Sorona Masina ny Alatsinainy 03 aogositra 2020

Herinandro faha-18 mandavantaona

ALATSINAINY


Tononkira fidirana

Sal. 69, 2. 6


Andriamanitra ô! afaho re aho! Tompo ô, faingàna hamonjy ahy! Ianao mpitahy sy mpanafaka ahy, aza ela, ry Tompo!


Fangatahana

Tahio hatrany izahay mpanomponao, ry Tompo, ary ombao fitiavana lalandava, fa efa sambatra sy tretrika izahay manana Anao Mpahary sy Mpitantana ka havaozy ho sitrakao ny arin-tananao ary tahirizo tsy ho simba izay nohavaozinao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Bokin’i Jeremia Mpaminany

Jer. 28, 1-17


Henoy, ry Ananiasa: Tsy nirahin’ny Tompo ianao, ka nataonao izay itokian’itý vahoaka itý amin’ny lainga.

Tamin’ny niandohan’ny nanjakan’i Sedesiasa, mpanjakan’i Jodà, tamin’ny taona fahefatra, volana fahadimy: niteny tamiko teo an-tranon’ny Tompo, teo anatrehan’ny mpisorona sy ny vahoaka rehetra i Ananiasa, mpaminany, zanak’i Azôra, avy any Gabaona, nanao hoe: “Izao no lazain’ny Tompon’ny tafika, Andriamanitr’i Israely: Efa notapahiko ny jiogan’ny mpanjakan’i Babilôna. Roa taona sisa dia haveriko amin’itý fitoerana itý ny fanaka rehetra tao an-tranon’ny Tompo nalain’i Nabokodônôzôra, mpanjakan’i Babilôna, avy amin’itý fitoerana itý, ka nentiny ho any Babilôna. Ary hampodiako amin’itý fitoerana itý i Jekôniasa, zanak’i Jôakima, mpanjakan’i Jodà, mbamin’ny babo rehetra amin’i Jodà lasa tany Babilôna — teny marin’ny Tompo, — fa hotapahiko ny jiogan’ny mpanjakan’i Babilôna.”

Ary i Jeremia mpaminany namaly an’i Ananiasa, mpaminany, teo anatrehan’ny mpisorona sy teo anatrehan’ny vahoaka rehetra, izay tao an-tranon’ny Tompo; ka hoy i Jeremia mpaminany: “Amen! Hataon’ny Tompo anie izany! Hotanterahin’ny Tompo anie ny teny vao avy novinaninao, amin’ny famerenany avy any Babilôna ny fanaky ny tranon’ny Tompo mbamin’ny babo rehetra, ho amin’itý fitoerana itý indray. Kanefa kosa henoy izao teny holazaiko eto ho ren’ny sofinao sy ny sofin’ny vahoaka rehetra izao: Ireo mpaminany teo alohanao sy talohako, hatramin’ny andro ela, dia efa naminany ady sy loza ary pesta, ho amin’ny tany maro amam-panjakana lehibe. Ary izay mpaminany maminany fiadanana kosa, dia ny fahatanterahan’ny tenin’izany mpaminany izany no hahafantarana azy ho mpaminany tena nirahin’ny Tompo marina tokoa.” Tamin’izay nalain’i Ananiasa mpaminany ny jioga teny am-bozon’i Jeremia mpaminany ka notapahiny. Sady hoy i Ananiasa, teo anatrehan’ny vahoaka rehetra: “Izao no lazain’ny Tompo: Tahaka izao no hanapahako ny jiogan’i Nabokôdônôzôra, mpanjakan’i Babilôna, hiala eny am-bozon’ny firenena rehetra, raha afaka roa taona.” Dia lasa niala i Jeremia mpaminany.

Nony efa notapahin’i Ananiasa mpaminany ny jioga teny am-bozon’i Jeremia mpaminany, dia tonga tamin’i Jeremia ny tenin’ny Tompo nanao hoe: “Mandehana ianao, milazà amin’i Ananiasa hoe: Izao no lazain’ny Tompo: Jioga hazo no notapahinao, fa jioga vy kosa no nataonao hasolo azy. Satria izao no lazain’ny Tompo Andriamanitr’i Israely: Asiako jioga vy ny vozon’ireo firenena rehetra ireo, mba hanekeny an’i Nabokôdônôzôra, ka dia hanaiky azy izy ireo; efa nomeko azy mbamin’ny biby any an-tsaha.” Dia hoy i Jeremia mpaminany tamin’i Ananiasa mpaminany: “Henoy, ry Ananiasa: Tsy nirahin’ny Tompo ianao, ka nataonao izay itokian’itý vahoaka itý amin’ny lainga. Koa izao no lazain’ny Tompo: Indro esoriko tsy ho eto ambonin’ny tany ianao, ka amin’itý taona itý ihany, dia ho faty ianao, satria fiodinana amin’ny Tompo no notorìnao.” Dia maty tamin’izany taona izany ihany, tamin’ny volana fahafito, i Ananiasa mpaminany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 118, 29 sy 43. 79 sy 80. 95 sy 102


Fiv.: Ampianaro ahy, ry Tompo, ny fitsipikao.

Halaviro ahy ny lalan’ny lainga; ny lalànao no aoka hanenika ahy! Aza alàna amin’ny vavako ny tenim-pahamarinanao: fa ny satanao no antenaiko!
Aoka hitodika amiko izay matahotra Anao, sy mahalala ny fanambarànao! Ho amin’ny fitsipikao anie ny foko tontolo! tsy ho azon-kenatra aho!
Mikendry hamely ahy ny olon-dratsy: fa ny fanambaranao no hadihadìko! Tsy mba miala amin’ny satanao aho; eny, Ianao tokoa no mampianatra ahy!


Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Boky Fanisana

Fanis. 11, 4b-15


Tsy zakako izaho irery izao vahoaka rehetra izao.

Tamin’izany andro izany, rafitra nitomany indray ny zanak’i Israely nanao hoe: “Iza re no mba hanome hena hohahinay? Tsaroanay izany hazandrano nohaninay maimaim-poana tany Ejipta, ny voatango, ny voanketsihetsy, ny tongolo sy ny tongolon-kova. Izao kosa maina ny ainay; tsy misy na inona na inona intsony; tsy mahita afa-tsy ny mana ny masonay.” Nitovy amin’ny voan-koriandra ny mana, toy ny bdeliôma ny tarehiny. Nihahaka nanangona azy ny vahoaka, dia nanorotoro azy tamin’ny vato fitotoambary, na nitoto azy tamin’ny laona, dia nahandro azy tamin’ny vilany sy nanao mofo aminy. Sahala amin’ny mofomamy misy diloilo ny tsirony. Amin’ny alina filatsahan’ny ando amin’ny toby, no nilatsahan’ny mana ao koa.

Ren’i Môizy ny vahoaka samy nitomany isam-pianakaviana avy eo am-baravaran-dainy. Nirehitra mafy ny fahatezeran’ny Tompo. Dia nalahelo i Môizy ka nilaza tamin’ny Tompo hoe: “Nahoana no dia nasiana izao ratsy izao ny mpanomponao, ary nahoana no dia tsy nahita fitia taminao aho ka novesaranao ny fitondrana itý vahoaka itý? Izaho va notorontoronina itý vahoaka itý, ary izaho va no niteraka azy, no dia izaho no ilazanao hoe: “Trotroinao izy, toy ny itondran’ny ray mpitaiza ny zaza minono, ho any amin’ny tany izay nianiananao tamin’ny razany homena azy?” Aiza no hangalako hena homena an’izao vahoaka rehetra izao? Fa mitomany manodidina ahy izy, manao hoe: ‘Omeo hena izahay hohaninay.’ Tsy zakako izaho irery izao vahoaka rehetra izao, fa mavesatra amiko loatra. Koa raha izao no ataonao amiko mihanta aminao aho raha mahita fitia eo imasonao, vonoy aho mba tsy hahita ny fahoriako.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 80, 12-13. 14-15. 16-17


Kinanjo ny oloko tsy mihaino, i Israely manosika Ahy! Izao izy avelako hanao ny tiany, hanaraka tsara izay sitra-pony.
Indrisy, raha nihaino Ahy ireo olon-tiako, ka i Israely nanaraka Ahy. Dia ho noreseko ny fahavalo, ny rafy ho nasiako tokoa tokoa.
Ireo mpankahala ho nandadilady, ho nanaiky resy tanteraka izy! Ny oloko ho nomeko vary kanto, niampy tantely tam-batolampy.


Fihobiana ny Evanjely (Taona B sy D)

Aleloia. Aleloia.

Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 14, 13-21


Niandrandra ny lanitra i Jesoa ka nitso-drano ny mofo dia nomeny ny mpianany ary nozarain’ny mpianany tamin’ny vahoaka.

Tamin’izany andro izany, nony nandre ny nahafatesan’i Joany Batista i Jesoa, dia niala teo ka niondrana an-tsambo kely mba hitokana samirery any an’efitra fa rahefa nahare izany ny vahoaka, dia niainga avy amin’ny tanàna samihafa ka nandeha an-tongotra nanaraka Azy. Rahefa niala tao an-tsambo kely Izy, dia nangoraka nahita ireto vahoaka betsaka, ka nositraniny ny marary teo aminy.

Ary nony hariva ny andro, dia nanatona Azy ny mpianany nanao hoe: “Tany efitra itý, ary efa hariva ny andro: koa ravao ny vahoaka handeha hividy hanina eny amin’ny vohitra.” Fa hoy i Jesoa taminy: “Tsy tokony handeha izy, fa omeo hanina.” Dia hoy ireo taminy: “Tsy misy afa-tsy mofo dimy sy hazandrano roa atý aminay.” “Ento atý amiko izany”, hoy Izy taminy. Dia nasainy nipetraka tamin’ny ahitra ny vahoaka, ary noraisiny ny mofo dimy sy ny hazandrano roa, dia niandrandra ny lanitra Izy ka nitso-drano; ary rahefa novakìny ny mofo, dia nomeny ny mpianany, ka nozarain’ny mpianany tamin’ny vahoaka. Dia nihinana izy rehetra ka voky, ary nangonina ny sombintsombiny sisa tsy lany ka nahafeno sobika roa ambin’ny folo. Nefa dimy arivo lahy no isan’ny nihinana afa-tsy ny zaza amam-behivavy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Fihobiana ny Evanjely (Taona A)

Aleloia. Aleloia.

Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny lalànao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 14, 22-36


Asaovy hankany aminao eny ambony rano aho.

Tamin’izany andro izany, nony efa voky ny vahoaka dia nodidian’i Jesoa hiakatra an-tsambo kely niaraka tamin’izay ny mpianany, sy hita hialoha Azy ambara-pandravany ny vahoaka; ary rahefa nampirava ny vahoaka Izy, dia niakatra tany an-tendrombohitra mba hivavaka manokana; ka nony alina ny andro, dia Izy irery no teo. Tamin’izay ny sambo kely dia nahilangilan’ny onjan-drano teny afovoan’ny ranomasina, fa nanoha rivotra. Ary tamin’ny fiambenana fahefatra amin’ny alina, dia nandeha teny ambony rano i Jesoa ka nankeo amin’izy ireo. Fa nony nahita Azy nandeha teny ambony rano izy ireo, dia natahotra ka nanao hoe: “Matoatoa io”, sady niantsoantso izy noho ny tahony. Niaraka tamin’izay, dia niteny taminy i Jesoa nanao hoe: “Matokia, fa Izaho ihany, ka aza matahotra!” Namaly i Piera nanao hoe: “Raha Ianao àry, Tompo, asaovy hankeny aminao eny ambony rano aho.” Dia hoy Izy hoe: “Avia.” Dia nidina avy eny an-tsambo i Piera, ka nandeha teny ambony rano ho eny amin’i Jesoa. Kanjo nony hitany fa nahery ny rivotra, dia natahotra izy; ary nony nanomboka nilentika izy, dia niantso mafy nanao hoe: “Tompo ô! vonjeo aho.” Niaraka tamin’izay, naninji-tanana i Jesoa, dia nandray azy, ka nanao taminy hoe: “Ry kely finoana, nahoana no nisalasala ianao?” Ary rahefa niakatra teo an-tsambo izy ireo, dia nitsahatra ny rivotra. Tamin’izany ry zareo teo an-tsambo kely dia nanatona Azy sy nitsaoka Azy nanao hoe: “Tena Zanak’Andriamanitra tokoa Ianao!”

Ary nony tafita ny rano izy ireo, dia tonga tany amin’ny tanin’i Genezareta; ka nony nahafantatra Azy ny mponina tao, dia nandefa iraka tamin’ny tany manodidina rehetra, ka nentin’ny olona teo aminy avokoa ny marary rehetra, ary nangataka taminy izy ireo mba hanendry ny moron-tongotr’akanjony fotsiny ihany, dia sitrana avokoa izay rehetra nanendry.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Mitalaho an-tanan-androa aminao izahay, ry Tompo be indrafo, mba hamasino ireto fanatitra ireto; ary efa noraisinao ny tolotray, ka mba raiso koa izahay ho fanatitra tsy lefy mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Fah. 16, 20

Nomenao mofo avy any an-danitra izahay, ry Tompo, dia mofo manana tsiro isan-karazany no sady ankafizin’ny olona rehetra.


na hoe:

Jo. 6, 35

Izaho no mofo mahavelona, hoy ny Tompo; izay manatona Ahy tsy mba ho noana ary izay mino Ahy tsy mba hangetaheta.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, ombao fitahiana lalandava ireo vao nohavaozinao tamin’ny sakafo avy any an-danitra; ary tsy mitsaha-mankahery azy Ianao, ka ataovy izay hahamendrika azy hahazo ny fanavotana mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1254