Sorona Masina ny Talata 30 jona 2020

Herinandro faha-13 mandavantaona

TALATA

 

Tononkira fidirana

Sal. 46, 2

 

Mitehafa tanana, ry vahoaka rehetra, miderà an’Andriamanitra amin’ny hobim-pifaliana.

 

Fangatahana

Andriamanitra ô, ny fahasoavanao no nanangananao anay ho zanaky ny fahazavana, koa mihanta aminao izahay aza avela ho rakotry ny haizin’ny hevi-diso fa ataovy mamiratra lalandava amin’ny fahazavan’ny fahamarinana.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

 

Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Bokin’i Amôsy Mpaminany Amôsy

Amôsy 3, 1-8 ; 4, 11-12

 

Efa niteny ny Tompo ka iza no tsy haminany?

Ry zanak’i Israely, henoy izao teny notononin’ny Tompo ny aminareo izao, sy ny amin’ny fianakaviana rehetra nentiko niakatra avy any amin’ny tany Ejipta, — dia ny teniny manao hoe: Ianareo irery no fantatro tamin’ny firenena rehetra ambonin’ny tany; ka izany no hamaizako anareo noho ny helokareo rehetra.

Miara-mandeha va ny olona roa, raha tsy efa nifanaiky izy? Mierona any an’ala va ny liona, raha tsy efa nahazo remby? Maneno any an-davany va ny feon’ny liona tanora, raha mbola tsy nahazo na inona na inona akory? Latsaka eo amin’ny fandrika eo amin’ny tany va ny fody, raha tsy misy hanim-pandrika ho azy ao? Moa miainga avy eo amin’ny tany va ny fandrika, raha tsy efa nahazo zavatra izy? Trômpetra va no haneno ao an-tanàna, ka tsy hivadi-po ny vahoaka? Misy loza tonga amin’ny tanàna va, raha tsy ny Tompo no nahatonga izany? Fa tsy manao na inona na inona ny Tompo Andriamanitra, raha tsy efa nanambara ny heviny miafina tamin’ny mpaminany, mpanompony. Efa nierona ny liona, ka zovy no tsy hatahotra? Efa niteny ny Tompo Andriamanitra, ka iza no tsy haminany?

Nahatonga fanakorokoroana ao anatinareo aho toy ny nanakorokoroan’Andriamanitra an’i Sôdôma sy Gômôra, ary ianareo izany, dia toy ny forohana voatsoaka tamin’ny hain-trano; nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo, — teny marin’ny Tompo — Ka noho izany, izao no hataoko aminao, ry Israely. Koa rahefa izany no hataoko aminao, dia miomàna amin’izany fihaonana amin’Andriamanitrao izany ianao, ry Israely.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 5, 5-6. 7. 8.

 

Fiv.: Tompo ô, tariho araka ny fahamarinanao aho.

Tsia, tsy mba Andriamanitra tia ratsy Ianao; ny olon-dratsy tsy monina ao aminao; ny adala tsy mijoro eo anoloan’ny masonao; ny mpanao ratsy rehetra tsy tohanao.
Ny mpiteny lainga levoninao; ny tia ra, ny mpamitaka, halan’ny Tompo!
Fa izaho, noho ny hatsaram-ponao lehibe, dia hiditra ny Tranonao, hiankohoka ao an-Tempolinao masina, miaraka amin’ireo mpanoa Anao,

 

Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Boky Jenezy

Jen. 19, 15-29

 

Nalatsaky ny Tompo tamin’i Sôdôma sy Gômôra ny solifara sy ny afo.

Tamin’izany andro izany nododonan’ny Anjely i Lôta nataony hoe: “Mitsangàna ianao, ento ny vadinao sy ireto zanakao roa vavy eto, fandrao dia maty ianao amin’ny loza hanasaziana ny tanàna.” Mbola nitaredretra anefa izy, dia noraisin’izy roa lahy tamin’ny tanany izy sy ny vadiny ary ny zanany roa vavy, fa tian’ny Tompo ny hiaro azy, dia nentiny izy, navoakany tany ivelan’ny tanàna. Nony tafavoaka izy, dia hoy ny iray tamin’ireo Anjely: “Mandosira fa mihatra amin’ny ainao izao, ka aza miherika any ivohonao ary aza miato na aiza na aiza eny amin’ny tany lemaka; mandosira any an-tendrombohitra, fandrao maty ianao.” Hoy i Lôta tamin’izy ireo: “Tsia, Tompoko, efa nahita fitia eo imasonao ihany ny mpanomponao, ary efa naneho hatsaram-po lehibe tamin’ny mpanomponao ianao, tamin’ny namelomanao ny aiko; nefa tsy afa-mandositra any an-tendrombohitra aho, fa atahorako mihitsy ny ho tratry ny fandravana ka ho faty. Jereo fa misy tanàna akaiky ialofako itsy, sady tanàna kely foana, ka aoka re mba ho ao aho no handositra, fa kely rahateo io, dia ho velona aho.” Dia hoy izy taminy: “Eny àry, ekeko ihany koa ny fangatahanao tsy handrava io tanàna io. Fa mandehàna faingana àry handositra ao fa tsy afa-manao na inona inona aho, raha tsy efa tonga ao ianao.” Izany no anaovana ny anaran’io tanàna io hoe Segôra. Niposaka tamin’ny tany ny masoandro, dia tonga tao Segôra i Lôta. Tamin’izay dia nalatsaky ny Tompo tamin’i Sôdôma sy Gômôra ny solifara sy afo avy any amin’ny Tompo any an-danitra, ka nandrava ireo tanàna ireo, mbamin’ny tany lemaka rehetra, sy ny mponina rehetra teo amin’ny tany. Niherika ny vadin’i Lôta ka zary andry, sira.

Nifoha marainakoa i Abrahama dia nankany amin’ilay toerana nijanonany teo anatrehan’ny Tompo. Nitazana nankany Sôdôma sy Gômôra mbamin’ny tany lemaka rehetra izy, ka nahita setroka niakatra avy amin’ny tany toy ny setroka avy amin’ny memy. Nahatsiaro an’i Abrahama Andriamanitra raha nandrava ny tanàna teo amin’ny tany lemaka, ka nanafaka an’i Lôta tamin’ny fikorontanana Izy, nony nanakorontana ny tanàna nonenan’i Lôta.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 25, 2-3. 9-10. 11-12

 

Fiv.: Ny hatsaram-ponao, ry Tompo, no anoloan’ny masoko.

Diniho aho, ry Tompo, tsikilovy; sedrao ny saiko sy ny foko! Ny hatsaram-ponao no anoloan’ny masoko; ny fahamarinanao no izorako.
Aza aharo amin’ny mpanota ny fanahiko, na amin’ny olon-tia ra ny aiko. Ny tanany ilany mivimbina sampy; ny ilany feno kolikoly.
Fa izaho madio fiaina. Koa avoty, ry Tompo, iantrao! Fa miara-mamindra amin’ny olo-marina aho, ary misaotra ny Tompo ao am-piangonana.

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Fanahy sy fiainana ny teninao, ry Tompo; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 8, 23-27

 

Niarina Izy nandidy ny rivotra sy ny ranomasina, ka tonga tony dia tony ny andro.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niondrana tamin’ny sambo kely ka narahin’ny mpianany. Dia indro nisy tafio-drivotra mafy tamin’ny ranomasina, ka efa safotry ny onjan-drano ny sambo kely, ary Izy anefa natory. Dia nanatona Azy ny mpianany, ka namoha Azy nanao hoe: “Tompoko, vonjeo izahay, fa maty.” Ary hoy i Jesoa taminy: “Nahoana no saro-tahotra ianareo, ry kely finoana?” Dia niarina Izy, nandidy ny rivotra sy ny ranomasina, ka tonga tony dia tony ny andro. Ary gaga ny olona, ka nanao hoe: “Iza io Lehilahy io no manaiky Azy ny rivotra sy ny ranomasina?”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Vavaka Fanolorana

Andriamanitra ô, Ianao no mampisy hasina ny Sorona atolotray, ka enga anie ny fanompoanay Anao hifanaraka amin’ireto fanatitra masina ireto.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Kômonio

Sal. 102, 1

Isaory ny Tompo, ry fanahiko, isaory ny Anarany masina, ry hery ao anatiko rehetra!

 

na hoe:

Jo. 17, 20-21

Ray ô, hoy ny Tompo, mangataka ho azy ireo Aho, mba ho iray ao amintsika izy rehetra, ka hinoan’izao tontolo izao fa Ianao no naniraka Ahy.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, enga anie hankahery anay bebe kokoa ny Sorona masina natolotray sy nandraisanay anjara izao, ary enga anie izahay ho tia Anao sy hiray aminao hatrany ka hitondra vokatra maharitra mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


 
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.008