Sorona Masina ny Zoma 27 martsa 2020

Karemy — Herinandro faha-4

ZOMA

Tononkira fidirana

Salamo 53, 3-4

 

Andriamanitra ô, vonjeo amin’ny Anaranao aho; omeo rariny amin’ny herinao Andriamanitra ô, henoy ny talahoko; mampandria sofina amin’ny teniko.

 

Fangatahana

Andriamanitra ô, notoloranao ny fanampiana ilainy ny tenanay osa sy malemy, koa mihanta aminao izahay: enga anie ny vokatry ny fanavaozana anay horaisinay amin’ny fo faly sy ravo ary hoentinay manitsy ny toe-piainanay.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

 

Boky Fahendrena

Fahendrena 2, 1a. 12-22

 

Aoka hohelohintsika amin’ny fahafatesana mahafa-baràka izy.

Tamin’ny faniasiavan’ny sainy no nifampilazan’ireo ratsy fanahy hoe: “Ifanakony ny marina, satria manahirana antsika izy, manohitra ny fomba fanaontsika, manîny antsika amin’ny fandikantsika ny lalàna ary manome henatra antsika ho tsy mifanara-toetra amin’izay nampianarana antsika. Mihambo ho manana ny fahalalana an’Andriamanitra izy, ary hataony hoe zanak’Andriamanitra ny anarany. Faniniana ny hevitsika izy ho antsika ary tsy zakantsika na ny mahita azy fotsiny aza; satria tsy mba tahaka ny an’ny olon-kafa ny toe-piainany ary ny lalany hafahafa. Araka ny heviny, isika dia faikan-java-maloto foana, ny fomba fiainantsika fadìny toy ny loto: ny anjaran’ny marina, torîny ho tsara miafara; ary mirehaka ho manana an’Andriamanitra ho rainy izy. Aoka ho zahantsika raha marina ny filazany, ary hodinihintsika izay hahazo azy, eo am-pialana amin’itý fiainana itý. Satria raha zanak’Andriamanitra ny marina, dia arovan’Andriamanitra izy, ary hoafahany amin’ny tanan’ny fahavalony. Ka sedrao amin’ny latsa amam-pijaliana izy hoe, hahitana izay fandeferany, hitsapana izay faharetany! Helohy ho faty amin’ny fahafatesana mahafa-baràka izy, satria araka ny filazany dia hoahîn’Andriamanitra izy.”

Izany no hevitr’izy ireo; diso hevitra anefa izy; fa jamban’ny haratsiany. Tsy mahalala ny hevi-miafin’Andriamanitra izy, tsy manantena valisoa noho ny fahamasinana; ary tsy mino fa hisy valisoa ho an’ny fanahy madio.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 33, 17-18. 19-20. 21 sy 23

 

Fiv.: Ny Tompo eo anilan’ny torotoro fo.

Ny tavan’ny Tompo amin’ny mpanao ratsy, mba hahavery tadidy azy eto an-tany. Ny olo-marina vao miantso dia henon’ny Tompo. Ny ahiahiny rehetra esoriny aminy.
Ny Tompo eo anilan’ny torotoro fo, sy mamonjy ny rera-tsaina. Na maro fahoriana aza ny olo-marina, dia afahan’ny Tompo amin’izy rehetra.
Ny taolany ambenany avokoa, ka tsy ahatapahana iray akory. Ny fanahin’ny mpanompony avotan’ny Tompo; tsy hisy ho voasazy izay mifefy aminy!

 

Fihobiana ny Evanjely

Dera ho Anao, ry Kristy, Mpanjakan’ny voninahitra mandrakizay.

Izaho no fananganana ny fiainana, hoy ny Tompo; izay mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay.

Dera ho Anao, ry Kristy, Mpanjakan’ny voninahitra mandrakizay.

 

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Joany

Jo. 7, 1-2. 10. 25-30

 

Nitady hisambotra Azy izy ireo, nefa mbola tsy tonga ny fotoany.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nitety an’i Galilea fa tsy nety nankany Jodea, satria nitady hahafaty Azy ny Jody. Ary efa akaiky ny fetin’ny Jody atao hoe fetin’ny Tranolay. Kanjo nony lasa ny rahalahiny, dia mba niakatra hamonjy ny fety ihany koa Izy, saingy tsy nisehoseho, fa toa niafinafina. Tamin’izay, dia nisy mponina sasany tao Jerosalema nanao hoe: “Moa tsy Izy io ilay tadiavin-dry zareo hovonoina? Ary nahoana no miteny ampahibemaso Izy io, ka no tsy misy sahy miteny Azy akory? Sao dia efa fantatry ny loholona kosa fa io no i Kristy? Ny niavian’Izy io anefa fantatsika; fa ny hiavian’i Kristy kosa tsy misy hahalala rahefa tonga Izy.” Dia niantso àry i Jesoa tao am-pampianarana tao amin’ny Tempoly ka nanao hoe: “Fantatrareo Aho, ary fantatrareo koa izay niaviako. Nefa tsy tonga ho Ahy Aho, fa marina Ilay naniraka Ahy, fa tsy fantatrareo. Izaho no mahalala Azy, satria Izy no niaviako, ary Izy no naniraka Ahy.”

Tamin’izay dia nisambotra Azy ny olona, kanefa tsy nisy sahy nitana Azy, satria tsy mbola tonga ny fotoany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Vakinteny hafa azo ifidianana

 

Vavaka Fanolorana

Ry Andriamanitra Andriananahary ô, ny herin’izao Sorona masina izao anie hanafaka anay amin’ny ratsy ka handio anay bebe kokoa hatrany ho tody any aminao loharano niaviana.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Prefasy: Karemy

 

Kômonio

Ef. 1, 7

Ny Ran’i Kristy no ahazoantsika ny fanavotana sy ny famelàna ny fahotantsika araka ny herin’ny fahasoavany.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Tompo: enga anie ho tahaka ny ialanay amin’ny fomba taloha ho an’ny fiainam-baovao no handaozanay ny toetra ratsy mahazatra ka hanamasinanao sy hanavaozanao ny fonay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


 
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0846