Sorona Masina ny Asabotsy 06 jona 2020

Herinandro faha-9 mandavantaona

SABOTSY


Tononkira fidirana

Sal. 24, 16. 18


Mba todiho aho, ry Tompo, iantrao fa honjohonjoko izaho irery mahantra. Andriamanitra ô, zahao ny fahoriako sy ny fijaliako, avelao ny otako rehetra.


Fangatahana

Andriamanitra ô, milamina aoka izany ny fitantananao ny zavatra rehetra, ka mitalaho aminao re izahay: mba halaviro izay mety hanimba, omeo kosa izay mety hahasoa.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Taratasy faharoa nosoratan’i Md. Paoly Apôstôly ho an’i Timôte

2 Tim. 4, 1-8


Ataovy ny asan’ny mpitory Evanjely. Fa izaho efa haidina ho fanatitra, ary ny Tompo no hanome ahy ny satro-boninahitry ny fahamarinana.

Ry malala, izao no angatahiko aminao eo anatrehan’Andriamanitra sy i Kristy Jesoa, izay hitsara ny velona sy ny maty, ary noho ny andro hahatongavany sy hanjakany: mitoria ny teny, ary mahareta amin’izany na amin’ny fotoana, na tsy amin’ny fotoana; manitsia, mananara, mamporisiha, amim-pandeferana sy amim-pahaizana mandrakariva. Fa ho avy ny andro tsy hahazakan’ny olona ny fampianarana marina intsony; fa mpampianatra araka ny filàny no hovorîny ho azy sy hahalian-tsofina azy; dia hanentsin-tadîny amin’ny marina izy ireo, fa hanongilan-tsofina amin’ny angano foana. Fa ianao kosa, malîna amin’ny zavatra rehetra, miareta amin’ny fahoriana, ataovy ny asan’ny mpitory Evanjely, ary imasoy ny anjara raharahanao. Fa izaho dia mova tsy ny efa haidina ho fanatitra sahady, ary efa antomotra ny andro hialako. Niady ny ady tsara aho, nahatanteraka ny fihazakazahana aho, nitahiry ny finoana aho; hany sisa hataoko dia ny mandray ny satro-boninahitry ny fahamarinana, izay homen’ny Tompo mpitsara marina ahy amin’izany andro izany, ary tsy ho ahy ihany, fa ho an’izay rehetra tia ny hahatongavany koa.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 70, 8-9. 14-15ab. 17-18ab. 22.


Fiv.: Ny vavako mitanisa ny vonjinao.

Ny vavako feno fiderana Anao, sy fanatoavana Anao tontolo andro. Aza ariana amin’ny fahanterako aho; aza ilaozana raha lany hery.
Fa izaho mahandry lalandava; ny fiderana Anao tovonako hatrany ny vavako mitanisa tontolo andro ny fahamarinanao sy vonjinao!
Andriamanitra ô! mbola kely aho no nampianarinao, ka hatrizao dia manambara ny asanao mahagaga. Koa amin’izao antitra sy fotsy volo izao, aza ilaozanao aho, ry Andriamanitra.
Ka hidera Anao mafy amin-torim-baliha aho noho ny fahamarinanao, ry Andriamanitro, sy hiantsa Anao amin-dokanga, ry Ilay Masin’i Israely!


Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Bokin’i Tôbia

Tôb. 12, 1. 5-15. 20


Hiverina any amin’izay naniraka ahy aho: fa ianareo kosa misaora an’Andriamanitra.

Tamin’izany andro izany, niantso an-janany hankeo aminy i Tôbia ka nanao taminy hoe: “Inona no homentsika itý lehilahy masina nanaraka anao tany amin’ny dianao?” Dia nantsoin’i Tôbia mianaka izy, nentiny nitokana ka niangaviany mba hankasitraka ny handray ny antsasak’izay rehetra nentiny.

Tamin’izay itý Anjely niara-nitokana tamin’izy ireo nanao taminy hoe: “Misaora an’Andriamanitry ny lanitra, ary manomeza voninahitra Azy, eo anatrehan’ny manana aina rehetra, noho ny famindram-pony nataony taminareo. Tsara ny tsy mamboraboraka ny zava-miafin’ny mpanjaka, fa mendrika hoderaina kosa ny manambara sy mampiely ny asan’Andriamanitra. Ny vavaka ombam-pifadian-kanina dia tsara, ary ny fiantrana dia saro-bidy noho ny vola-mena aman-drakitra. Fa ny fiantrana manafaka amin’ny fahafatesana, ary izy no manala ny fahotana, ary mampahita ny famindram-po sy ny fiainana mandrakizay. Fa izay manao fahotana sy tsy fahamarinana kosa no fahavalon’ny tenany. Indro àry hasehoko anareo ny marina, ary tsy tiako ny hanafina na inona na inona aminareo. Raha ianao nivavaka tamin-dranomaso sy nandevina ny maty, raha ianao nandao ny sakafonao, nanafina ny maty tao an-tranonao ny antoandro, ary nandevina azy nony alina, izaho kosa nanolotra ny vavakao tamin’ny Tompo. Ary noho ianao sitrak’Andriamanitra, dia tsy maintsy notsapain’ny fakam-panahy ianao. Fa nirahin’ny Tompo aho ankehitriny hanasitrana anao, sy hanafaka an’i Sarà vadin-janakao amin’ny demony. Izaho no Rafaela, Anjely, anankiray amin’ireo fito mitsangana eo anatrehan’ny Tompo. Ary izao dia efa fotoana tsy maintsy iverenako any amin’izay naniraka ahy, fa ianareo kosa misaora an’Andriamanitra, aelezo ny asany mahagaga rehetra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo Tôb. 13, 2. 6. 7. 8.


Fiv.: Lehibe Ianao, ry Tompo, ao amin’ny mandrakizay.

Isaorana ilay Andriamanitra velona mandrakizay, Ilay mandrakizay ny Fanjakany! Fa mikapoka Izy ka mamindra fo, mampidina an-tSeoly ka mampiakatra. Ary tsy misy olona izay afaka amin’ny tanany!
Raha miverina aminy amin’ny fo tontolo ianareo, sy manao ny marina eo anoloany amin’ny fanahy tontolo, dia hiverina aminareo koa Izy, sy tsy hanafin-tava aminareo intsony!
Jereo ny nataony anareo: ka mankalazà Azy amin’ny vava tontolo! Isaory ny Tompon’ny Fahamarinana! Hirao ny Mpanjaka mandrakizay!
Izaho mankalaza Azy atý an-tany namaboana ahy, maneho ny hery sy halehibiazany amin’itý firene-mpanota: Miverena, ry mpanota, manaova ny marina eo anoloany sao mba ho sitrany ianareo ka hamindrany fo!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Misaotra Anao aho, ry Raiko, tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny fanjakanao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Marka

Mk. 12, 38-44


Io mpitondratena mahantra io no nandatsaka be indrindra tamin’izay rehetra nandatsaka tao amin’ny fandatsahan-drakitra.

Tamin’izany andro izany, izao no nolazain’i Jesoa ny vahoaka, tamin’ny fampianarany: “Mahîna amin’ny mpanora-dalàna, izay tia ny mitsangantsangana miakanjo mirebareba, sy ny arahabaina eny an-kianja, ary ny fipetrahana voalohany ao amin’ny sinagôga, mbamin’ny fitoerana ambony amin’ny fanasana. Fa miseho ho manao fivavahana lavareny izy ireny, kanjo mihinana ny fananan’ny mpitondratena, ka vao mainka hohelohina mafimafy kokoa.”

Raha nipetraka tandrifin’ny fandatsahan-drakitra i Jesoa, dia nijery ny fandatsaky ny olona tao, ary maro ny mpanan-karena no nandatsaka be. Ary nisy mpitondratena mahantra anankiray tonga tao koa, ka nandatsaka farantsa kely roa ankevitry ny variroaventy avy. Dia nantsoin’i Jesoa ny mpianany ka nilazany hoe: “Lazaiko marina aminareo fa io mpitondratena mahantra io no nandatsaka be indrindra tamin’izay rehetra nandatsaka tao amin’ny fandatsahan-drakitra; satria ireo rehetra ireo nandatsaka ny ambim-bavany, fa izy kosa nandatsaka izay ilainy, dia izay rehetra nananany sy ivelomany.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Tompo ô, matoky ny fitiavanao izahay miara-midodododo mitondra fanatitra eto amin’ny ôtelinao: ka handio anay anie ny fahasoavanao sy ny fanatitra entinay manompo Anao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 16, 6

Miantsa Anao aho, satria mihaino ahy Ianao, ry Andriamanitra; anongilano sofina aho, ka henoy teny.


na hoe:

Mt. 11, 23. 24

Lazaiko marina aminareo, hoy ny Tompo, fa na inona na inona angatahinareo amin’ny fivavahana, minoa fa ho azonareo izany, dia ho tanteraka tokoa.


Vavaka aorian’nv Kômonio

Enga anie, ry Tompo, hotarihin’ny Fanahinao Masina izahay, fa efa nofahananao tamin’ny Vatana aman-dRan’ny Zanakao, ka hidera Anao tsy am-bava fotsiny fa amin’ny asa sy ny toetra, ary ho mendrika hiditra any amin’ny fanjakan’ny lanitra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0253