Sorona Masina ny Alahady 05 jolay 2020

ALAHADY FAHA-14 mandavantaona — A

I JESOA: BE FITIAVANA SY MALEMY FANAHY

Tononkira fidirana

Sal. 47, 10-11

Andriamanitra ô, mivetso ny hatsaram-ponao eto amin’ny Tempolinao izahay. Manerana ny vazan-tany ny Anaranao, ry Tompo, ka deraina hatraiza hatraiza. Ny fahamarinana dia eo an-tananao.

 

Asiana VONINAHITRA ANIE...

 

Fangatahana

Andriamanitra ô, ny Zanakao nietry tena no hanarenanao ny olombelona lavon’ny fahotana, koa ataovy heni-kafaliana masina izahay mino Anao, ary enga anie izahay nafahanao tamin’ny fanandevozan’ny fahotana mba hataonao finaritra migoka ny haravoana tsy manam-pahataperana.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka . . .Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Bokin’i Zakaria Mpaminany

Zak. 9. 9-10

Indro ny Mpanjakanao avy ho aty aminao manetry tena.

Hoy ny Tompo hoe: “Mifalia amin’ny hafaliana lehibe, ry zanaka vavin’i Siôna! Manaova feo firavoravoana, ry zanakavavin’i Jerosalema! Fa indro ny Mpanjakanao avy ho aty aminao; marina Izy sady arovan’Andriamanitra; manetry tena mitaingina ampondra, dia ampondra tanora, zanak’ampondravavy. Hofoanako tsy hisy ny kalesy fiadiana any Efraima, mbamin’ny soavaly ao Jerosalema. Ary hopotehina ny tsipîka fiadiana. Hilaza fiadanana amin’ny firenena Izy; ny Fanjakany dia hahatratra ny hatramin’ny ranomasina ka hatramin’ny ranomasina; ary hatramin’ny ony ka hakamin’ny faran’ny tany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Salamo fandinihana

Sal. 144, 1-2. 8-9.10-11. 13de-14

 

Fiv.: Manandratra Anao aho, ry Andriamanitro Mpanjaka, misaotra ny Anaranao, ry Ilay Mandrakizay.

Manandratra Anao aho, ry Andriamanitro Mpanjaka; ny Anaranao isaorako mandrakizay mandrakizay. Misaotra Anao isan’andro aho sy midera ny Anaranao mandrakizay.
Antra sy mangoraka ny Tompo, tsy malaky tezitra ary be fitiavana; tsara amin’izao rehetra izao ny Tompo, ny asany rehetra angorahany.
Midera Anao, ry Tompo, ny asanao rehetra, misaotra Anao ny mpivavaka aminao; ny voninahitry ny Fanjakanao resahiny, ny asanao mahery teneniny.
Marina amin’ny lalany rehetra ny Tompo, tsara fo amin’ny asany rehetra; ny Tompo eo anilan’izay miantso Azy, dia ireo izay miantso Azy marina.

 

VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma

Rôm. 8, 9. 11-13

 

Raha vonoinareo amin’ny Fanahy ny asan’ny nofo, dia ho velona ianareo.

Ry kristianina havana, ianareo dia tsy ao amin’ny nofo, fa ao amin’ny Fanahy, raha mitoetra ao anatinareo koa ny Fanahin’Andriamanitra. Raha misy tsy manana ny Fanahin’i Kristy, dia tsy an’i Kristy izy. Ary raha ny Fanahin’izay nanangana an’i Jesoa ho velona no mitoetra ao anatinareo, dia izay nanangana an’i Kristy Jesoa koa no hamelona ny vatanareo mety maty, noho ny Fanahiny izay mitoetra ao aminareo. Koa amin’izany, ry kristianina havana, tsy mpitrosa amin’ny nofo isika, ka ho velona ara-nofo. Satria raha velona ara-nofo ianareo, dia ho faty; fa raha vonoinareo amin’ny Fanahy ny asan’ny nofo, dia ho velona ianareo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Misaotra Anao aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 11, 25-30

Malemy fanahy sy manetry tena ao am-po Aho.

Tamin’izany andro izany i Jesoa niteny nanao hoe: “Misaotra Anao aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nanafina ny hevitrao tamin’ny hendry sy ny be saina Ianao, ary nanambara azy tamin’ny tso-po kosa. Eny, misaotra Anao aho, Raiko, fa izany no sitra-ponao. Efa nomen’ny Raiko Ahy ny zavatra rehetra ary tsy misy mahalala ny Zanaka afa-tsy ny Ray; ary tsy misy mahalala ny Ray afa-tsy ny Zanaka sy izay tian’ny Zanaka hanehoana Azy. Mankanesa aty amiko ianareo rehetra izay mitondra fahoriana sy vesaram-pijaliana, fa hanamaivana anareo Aho. Ento ny jiogako, ary mianara amiko, fa malemy fanahy sy manetry tena ao am-po Aho, dia hahita fiadanana ho an’ny fanahinareo ianareo, fa mora entina ny jiogako, ary maivana ny didiko”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Asiana IZAHO MINO...

 

Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, i Kristy be fitiavana sy malemy fanahy, dia miantso ny mijaly rehetra hohamaivaniny; koa ento am-bavaka hankeo aminy ireo rehetra ianjadiam-pahoriana eo amin’izao tontolo izao.

Valy: Ampio izahay, ry Tompo, hatoky ny fitiavanao anay.

* Mpanohy asa an’i Kristy ny Eglizy, ka manana adidy hampijoro fikambanana hanamaivana ny fahoriana eto an-tany; koa mangataha mba ho araka ny ilaina ankehitriny ny fikolokoloany an’ireo mijaly.
* Mivavaha ho an’ireo manana andraikitra eo amin’ny fiainam-bahoaka, mba hampian’Andriamanitra ho be fitiavana sy halemy fanahy izy, ka hiandraikitra marina ny madinika sy ny mitrongy vao homana.
* Tsy ny hendry sy ny be saina mandrakariva no tena mpikatroka, mahomby ao amin’ny Eglizy; koa mangataha amin’Andriamanitra mba hatorony ny madinika sy ny olon-tsotra, ny fomba fanitarana ny Fanjakany.
* Mivavaha mba ho azontsika sy hiaikentsika fa ny tena tokony hianarantsika amin’i Jesoa dia Izy malemy fanahy sy manetry tena.

 

— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana sy eran-tany.

 

Tompo ô, be ny fahoriana eo amin’izao tontolo izao, koa tohano amin’ny fahasoavanao izahay osa sy malemy, mba ho be fitiavana sy halemy fanahy, dia hahita fa mora entina ny jioganao ary maivana ny didinao.

Fa Ianao velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.

 

Vavaka Fanolorana

Tompo ô, handio anay anie ny fanatitra atolotray, hanajana ny Anaranao masina, ary hitantana anay isan’andro hanao asa mendrika ny lanitra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Prefasy: Alahady tsotra VI, ohatra.

 

Kômonio

Sal. 33, 9

Andramo ary zahao fa tsara ny Tompo; sambatra ny olona mitoky aminy.

 

na hoe:

Mt. 11, 28

Mankanesa aty amiko ianareo rehetra mijaly sy vesaram-pahoriana, fa hanamaivana anareo Aho, hoy ny Tompo.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Tototry ny soa sarobidy avy aminao izahay, ry Tompo, ka mihanta aminao: mba ataovy mahazo ny fanomezana mahavonjy ary tsy hitsahatra midera Anao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.056