Sorona Masina ny Asabotsy 01 aogositra 2020
Herinandro faha-17 mandavantaona
SABOTSY
Tononkira fidirana
Sal. 67, 6-7. 36
Andriamanitra ao amin'ny toerany masina; mampiditra ny olony ao an-tranony, manome hery sy tanjaka ny vahoakany.
Fangatahana
Andriamanitra ô, Ianao no vonjin'izay miankina aminao ary raha tsy Ianao, tsy misy na inona na inona vanona na masina; koa noho ny famindram-ponao tsy misy fetra dia tahio izahay mampiasa ny zava-mandalo eto an-tany mba tsy ho very anjara amin'ny harena mandrakizay.
Amin'ny alalan'i Jesoa Kristy... Amen.
Fankalazana ny tenin’Andriamanitra
Boky Levitika
Lev. 25, 1. 8-17
Amin'ny taona Jobily, hody any amin'ny taniny avy ny olona rehetra.
Tamin'izany andro izany, ny Tompo niteny tamin'i Môizy tany an-tendrombohitra Sinaia nanao hoe: “Hanisa taom-tsabata fito impito fito taona ianao: fotoana mahalany sivy amby efapolo taona no faharetan'izany taona sabata fito izany. Ny andro fahafolon'ny volana fahafito dia tsofy ataovy manakoako ny feon'ny trômpetra; amin'ny andron'ny Fanorenana dia tsofy hatraiza hatraiza eo amin'ny taninareo ny trômpetra. Ary ankamasino ny taona fahadimampolo, ataovy antso avo ny fahafahana ho an'ny mponina rehetra amin'ny tany. Fa Jobily ho anareo izany, ka samia ianareo mody amin'ny taniny avy, samia mody ao amin'ny fianakaviany avy. Jobily ho anareo ny taona fahadimampolo: tsy hamafy ianareo, tsy hijinja izay maniry ho azy amin'ny tany; ary tsy hioty ny voaloboka tsy norantsanana, fa Jobily izany, ka masina ho anareo. Izay ho vokatry ny taninareo no hohaninareo.
Amin'izany taona Jobily izany, samia ianareo mody amin'ny taninareo avy. Raha misy varotra ifanaovanareo amin'ny namanareo, na misy zavatra vidinareo aminy, dia aza misy mamono antoka ny rahalahiny. Araka ny isan-taona isaina hatramin'ny Jobily lasa teo no hividiananao amin'ny namanao, ary araka ny isan'ny fotoam-pahavokarana no hivarotany aminao. Araka ny hamaroan'ny taona mbola ho avy no hanondrotanao ny vidiny, ary araka ny havitsian'ny taona no hampihenanao ny vidiny: satria ny isan'ny vokatra isan-taom-pijinjana no ivarotany aminao. Aza misy mamono antoka ny rahalahinareo ianareo, fa matahora an'Andriamanitra, satria Izaho no Tompo Andriamanitrareo.”
— Izany àry ny tenin'ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!
Setriny
Salamo 66, 2-3. 5. 7-8
Fiv.: Hidera Anao ny vahoaka rehetra, ry Andriamanitra. Hidera Anao ny vahoaka rehetra!
Hiantran'Andriamanitra anie isika hotsimbininy ka ataony mamiratra eo amintsika ny Tavany. Dia ho fantatry ny olona eran-tany ny herinao ka hanerana ireo firenen-drehetra ny vonjinao!
Aoka hifaly sy hiantsa ny firenena isan-tokony, fa Ianao dia mitsara azy rehetra ireny ara-drariny. Fa Ianao dia mitsara vahoaka araka ny hitsiny sy manjaka amin'ireo firenen-drehetra isan-tokony!
Fa ny tany volena tsy misy izay tsy mamokatra. Andriamanitra mantsy Andriamanitsika: mitsimbina. Enga anie ka hitsimbina antsika hatrany Andriamanitra, ka ho masina eran'ny vazan-tany ny Anarany!
Fihobiana ny Evanjely
Aleloia. Aleloia.
Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalànao, ary tariho ho amin'ny lala-mahitsy aho.
Aleloia. Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan'i Md. Matio
Mt. 14, 1-12
Naniraka hampanapaka ny lohan'i Joany i Herôda ary lasa nilaza izany tamin'i Jesoa ny mpianany.
Tamin'izany andro izany, ren'i Herôda tetrarka ny lazan'i Jesoa, ka hoy izy tamin'ny mpanompony: “I Joany Batista izay; efa nitsangan-ko velona izy, ka izany no ahavitany fahagagana maro.” Fa i Herôda efa nampisambotra an'i Joany, ka nanagadra sy nanao azy an-tranomaizina, noho ny amin'i Herôdiada vadin'i Filipo rahalahiny. Satria i Joany nilaza taminy hoe: “Tsy mahazo manambady io ianao.” Nitady hamono azy i Herôda saingy natahotra ny vahoaka, satria nataon'ny olona fa mpaminany i Joany. Ary tamin'ny andro nankalazana ny nahaterahan'i Herôda, dia nandihy teo anatrehan'ny olona nasaina ny zanakavavin'i Herôdiada, ka nahafaly an'i Herôda. Noho izany dia nianiana izy hanome azy izay zavatra hangatahiny na inona na inona. Efa nomen-dreniny hevitra rahateo razazavavy, ka hoy izy hoe: “Omeo ahy eto amin'ny lovia ny lohan'i Joany Batista.” Dia nalahelo ny mpanjaka, kanefa noho ny fianianany sy noho ny olona niara-nihinana taminy, dia nasainy homena azy ihany izany; ary naniraka nampanapaka ny lohan'i Joany tao an-tranomaizina izy. Dia nentina tamin'ny lovia ny lohany, ka nomena an-drazazavavy, ary nentiny tany amin-dreniny. Nalain'ny mpianatr'i Joany kosa ny faty dia naleviny, vao lasa izy nilaza izany tamin'i Jesoa.
— Izany àry ny tenin'ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!
Vavaka Fanolorana
Mihanta aminao izahay, ry Tompo, mba raiso ny tolotray fa avy aminao mazava fo sy malala-tanana ka noho ny herin'ny fahasoavanao, enga anie itý mistery itý hanamasina anay eto anivon'ny fiainana ankehitriny ary hitondra anay any amin'ny hasambarana mandrakizay.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay. Amen.
Kômonio
Sal. 102, 2
Isaory ny Tompo, ry fanahiko, aza misy hadinoina ny soa avy aminy.
Vavaka aorian’ny Kômonio
Tompo ô, avy nandray ny Kômonio masina fahatsiarovana ny fijalian'ny Zanakao izahay, koa mihanta aminao: enga anie hitondra vonjy ho anay izany fanomezana izany fa avy amin'Ilay fatra-pitia anay.
Fa Izy velona sy manjaka amin'ny taona mandrakizay. Amen.

