Sorona Masina ny Alarobia 01 jolay 2020

Herinandro faha-13 mandavantaona

ALAROBIA

 

Tononkira fidirana

Sal. 46, 2

 

Mitehafa tanana, ry vahoaka rehetra, miderà an’Andriamanitra amin’ny hobim-pifaliana.

 

Fangatahana

Andriamanitra ô, ny fahasoavanao no nanangananao anay ho zanaky ny fahazavana, koa mihanta aminao izahay aza avela ho rakotry ny haizin’ny hevi-diso fa ataovy mamiratra lalandava amin’ny fahazavan’ny fahamarinana.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

 

Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Bokin’i Amôsy Mpaminany

Amôsy 5, 14-15. 21-24

 

Halaviro Ahy ny finaonaonan’ny hiranareo fa aoka hisononoka toy ny rano kosa ny fitsarana.

Izao no lazain’ny Tompo: Ny tsara no tadiavo, fa aza ny ratsy, mba ho velona ianareo, ka homba anareo ny Tompo, Andriamanitry ny tafika, araka ny lazainareo. Ankahalao ny ratsy, fa ny tsara no tiavo, ary ampanjakao eo am-bavahady indray ny rariny; angamba ny Tompo Andriamanitry ny tafika, dia hamindra fo amin’izay sisa amin’i Jôsefa! Halako sy tsy ahoako akory izay fetinareo, tsy hankamamîko akory ny fiangonanareo. Raha manolotra sorona dorana amam-panatitra ianareo, tsy mankatelina izany Aho; ary izay fisoronanareo zanak’ondry matavy tsy jereko velively. Halaviro Ahy ny finaonaonan’ny hiranareo; aoka tsy ho reko akory izay feon-dokanganareo! Fa aoka hisononoka hoatra ny rano kosa ny fitsarana; ary toy ny ranon-driaka tsy mety ritra ny fahamarinana!

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 49, 7. 8-9. 10-11. 12-13. 16bd-17

 

Fiv.: Izay misorona saotra no hasaiko: ka hohetsahiko amin’ny vonjiko.

Mandrenesa, ry oloko, fa hiteny Aho; fa hampamoaka anao Aho, ry Israely: dia Izaho Andriamanitra, Ilay Andriamanitrao.
Tsy ny fanatitrao no ampamoahako anao: na ny sorona doranao izay anoloako lalandava! Ahoako inona izay vantotr’omby ao an-tranonao, na izay osilahy ao am-pahitrao?
Fa Ahy avokoa ny biby any an’ala, sy ny biby any am-bohitra mideza. Fantatro avokoa ny vorona eny an-danitra; ny mihetsika eny an-tsaha dia Ahy koa.
Noana Aho: tsy hilaza aminao: fa Ahy izao tontolo izao sy izay mameno azy. Moa Aho homana nofon’ombalahy, na misotro ran’osilahy?
Ahoana ianao no mitanisa ny didiko, sy manao ny fanekeko eo am-bava; ianao mpankahala anatra, sy mpanipy ny Teniko any ivoho.

 

Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Boky Jenezy

Jen. 21, 5. 8-20

 

Tsy mahazo miray lova amin’i Isaaka zanako ny zanak’io mpanompovavy io.

Efa zato taona i Abrahama tamin’ny nahaterahan’i Isaaka zanany. Nihalehibe ny zaza dia notàzana. Ary nanao fanasana lehibe i Abrahama tamin’ny andro nanotazana an’i Isaaka. Ilay zanak’i Agara Ejipsianina naterany tamin’i Abrahama kosa, hitan’i Sarà fa nihomehy, ka hoy izy tamin’i Abrahama: “Roahy io andevovavy io sy ny zanany; fa ny zanak’io andevovavy io dia tsy mahazo miray lova amin’ny zanako, amin’i Isaaka.” Nampalahelo mafy an’i Abrahama izany teny izany, noho ny amin’ny zanany. Fa hoy Andriamanitra tamin’i Abrahama: “Aza atao mampalahelo anao ny amin’ny zaza sy ny andevovavinao, fa na inona na inona angatahin’i Sarà, ekeo avokoa, satria avy amin’i Isaaka no hiavian’ny taranaka hitondra ny anaranao. Kanefa hotongaviko firenena ihany koa ny zanaky ny andevovavinao, satria terakao izy.”

Dia nifoha maraina koa i Abrahama, ka naka mofo sy rano eran’ny siny hoditra anankiray; nomeny an’i Agara sy nataony teo an-tsorony ireo ary ny zaza koa, dia nalefany izy. Nandeha ravehivavy ka nirenireny tany an’efitr’i Bersabea tany. Nony lany ny rano tamin’ilay siny hoditra, dia nariany teo am-poto-kazo kely anankiray ny zaza; ary lasa izy nipetraka lavidavitra tandrifiny sahabo ho tra-tsipîka; fa hoy izy: “Tsy tiako ny hahita ny hahafatesan’ny zaza.” Koa nipetraka tandrifiny izy, dia nanandra-peo ary nitomany. Andriamanitra nandre ny feon’ny zaza, ka ny Anjelin’Andriamanitra tany an-danitra dia niantso an’i Agara nanao hoe: “Fa maninona izato ianao, ry Agara? Aza matahotra fa efa henon’Andriamanitra ny feon’ny zaza, ao amin’ny toerana misy azy. Mitsangàna ianao, areno ny zaza, ka tantano izy; fa hataoko firenena lehibe izy.” Dia nampahiratin’Andriamanitra ny mason’i Agara, nahita lavaka fantsakana izy, ary nofenoiny rano tao ny siny hoditra, dia nampisotroiny ny zaza. Nomban’Andriamanitra ny zaza, ka nihalehibe; ary nonina tany an’efitra izy, sy tonga mpandefa tsipîka.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 33, 7-8. 10-11. 12-13

 

Fiv.: Itý ory: velona antso ka novalian’ny Tompo.

Itý ory: velona antso ka novalian’ny Tompo; ny ahiahiny rehetra namonjeny azy. Ny Anjeliny milasy manodidina mba hamonjy izay matahotra ny Tompo.
Matahora ny Tompo ianareo masiny: fa izay matahotra Azy tsy orin’inona. Ny tremalahy no tonga mahantra sy noana; izay mitady ny Tompo tsy orin-tsoa inona.
Avia, rey anaka, mihaino ahy hampianariko ny tahotra ny Tompo! Iza no olona mankamamy fiainana sy maniry hahita andro mahasambatra?

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Andriamanitra nampihavana an’izao tontolo izao aminy indray tamin’ny alalan’i Kristy sy nametraka indray ny teny fampihavanana tamintsika.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 8, 28-34

 

Tonga Ianao hampijaly ny demony amin’izao fotoana izao.

Tamin’izany andro izany, nony efa tonga teny am-pita tamin’ny tanin’ny Geraseny i Jesoa, dia nisy lehilahy roa nidiran’ny demony, nivoaka avy tamin’ny fasana, ka namantana taminy; masiaka loatra izy ireo, ka tsy nisy sahy nihazo izany lalana izany. Ary indreo izy niantso hoe: “Mifampaninona izahay sy Ianao, ry Jesoa Zanak’Andriamanitra? Hampijaly anay alohan’ny fotoana va no nalehanao atý?” Ary nisy kisoa betsaka iray dia, nihinana teny lavidavitra Azy teny, ka nihanta tamin’i Jesoa ny demony nanao hoe: “Raha dia roahinao hiala eto àry izahay, mba alefaso amin’iretsy andian-kisoa iretsy.” Ary hoy Izy taminy: “Mandehana.” Dia nivoaka ireo, ka niditra tamin’ny kisoa; niaraka tamin’izay, nirifatra nivarina any anaty ranomasina ny kisoa rehetra, ka maty tany anaty rano. Ary nandositra ny mpiandry azy: ka nony tonga tany an-tanàna, dia nilaza izany rehetra izany, sy ny amin’ireo olona roa nidiran’ny demony. Dia indreny ny mponina rehetra tao an-tanàna nivoaka nitsena an’i Jesoa, ka nony nahita Azy, dia niangavy taminy mba hiala amin’ny faritaniny.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Vavaka Fanolorana

Andriamanitra ô, Ianao no mampisy hasina ny Sorona atolotray, ka enga anie ny fanompoanay Anao hifanaraka amin’ireto fanatitra masina ireto.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Kômonio

Sal. 102, 1

Isaory ny Tompo, ry fanahiko, isaory ny Anarany masina, ry hery ao anatiko rehetra!

 

na hoe:

Jo. 17, 20-21

Ray ô, hoy ny Tompo, mangataka ho azy ireo Aho, mba ho iray ao amintsika izy rehetra, ka hinoan’izao tontolo izao fa Ianao no naniraka Ahy.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, enga anie hankahery anay bebe kokoa ny Sorona masina natolotray sy nandraisanay anjara izao, ary enga anie izahay ho tia Anao sy hiray aminao hatrany ka hitondra vokatra maharitra mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


 
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0772