Sorona Masina ny Alahady 24 mey 2020

ALAHADY FAHA-7 - Taona A fankalazana ny Paka

NY FIAINANA MANDRAKIZAY DIA NY MAHALALA AN’ANDRIAMANITRA

Lokon’akanjo: fotsy

Tononkira fidirana

Sal. 26, 7-9

Henoy, ry Tompo, ny feoko miantso Anao. Hoy ny foko taminao: «Mitady ny Endrikao aho; ny Endrikao, ry Tompo, no tadiaviko, aza afenina ahy ny salovan-Tavanao». Aleloia!


Asiana VONINAHITRA ANIE...


Fangatahana

Tompo ô, mba atreho ny vavakay: mino izahay fa ny Mpanavotra ny taranak’olombelona dia efa miombom-boninahitra aminao any an-danitra; kanefa kosa, enga anie mba ho tsapanay fa, araka ny nampanantenainy, dia eo aminay mandrakariva Izy, mandra-pahatapitr’izao tontolo izao.

Fa Izy Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly

Asa 1, 12-14

Niray saina izy rehetra ary naharitra nivavaka izy ireo.

Tamin’izany andro izany; nony tafakatra any an-danitra i Jesoa dia niverina tany Jerosalema ny Apôstôly, avy teo amin’ny tendrombohitra atao hoe Oliva, izay lalana azo aleha sabata raha eo Jerosalema. Nony tonga, dia niakatra tao amin’ilay rihana fitoerany izy ireo, dia i Piera sy i Joany, i Jakôba sy i Andre, i Filipo sy i Tômà, i Bartelemy sy i Matio, i Jakôba zanak’i Alfe sy i Simôna Zelôty, ary i Joda rahalahin’i Jakôba. Niray saina izy rehetra, ary naharitra nivavaka niaraka tamin’ny vehivavy sasany, sy i Maria Renin’i Jesoa, ary ny rahalahiny.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Salamo fandinihana

Sal. 26, 1. 4. 7-8a


Fiv.: Eny, matoky aho fa hahita ny hasoan’ny Tompo, any amin’ny tanin’ny velona.

Ny Tompo faniloko sy vonjiko: iza no hatahorako? Ny Tompo no mandan’ny aiko: zovy no hangovitako?
Fangatahana tsy mahasasatra ahy, hany ataoko Anao, ry Tompo: ny honina an-tranon’ny Tompo amin’ny andro rehetra iainako, mba hankafy ny hatsaran’ny Tompo sy hibanjina ny toerany masina.
Henoy, ry Tompo, ny feoko miantso; iantrao aho ka valio. Tadiavo ny Tavako, hoy ianao: ny Tavanao, ry Tompo, no tadiaviko.


VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasy voalohan’i Md. Piera Apôstôly

1 Pi. 4, 13-16


Sambatra ianareo raha tevatevaina noho ny Anaran’i Kristy.

Ry hava-malala, mifalia arakaraka ny iombonanareo fijaliana amin’i Kristy, mba hanananareo anjara amin’ny fifaliana sy firavoravoana amin’ny andro hisehoan’ny voninahiny. Sambatra ianareo raha tevatevaina noho ny Anaran’i Kristy, fa mitoetra ao aminareo ny Fanahin’ny voninahitra sy ny fahefana, dia ny Fanahin’Andriamanitra. Aoka tsy hisy mijaly ao aminareo noho izy mpamono olona, na mpangalatra, na mpanao ratsy, na mpitsiriritra fananan’olona; fa raha noho izy kristianina kosa no ijaliany, dia aoka tsy ho menatra amin’izany izy, fa vao mainka hanome voninahitra an’Andriamanitra aza, noho izany anarana izany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Tsy havelako ho kamboty ianareo, hoy ny Tompo, fa handeha Aho, ary ho avy eo aminareo indray ka ho faly ny fonareo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Joany

Jo. 17, 1-11a

Ray ô, omeo voninahitra ny Zanakao.

Tamin’izany andro izany: i Jesoa niandrandra ny lanitra ka nivavaka hoe: “Raiko ô, tonga ny fotoana: omeo voninahitra ny Zanakao, mba hanomezan’ny Zanaka voninahitra Anao, fa efa nomenao fahefana amin’ny nofo rehetra Izy, mba hanomezany ny fiainana mandrakizay an’izay rehetra nomenao Azy. Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahalala Anao hany Andriamanitra marina sy i Jesoa Kristy izay nirahinao. Nanome voninahitra Anao Aho tety ambonin’ny tany, fa tanterako ny asa nomenao Ahy hataoko. Ary ankehitriny kosa dia Anao, Raiko ô, ny manome voninahitra Ahy eo aminao, dia ny voninahitra ananako tao aminao talohan’ny nahariana izao tontolo izao. Nitory ny Anaranao tamin’ny olona nomenao Ahy ao amin’izao tontolo izao Aho; Anao izy ireo, ka nomenao Ahy, ary efa nitandrina ny teninao izy. Fantany ankehitriny fa avy aminao ny zavatra rehetra nomenao Ahy; satria nomeko azy ny teny nomenao Ahy ka noraisiny; dia fantany marina fa avy aminao Aho, ary ninoany tokoa fa Ianao no naniraka Ahy. Mangataka ho azy ireo Aho. Tsy mangataka ho an’izao tontolo izao Aho, fa ho an’izay nomenao Ahy, satria Anao izy ireo (fa Anao izay Ahy rehetra ary Ahy izay Anao rehetra), ary nahazo voninahitra amin’izy ireo Aho. Tsy ho eto amin’izao tontolo izao intsony Aho; izy ireo no ho eto amin’izao tontolo izao, fa Izaho kosa ho any aminao”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Asiana IZAHO MINO...


Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, eto amin’izao tontolo izao isika, ary mila antsika izao tontolo izao, satria isika no manohy ny asa famonjena nataon’i Jesoa Kristy. Koa mangataha mba hahay hampiasa ireo fiasana sy hery natorony antsika, dia ny fivavahana sy ny fiombonam-pijaliana aminy ary ny finoana ombam-pitiavana.

Valy: Ray ô, tia anay ny Zanakao e, ka tsinjovy izahay.

* Tsy eto amin’izao tontolo izao i Jesoa, fa ny Eglizy no navelany hanohy ny asam-pamonjena natombony, koa angataho ny Fanahy Masina hanampy azy lalandava, ary mivavaha indrindra ho an’ny Pretra mba ho tena mpitondra an’Andriamanitra eo am-pifaneraserany amin’ny olombelona izy.
* Manana adidy hanoro izay hampiray sy hahasambatra ny olona, ireo mpitondra ara-nofo: koa mivavaha ho azy mba hanazavan’Andriamanitra ny sainy fa lalana azo antoka hahatongavana amin’izany i Kristy sy ny Evanjeliny.
* Mivavaha ho an’ny mpiasa tany rehetra, indrindra any amin’ny firenena an-dalam-pandrosoana: mba ho ambinin’Andriamanitra izy, ka hahatsara ny fiveloman’ny zanak’olombelona ho mendrika kokoa ny maha-zanak’Andriamanitra azy.
* Ary mivavaha ho antsika tafangona eto: mba samy ho vavolombelon’i Kristy isika efa mino Azy, ho iraky ny Ray, ka hahay hizara ny finoana sy ny fitiavana Azy amin’ireo manodidina antsika.


— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana sy eran-tany.


Ry Jesoa Kristy Tompo ô, raiso ary akambano amin’ny vavaka nataonao ny fivavahanay; ka mba ho voninahitrao ny fiezahanay; ary tohano izahay haharitra mivavaka sy mitory ny Anaranao amin’izao tontolo izao.

Fa Ianao velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.


Vavaka Fanolorana

Mba raiso, ry Tompo, ny vavaka aman-tolotra ataonay mpino, ka izao fanompoam-pivavahana feno fitiavana izao anie hahatongavanay any amin’ny voninahitra any an-danitra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Ny Niakaran’ny Tompo


Kômonio

Jo. 17, 22

Ray ô, mangataka Aho mba ho iray izy ireo tahaka ny maha-iray Antsika. Aleloia!


Vavaka aorian’ny Kômonio

Mba henoy vavaka izahay, ry Andriamanitra Mpamonjy anay: enga anie izao Sorona masina izao, hahazoanay toky fa ho tanteraka ao amin’ny Eglizy rantsam-batan’i Kristy izay efa tontosa rahateo ao amin’Izy Filohanay.

Fa Izy velona sy manjaka amin’ny taona mandrakizay. Amen.


                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0541