Sorona Masina ny Talata 07 jolay 2020

Herinandro faha-14 mandavantaona

TALATA


Tononkira fidirana

Sal. 47, 10-11


Andriamanitra ô, mivetso ny hatsaram-ponao eto amin’ny tempolinao izahay. Manerana ny vazan-tany ny Anaranao, ry Tompo, ka deraina hatraiza hatraiza. Ny fahamarinana dia eo an-tananao.


Fangatahana

Andriamanitra ô, ny Zanakao nietry tena no nanarenanao ny olombelona lavon’ny fahotana, koa ataovy heni-kafaliana masina izahay mino Anao, ary enga anie izahay nafahanao tamin’ny fanandevozan’ny fahotana mba hataonao finaritra migoka ny haravoana tsy manam-pahataperana.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Bokin’i Osea Mpaminany

Os. 8, 4-7. 11-13


Namafy rivotra izy ireo ka hijinja tafio-drivotra.

Izao no nolazain’ny Tompo: “Izy ireo nanangana mpanjaka nefa tsy avy amiko; nanendry mpifehy nefa tsy nahalala an’ireo Aho; nanao sampy tamin’ny volafotsiny amam-bolamenany, mba hanalana aminy ny volafotsy amam-bolamena. Naharikoriko Ahy itý zanak’ombinao, ry Samaria; nirehitra tamin’izy ireo ny fahatezerako. Mandra-pahoviana no tsy hahazoana mandio azy ireo? Fa avy amin’i Israely koa izy; mpanao taozavatra no nanamboatra azy, ka tsy andriamanitra izy io; fa hotorotoroina ny zanak’ombin’i Samaria! Namafy rivotra izy ireo, ka hijinja tafio-drivotra. Tsy hisy salohim-bary ho azy, fa hisy vary tsy vanon-ko lafarinina; ary raha vanon-ko lafarinina aza, ny hafa firenena no hihinana azy. Nampitombo ny ôtely i Efraima tamin’ny nanotany, ary ireo ôtely ireo nahalavo azy tamin’ny ota. Na hanoratra lohateny arivo ho azy amin’ny lalàko aza Aho, dia ho zavatra tsy mikasika azy no fijeriny an’izany. Ny sorona aterin’izy ireo ho Ahy, dia ny henan’ny zavatra novonoiny sy haniny; tsy ankasitrahan’ny Tompo izany. Hahatsiaro ny helok’izy ireo Izy ankehitriny, ka hanasazy ny fahotany: hiverina any Ejipta izy ireo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 113B, 3-4. 5-6. 7ab-8. 9-10


Fiv.: Ry taranak’i Isaraely, itokio ny Tomponao!

Ny Andriamanitray dia any an-danitra any, ary vitany izay sitraky ny fony! Raha ny sampin-dry zareo dia volamena, volafotsy: asan-tanana ireny.
Manam-bava tsy miteny, mana-maso tsy mahita, manan-tsofin-tsy mandreny, manana oron-tsy mahambolo.
Manan-tanan-tsy mandray, manan-tongo-tsy mamindra. Ireo namorona azy ireny, ireo matoky ny hotahìny, enga anie hanahaka azy!
Ry taranak’i Israely, itokio ny Tomponao, sady Vonjy no ampinga. Ry taranak’i Aarôna, itokio ny Tomponao, sady vonjy no ampinga.


Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Boky Jenezy

Jen. 32, 22-32


Hatao hoe Israely ny anaranao, satria efa niady tamin’Andriamanitra ianao ka nahery.

Tamin’izany andro izany, dia nitsangana andro alina i Jakôba, nalainy ny vadiny roa sy ny ankiziny roa vavy ary ny zanany iraika ambin’ny folo lahy: dia nita tamin’ny fitàna tao Jabaoka izy. Nalainy ireo, nampitainy ny rano, ary nampitainy koa ny fananany.

Dia i Jakôba irery sisa nijanona teo, ary nisy lehilahy anankiray nitolona taminy, mandra-pahazavaratsin’ny andro. Nony hitan-dralehilahy fa tsy naharesy azy izy, dia ny famavàn’ny feny no notendreny ka nivika terý ny foto-pen’i Jakôba nandritra ny nitolomany taminy. Dia hoy izy tamin’i Jakôba: “Avelao aho handeha, fa efa hazava ratsy itý ny andro.” Fa hoy i Jakôba: “Tsy avelako handeha ianao, raha tsy efa nitso-drano ahy.” Dia hoy izy taminy: “Iza no anaranao?” Ary novaliany hoe: “Jakôba.” Ka hoy izy: “Tsy hatao hoe i Jakôba intsony ny anaranao, fa hatao hoe i Israely, satria efa niady tamin’Andriamanitra sy tamin’olombelona ianao ka nahery.” Dia nanontany azy kosa i Jakôba nanao hoe: “Masîna ianao, mba ampahalalao ahy kely ny anaranao.” Fa hoy izy: “Ahoana no anontanianao ny anarako?” Dia nitso-drano azy teo izy.

Ary nataon’i Jakôba hoe Fanoely ny anaran’io tany io, fa hoy izy: “Efa nahita an’Andriamanitra nifanatrika aho, nefa velona ihany ny aiko.” Nony niala teo Fanoely izy, dia indro hitany niposaka ny masoandro; nitolitsika anefa izy tamin’ny foto-peny. Izany no tsy ihinanan’ny zanak’i Israely ny hozatra lehibe ao amin’ny famavàn’ny fe mandraka androany, dia noho ny nanendren’Andriamanitra ny famavàn’ny fen’i Jakôba teo amin’ny hozatra lehibe.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 16, 1. 2-3. 6-7. 8b sy 15


Fiv.: Hibanjina ny tavanao aho, noho ny fahamarinako.

Henoy ny antsoko, ry Tompo! Ekeo re ny tarainako! Mampandria sofina amin’ny tonom-bavako, izay tsy avy amina molotra mpamitaka!
Ny tavanao mamoaha ny rariny ho ahy; ny masonao mahità ny hitsiny. Savao ny foko; tampohy alina aho; manasedrà, fa tsy hahita tsiny!
Miantso aho, ka valio Andriamanitra: anongilano sofina, henoy teny! Ataovy mahatalanjona ny hatsaram-ponao lehibe, ry Ilay Mpamonjy amin’ny fahavalo an’izay mifefy amin’ny tananao!
Ambeno toy ny anakandriamaso aho; afeno ao amin’ny aloky ny elatrao! Izaho noho ny fahamarinako, hibanjina ny tavanao, hivoky amin’ny endrikao raha mifoha!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Velomy araka ny hatsaram-ponao aho; mba hitandremako ny fanambarana avy amin’ny vavanao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 9, 32-38


Ny vary hojinjaina be, fa ny mpijinja no vitsy.

Tamin’izany andro izany, indro nentin’ny olona teo amin’i Jesoa itý lehilahy anankiray sady moana no azon’ny demony. Ary nony voaroaka ny demony, dia niteny ilay moana ka gaga ny vahoaka sady nanao hoe: “Tsy mbola nisy toa izany tamin’i Israely.” Fa ny Farisianina kosa nanao hoe: “Ny lehiben’ny demony no androahany ny demony.” Ary i Jesoa nitety ny tanàna sy ny vohitra rehetra, nampianatra teo amin’ny sinagôgany sy nitory ny evanjelin’ny fanjakan’Andriamanitra, ary nahasitrana ny aretina mbamin’ny rofy rehetra. Onena Izy nahita ireto vahoaka be nijaly sy nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry. Dia hoy Izy tamin’ny mpianany: “Ny vary hojinjaina be, fa ny mpijinja no vitsy; koa mihantà amin’ny tompom-bary mba haniraka mpijinja amin’ny variny.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Tompo ô, handio anay anie ny fanatitra atolotray hanajana ny Anaranao masina, ary hitantana anay isan’andro hanao asa mendrika ny lanitra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 33, 9

Andramo ary zahao fa tsara ny Tompo; sambatra ny olona mitoky aminy.


na hoe:

Mt. 11, 28

Mankanesa atý amiko ianareo rehetra mijaly sy vesaram-pahoriana, fa hanamaivana anareo Aho, hoy ny Tompo.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Tototry ny soa sarobidy avy aminao izahay, ry Tompo, ka mihanta aminao: mba ataovy mahazo ny fanomezana mahavonjy ary tsy hitsahatra midera Anao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0081