Sorona Masina ny Talata 18 febroary 2020

Herinandro faha-6 mandavantaona

TALATA

 

Tononkira fidirana

Sal. 30, 3-4

 

Aoka Ianao ho Andriamanitra mpiaro ahy sy ho tany fialofana hamonjenao ahy; fa Ianao no vatolampy sy tany mimandako; ary ho voninahitry ny Anaranao, dia tariho lalana aho sy fahano.

 

Fangatahana

Tompo ô, nambaranao mazava fa mitoetra ao amin’ny olo-marina sy mahitsy fo Ianao; koa ataovy marina sy mahitsy fo izahay ho mendrika honenanao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

 

Vakinteny voalohany

Taratasy nosoratan’i Md. Jakôba Apôstôly

Jak. 1, 12-18

 

Andriamanitra tsy maka fanahy olona.

Sambatra ny olona izay maharitra ny fizahan-toetra; fa rahefa voazaha toetra izy, dia handray ny satro-boninahitry ny fiainana, izay nampanantenain’Andriamanitra homena izay tia Azy. Aoka izay alaim-panahy tsy hisy hanao hoe: “Andriamanitra no maka fanahy ahy.” Fa Andriamanitra tsy azo alaim-panahy ho amin’ny ratsy, sady tsy maka fanahy olona. Fa isam-batan’olona dia samy taomin’ny filan-dratsy, izay manjono sy mitarika azy tsirairay avy. Ny filan-dratsy kosa, rahefa torontoronina, dia miteraka ota, ary ny ota, rahefa tanteraka, dia miteraka fahafatesana. Aza diso hevitra, ry kristianina havana: ny fanomezan-tsoa rehetra sy ny fahasoavana tanteraka rehetra dia avy any ambony, ka midina avy amin’ny Rain’ny fahazavana, izay tsy manam-piovaovana, na aloka avy amin’ny fihodinana. Niteraka antsika an-tsitrapo tamin’ny tenin’ny fahamarinana Izy, mba ho santatry ny zava-boaariny isika.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 93, 12-13a. 14-25. 18-19

 

Fiv.: Sambatra ny olona izay anarinao, ry Tompo.

Sambatra ny olona izay anarinao, ry Tompo, sy ampianarinao ny Lalànao, mba tsy hanahiahy amin’ny andro fahoriana, raha hihadiana longoa ny olon-dratsy.
Fa ny Tompo tsy hahafoy ny Vahoakany, na handao ny Lovany: ka ny olo-marina hahazo ny rariny, ny mahitsy fo no handresy lahatra.
Vao lasa ny teniko hoe: «Mibolisatra ny tongotro! » ny Hatsaram-ponao, ry Tompo, no avy nananty! Raha maro loatra ny ahiahy ato anatiko, ny fampiononanao no mampifaly ny fanahiko!

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny lalànao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Marka

Mk. 8, 14-21

 

Mitandrema ianareo fandrao azon’ny lalivain’ny Farisianina sy ny lalivain’i Herôda.

Tamin’izany andro izany, nanadino tsy nitondra mofo ny mpianatra, ka tsy nisy afa-tsy mofo iray monja teo an-tsambo kely. I Jesoa kosa nananatra azy nanao hoe: “Mitandrema tsara ianareo fandrao azon’ny lalivain’ny Farisianina sy ny lalivain’i Herôda.” Dia niara-nihevitra izy ireo ka nifampilaza hoe: “Noho isika tsy manana mofo izay.” Fantatr’i Jesoa ny heviny ka hoy Izy taminy: “Ahoana no iheveranareo izay tsy fanananareo mofo? Mbola tsy mahazo hevitra sy tsy mahazo saina ihany va ianareo? Donto ny fonareo? Mana-maso fa tsy mahita va ianareo? ary manan-tsofina fa tsy mahare? Ary tsy mahatadidy va ianareo? Raha nizara ny mofo dimy tamin’ny olona dimy arivo Aho, firy no sobika feno ny sombintsombiny sisa tsy lany nangoninareo?” Dia hoy ireo taminy hoe: “Roa ambin’ny folo.” Dia hoy i Jesoa: “Ary raha nizara ny mofo fito tamin’ny olona efatra arivo, firy no sobika feno ny sombintsombiny sisa tsy lany nangoninareo?” Hoy ireo hoe: “Fito.” Dia hoy Izy taminy: “Ka nahoana àry no mbola tsy mahalala ihany ianareo.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Vavaka Fanolorana

Hanadio anay sy hanavao anay anie, ry Tompo, izao fanatitra izao, ka hampahazo ny valisoa mandrakizay an’izay miezaka manatanteraka ny sitraponao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Kômonio

Sal. 77, 29-30

Nihinana ireo zanak’i Israely ka voky, nomen’ny Tompo azy izay niriny, ka afa-diana ny fony.

 

na hoe:

Jo. 3, 16

Toy izao no nitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao: nomeny ny Zanany Lahitokana mba tsy ho very izay rehetra mino Azy fa hanana ny fiainana mandrakizay.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Ampoky ny sakafo mahafa-po avy any an-danitra izahay, ry Tompo, no mihanta aminao; mba ataovy maniry mandrakariva izay hahazoanay ny tena fiainana marina.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


 
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0574