Sorona Masina ny Alahady 14 jona 2020

ALAHADY MANARAKA NY TRINITE MASINA — Taona A

NY VATANA AMAN-DRA MASIN’I KRISTY

I JESOA ZANAK’ANDRIAMANITRA NO MOFON’NY FIAINANA

Lokon’akanjo: fotsy

Tononkira fidirana

Sal. 80, 17

Nofahanany vary matsiro izy, ary novokisany tantely remby.

 

Asiana VONINAHITRA ANIE...

 

Fangatahana

Andriamanitra ô, namelanao ny fahatsiarovana ny fijalianao izahay amin’izao Sakramenta mahagaga izao, koa enga anie ho fatra-panaja izany mistery misy ny Vatanao sy ny Ranao izany izahay mba handrenesanay lalandava ny vokatry ny fanavotanao anay.
Fa Ianao Andriamanitra velona sy manjaka miaraka amin’Andriamanitra Ray ao amin’ny Fanahy Masina, amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Boky Deterônômy

Det. 8, 2-3. 14b-16a

Nanome hanina izay tsy fantatrao sy ny razanao ny Tompo.

Tamin’izany andro izany, niteny tamin’ny vahoaka i Môizy nanao hoe: “Tsarovy ireo lalana rehetra izay nasain’ny Tompo Andriamanitrao nandehananao tany an’efitra, nandritra ny efapolo taona izao, mba hampanetry tena anao, sy hitsapa ny tenanao, dia hahalalany izay hevitra ao am-ponao, na hitandrina ny didiny ianao, na tsia. Nampietry tena anao Izy, sy namela anao ho noana, ary namahana anao tamin’ny mana, izay tsy fantatrao, na fantatry ny razanao, mba hampahalalàny anao fa tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa izay rehetra mivoaka avy amin’ny vavan’Andriamanitra no iveloman’ny olona. Aza hadinoina ny Tompo Andriamanitrao, Izay nampivoaka anao avy tany amin’ny tany Ejipta, tamin’ny trano fanandevozana, Izay nitondra anao tany an’efitra lehibe sy mahatahotra, misy bibilava mivaivay sy maingoka, amin’ny fitoerana ngàzana sy tsy misy rano; Izay nampiboiboika rano ho anao avy amin’ny vatolampy mafy indrindra, Izay nanome mana hohaninao tany an’efitra, dia zavatra tsy fantatry ny razanao akory”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Salamo fandinihana

Sal. 147, 12-13. 14-15. 19. 20

 

Fiv.: Ankalazao ny Tompo, ry Jerosalema.

Ankalazao ny Tompo, ry Jerosalema; derao ny Andriamanitrao, ry Siôna: fa ny vavahadinao ataony tsara hidy, ny zanakao anivonao tahîny.
Ny faritaninao fenoiny fiadanana, izaitratra sy fy ny vary omeny anao. Alefany eto an-tany ny teniny, ka miriotra mitety ny tontolo.
Nambarany tamin’i Jakôba ny teniny, tamin’i Israely ny didy aman-tsatany: tsy nanaovany izany ireo hafa firenena, ny satany tsy mba nasehony an’ireny.

 

VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasy voalohan’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty

1 Kôr. 10, 16-17

 

Iray ihany ny Mofo, ka dia tena iray ihany koa isika na dia maro aza.

Ry kristianina havana, moa ny kalisim-pisaorana izay isaorantsika, tsy firaisana amin’ny Ran’i Kristy va? Ary moa ny mofo izay vakîntsika, tsy firaisana amin’ny Tenan’i Kristy va? Satria iray ihany ny Mofo, ka dia tena iray ihany koa isika na dia maro aza, fa Mofo iray ihany no iombonantsika rehetra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Antsa (Azo avela, na ny anatin’ny […] ihany no atao raha hafohezina)

Derao ny Mpamonjy, ry Siôna, Hobio sy antsao ny Kiadinao sy Mpifehy anao.
Mikezaha araka izay tratry ny ainao, satria ambony noho ny dera rehetra Izy, ka tsy ampy hidera Azy ianao.
Ny deraintsika anio indrindra dia ilay Mofo velona, ilay Mofo manome aina.
Dia ilay Mofo nomena ny Apôstôly roa ambin’ny folo araka ny efa fantatsika, tamin’ilay Fanasana farany.
Aoka ny fiderana ataontsika hanetriketrika ary aoka ny hirantsika hahate-hihaino, aoka ny hafaliantsika ho tsara.
Satria ilay andro malaza namoronana io Fanasana masina io no deraintsika anio izao.
Amin’izany fanasan’ny Mpanjaka vaovao izany dia ny Paka vaovaon’ny Lalàna vaovao no misolo ny Paka taloha.
Ny fomba vaovao: mandimby ny fomba taloha; ny marina mampisava ny aloka, ary ny fahazavana mamono ny haizin’ny alina.
Izay nataon’i Kristy tamin’ilay sakafo hariva dia nodidiany hatao ho fahatsiarovana Azy.
Ny nataony no arahinay ka dia manamasina ny mofo sy ny divay hanjary ho sorom-pamonjena izahay.
Teny finoana ho an’ny kristianina no ahatongavan’ny mofo ho Nofo, sy ny divay ho Ra.
Izay tsy azonao, izay tsy hitan’ny masonao dia ampiaiken’ny finoana velona, na dia tsy araka ny fomban’ny zava-boaary aza.
Ao anatin’ny endri-javatra samy hafa endrika fotsiny tsy misy ventiny intsony no iafenan’ny zava-tsoa faran’izay ambony.
Ny Nofo dia hanina ary ny Ra dia fisotro, fa ny endrika roa dia samy misy ny Tenan’i Jesoa Kristy manontolo.
Tsy tapaka izy, tsy mivaky, tsy saratsarahin’ny mpandray fa raisina manontolo.
Na olona iray na olona arivo no mandray dia izay raisin’ny arivo no raisin’ny iray mandray izy rehetra fa tsy mahalany Azy.
Mandray ny tsara fanahy, mandray koa ny ratsy fanahy fa tsy mitovy izay anjarany: na ho fiainana izany na ho fahafatesana.
Fahafatesana no azoa’ny ratsy fanahy, ary fiainana no hitan’ny tsara fanahy: endrey ity tsy fitoviam-bokatra nefa hanina iray ihany no hanina! Ilay vakîna iny ny endrika dia aza misalasala ianao fa tsarovy fa na hôstia sombiny na manontolo tsy mivaky; dia samy misy an’i Jesoa Kristy manontolo.
Ny Tena izay takon’ny endrika dia tsy vaky akory; ilay endrika hita maso ihany no motika fa Ilay ambarany dia tsy miova toetra.

 

(Eto no manomboka raha ny fohy)

 

Indro Ilay Mofon’ny Anjely manjary vatsy ho an’ny olombelona mpivahiny: tena sakafon’ny zanaka tokoa ka tsy tokony hatsipy hohanin’ny amboa.
Efa voatandindona fahiny izy, na tamin’i Isaaka natao sorona, na tamin’ny zanak’ondrin’ny Paka, na tamin’ny mana namelona ny razantsika tany an’efitra.
Ry Jesoa Mpiandry ondry tsara, ry Mofo mahavelona, mamindrà fo aminay, aoka Ianao ho hanina hamelona sy hanohana anay, ary aoka Ianao hampahita anay ny soa any amin’ny tanin’ny Velona.
Ianao no mahalala sy mahefa ny zavatra rehetra, ka mamahana anay eto an-tany; koa eto izahay miara-misakafo aminao, ka dia tongavy ho mpiray lova, sy ho naman’ireo mponina masina any an-danitra. Amen.]

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izaho no Mofo velona izay nidina avy any an-danitra, hoy ny Tompo; izay mihinana amin’ity Mofo ity dia ho velona mandrakizay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md Joany

Jo. 6, 51-59

Tena fihinana ny Nofoko ary tena fisotro ny Rako.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nilaza tamin’ny vahoaka Jody nanao hoe: “Izaho no Mofo velona izay nidina avy any an-danitra: raha misy mihinana ity mofo ity dia ho velona mandrakizay izy, ary ny Mofo izay homeko dia ny Nofoko ho fiainan’izao tontolo izao”. Dia nifanditra ny Jody nanao hoe: “Hataon’Ilay io ahoana àry no fanome antsika ny Nofony hohanina?” Fa hoy i Jesoa tamin’izy ireo: “Lazaiko marina dia marina aminareo, fa raha tsy mihinana ny Nofon’ny Zanak’olona ianareo, sy tsy misotro ny Rany, dia tsy manana ny fiainana ao aminareo. Izay mihinana ny Nofoko sy misotro ny Rako no manana ny fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin’ny farandro. Fa tena fihinana ny Nofoko, ary tena fisotro ny Rako. Izay mihinana ny Nofoko sy misotro ny Rako dia mitoetra ao anatiko ary Izaho ao anatiny. Velona ny Ray naniraka Ahy, Izaho koa dia velona amin’ny Ray: toy izany koa no hahavelona amiko izay mihinana Ahy. Izany àry no Mofo nidina avy any an-danitra: tsy mba tahaka ny razanareo izay nihinana mana nefa maty ihany; fa izay mihinana ity Mofo ity kosa dia ho velona mandrakizay”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Asiana IZAHO MINO...

 

Ranombavaky ny mpino

Tafavory manotrona an’i Kristy isika anio, dia i Kristy ilay mamelona antsika amin’ny Vatany sy ny Rany ao amin’ny Eokaristia: koa akambano amin’ny Azy ny vavaka ataontsika, mba hamelomany an’izao tontolo izao amin’ny AINY entiny ho antsika.

Valy: Aina sy vonjy Ianao, ry Tompo ô.

* Sakafon’ny Eglizy ny Eokaristia, koa mivavaha mba samy hazoto mihinana Azy ny Mpisorona sy ny vahoakan’Andriamanitra tontolo, mba hanovo hery sy hasambarana hatrany.
* Maro ny olona mbola tsy mahalala ny Eokaristia; koa angataho mba ho tonga aminy ny finoana marina: mba ho sakafo hahasambatra azy koa ny Vatana aman-dRan’i Kristy ao amin’ny Eokaristia.
* I Jesoa, nampitombo ny mofo mba hanala hanoanana ny vahoaka nihaino Azy, sy hanambaràny mialoha ny Eokaristia; koa enga anie ny Eokaristia hampitombo ny fahazotoantsika hifampizara ny manta sy ny masaka amin’ireo noana sy mangetaheta manodidina antsika.
* Miangona isan’alahady isika, koa angataho mba hampitombo finoana sy fifankatiavana antsika hatrany, ny Sorona Masina, ny Fanompoam-pivavahana andraisantsika anjara.

 

— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana sy eran-tany.

 

Tompo ô, vorînao ny vahoakanao ary velominao amin’ny Eokaristia Masina; koa enga anie ny fandraisanay anjara amin’ny fankalazana ny Eokaristia mba hanavao lalandava ny ainay am-panahy sy hampifankatia anay marina tokoa.

Fa Ianao velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.

 

Vavaka Fanolorana

Mitalaho aminao izahay, ry Tompo, mba ataovy miray fo sy miadana ny Eglizinao, fa izany no ambaran’ireto fanatitra atolotray ireto.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Prefasy: Ny Eokaristia Masina II

 

Kômonio

Jo. 6, 57

Izay mihinana ny Nofoko sy misotro ny Rako, hoy ny Tompo, dia mitoetra ao amiko ary Izaho ao aminy.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, mba ataovy faly mahita Anao Andriamanitra mandrakizay, fa izany no santarinay rehefa mandray ny Vatanao sy ny Ranao masina ety an-tany.

Fa Ianao velona sy manjaka amin’ny taona mandrakizay. Amen.

 

                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0077