


Fiv.: Asehoy anay, ry Tompo, ny famindram-ponao ary omeo anay ny famonjena avy aminao.

Hihaino izay lazain’ny Tompo aho: moa tsy fiadanana no lazainy. Akaiky an’izay matahotra Azy ny famonjeny; efa honina eto amin’ny tanintsika ny voninahiny.
Tafahaona ny fitiavana sy ny fahamarinana, mifanoroka ny rariny sy ny fiadanana, ny fahamarinana mitrebona ety an-tany, ny rariny kosa mitranga eny an-danitra.
Ny Tompo amim-peo avo manome orana, ny tanintsika manome ny vokany; ny rariny mizotra eo anoloany, ny fiadanana manjohy ny diany.


VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma

Rôm. 9, 1-5


Niriko ny ho voaozona mba hamonjeko ny namako.

Ry kristianina havana, milaza ny marina ao amin’i Kristy aho, ka tsy mandainga, ary ny Fanahy Masina sy ny hitsim-poko no vavolombeloko, fa malahelo mafy aho, ory lalandava ny foko, satria saiky niriko aza ny ho voaozona ho lavitra an’i Kristy ny tenako, hamonjeko ny iray finoana amiko, izay havako araka ny nofo, dia ireo Israelita, izay manana ny fananganan-janaka, sy ny voninahitra, sy ny fanekena, sy ny lalàna sy ny fombam-pivavahana, ary ny fampanantenana; azy koa ny Patriarika, sady avy aminy araka ny nofo i Kristy, izay ambonin’ny zavatra rehetra, Andriamanitra isaorana mandrakizay. Amen.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Hanazava ny masom-panahintsika anie Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, mba hahalalantsika ny fanantenana niantsoany antsika.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 14, 22-33

Asaovy mankeny aminao eny ambony rano aho.

Tamin’izany andro izany, rehefa avy namahana ny olona i Jesoa ka nahavoky azy, dia nandidy ny mpianany hiakatra an-tsambo kely sy hita hialoha Azy ambara-pandravany ny vahoaka; ary rehefa nampirava ny vahoaka Izy, dia niakatra tany an-tendrombohitra mba hivavaka manokana; ka nony alina ny andro dia izy irery no teo. Tamin’izay ny sambo kely dia nahilangilan’ny onjan-drano teny afovoan’ny ranomasina, fa nanoha rivotra. Ary tamin’ny fiambenana fahefatra tamin’ny alina, dia nandeha teny ambony rano i Jesoa, ka nankeo amin’izy ireo. Fa nony nahita Azy nandeha teny ambony rano izy ireo, dia natahotra ka nanao hoe: “Matoatoa io”, sady niantsoantso izy noho ny tahony. Niaraka tamin’izay dia niteny taminy i Jesoa nanao hoe: “Matokia, fa Izaho ihany, ka aza matahotra!” Namaly i Piera nanao hoe: “Raha Ianao àry, Tompo, asaovy mankeny aminao eny ambony rano aho”. Hoy Izy hoe: “Avia”. Dia nidina avy eny an-tsambo i Piera, ka nandeha teny ambony rano ho eny amin’i Jesoa. Kanjo nony hitany fa nahery ny rivotra, dia natahotra izy; ary nony nanomboka nilentika izy, dia niantso mafy hoe: “Tompo ô, vonjeo aho!” Niaraka tamin’izay dia naninji-tanana i Jesoa, dia nandray azy ka nanao taminy hoe: “Ry kely finoana, nahoana no nisalasala ianao?” Ary rehefa niakatra teo an-tsambo izy ireo, dia nitsahatra ny rivotra. Tamin’izay, ry zareo teo an-tsambo kely, dia nanatona Azy sy nitsaoka Azy nanao hoe: “Tena Zanak’Andriamanitra tokoa Ianao!”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Asiana IZAHO MINO...


Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, be ny rivo-doza: na ny mandrava ny tanàna na ny manimba ny fiainana ara-panahy; koa miaraha mivavaka isika mba tsy hampihorohoro ny olombelona ireny fitsapana ireny, na hampisalasala ny fony sy hampihozongozona ny finoany, fa hitaona azy hanatona an’i Kristy ilay hany Mpandresy sady Mpamonjy.

Valy: Tompo ô, Ianao no ianteheranay, Ianao Tompo ô.

* Lalovan-drivotra mahery ankehitriny ny Eglizy, sambon’i Piera; koa mangataha mba ho toky sy hery ho an’ny Papa sy ny Eveka ary ny Pretra hatrany, i Jesoa ilay tsy mandao fa eo amin’ny Egliziny mandrakariva.
* Misy hevitra manimba sy mampisafotofoto firenena maro eto amin’izao tontolo izao; koa mivavaha mba hotarihin’ny herin’i Kristy ireo mpitondra vahoaka hitodika any aminy hahazoany hery sy fahazavana.
* Mivavaha ho an’ireo eny an-dranomasina na mpanarato na mpiasa an-tsambo na mpivahiny, mba ho tsaroany fa eo anilany Andriamanitra, raha misy rivo-doza na onja mahery.
* Mivavaha ho antsika iray fiangonana, mba ho hita eo amin’ny fiarahantsika mientana ny fitokiantsika an’i Kristy sy ny fiantsoantsika vonjy aminy, eo amin’ny lafim-piainana rehetra.


— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana sy eran-tany.


Ry Jesoa Tompo ô, fantatrao ny rivo-mahery sy ny zava-manahirana manembantsembana ao anatinay sy manodidina anay, fantatrao ny tahotray sy ny tebitebinay; koa ampio izahay hahay hidodododo hankeo aminao.

Fa Ianao velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.


Vavaka Fanolorana

Mba raiso amin’ny fo tony, ry Tompo, ny tolotra avy amin’ny Eglizinao, fa nomenao tsara fo mba hatolotra Anao ary hovan’ny herinao ho Sorona famonjena anay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Alahady tsotra VIII, ohatra.


Kômonio

Sal. 147, 12. 14

Ankalazao ny Tompo, ry Jerosalema! fa manome vary matsiro mahavoky.


na hoe:

Jo. 6, 52

Ny Mofo izay omeko, hoy ny Tompo, dia ny Nofoko, ho fiainan’izao tontolo izao.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, enga anie hahazoanay ny famonjena, ny Kômonio noraisinay ka haharitra amin’ny tena fahazavana marina izahay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0082