Sorona Masina ny Alatsinainy 17 febroary 2020

Herinandro faha-6 mandavantaona

ALATSINAINY

 

Tononkira fidirana

Sal. 30, 3-4

 

Aoka Ianao ho Andriamanitra mpiaro ahy sy ho tany fialofana hamonjenao ahy; fa Ianao no vatolampy sy tany mimandako; ary ho voninahitry ny Anaranao, dia tariho lalana aho sy fahano.

 

Fangatahana

Tompo ô, nambaranao mazava fa mitoetra ao amin’ny olo-marina sy mahitsy fo Ianao; koa ataovy marina sy mahitsy fo izahay ho mendrika honenanao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

 

Vakinteny voalohany

Taratasy nosoratan’i Md. Jakôba Apôstôly

Jak. 1, 1-11

 

Aoka ny fandeferana homban’ny asa lavorary, mba ho lavorary sy tonga ohatra ianareo.

Fiandohan’ny Taratasy nosoratan’i Md. Jakôba, mpanompon’Andriamanitra sy i Jesoa Kristy, miarahaba ny foko roa ambin’ny folo, izay miely any rehetra any. Raiso ho fifaliana avokoa, ry Rahalahy, ny fizahan-toetra samihafa rehetra midona aminareo, satria fantatrareo fa ny finoanareo dia mahatonga fandeferana. Ary aoka ny fandeferana homban’asa lavorary, mba ho lavorary sy tonga ohatra ianareo, ka tsy hisy zavatra tsy hanananareo. Raha misy tsy manam-pahendrena aminareo, dia aoka izy hangataka izany amin’Andriamanitra, fa homeny azy tokoa izany; satria sady manome malalaka ho an’ny olona rehetra Izy no tsy mba mandatsa. Aoka anefa hangataka amim-pinoana izy, fa tsy hisalasala; fa izay misalasala dia toy ny onjan-dranomasina atopatopa amana hetsiketsehin’ny rivotra. Ka ny olona toy izany dia aza manampo hahazo zavatra amin’ny Tompo, fa olona miroa saina sy mivadibadika amin’izay alehany rehetra. Aoka ny rahalahy ambany toetra hanao ny fisandratany ho reharehany; ary ny manan-karena kosa, ny fietreny ho voninahiny, fa hihelina toy ny vonin’ny ahitra izy. Nony miposaka ny masoandro mahamay, dia mandazo ny ahitra, ka mihintsana ny voniny, ary levona ny hatsaran-tarehiny rehetra: toy izany koa ny mpanan-karena, halazo amin’izay alehany izy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra.

 

Setriny

Salamo 118, 67-68. 71-72. 75-76

 

Fiv.: Ny indrafonao anie haninteraka hamelona ahy.

Talohan’ny nijaliako dia nivilivily aho fa izao dia mitandrina ny Didinao!
Soa Ianao, ry Tompo, sady mpanisy soa: ampianaro ahy ny Fitsipikao.

Soa ho ahy ny nomenao fijaliana, mba hianarako ny Fitsipikao!
Soa ho ahy ny Lalàna avy amin’ny Vavanao: mihoatra ny volamena sy volafotsy arivoarivo.

Fantatro, ry Tompo, fa rariny ny Fitsaranao: ara-pahamarinana no ampahorianao ahy!
Hampionona ahy anie ny Hatsaram-ponao: araka ny teninao tamin’ny mpanomponao.

  

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalànao, ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Marka

Mk. 8, 11-13

 

Ahoana no itadiavan’itý taranaka itý famantarana?

Tamin’izany andro izany, nanatona an’i Jesoa ny Farisianina, ka niady hevitra taminy sy nangataka famantarana avy any an-danitra taminy, mba hakany fanahy Azy. Dia nisento mafy Izy ka nanao hoe: “Ahoana no itadiavan’itý taranaka itý famantarana? Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy homena famantarana itý taranaka itý.” Dia nilaozany izy ireo ka niondrana an-tsambo kely indray Izy nankeny ampita.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Vavaka Fanolorana

Hanadio anay sy hanavao anay anie, ry Tompo, izao fanatitra izao, ka hampahazo ny valisoa mandrakizay an’izay miezaka manatanteraka ny sitraponao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Kômonio

Sal. 77, 29-30

Nihinana ireo zanak’i Israely ka voky, nomen’ny Tompo azy izay niriny, ka afa-diana ny fony.

 

na hoe:

Jo. 3, 16

Toy izao no nitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao: nomeny ny Zanany Lahitokana mba tsy ho very izay rehetra mino Azy fa hanana ny fiainana mandrakizay.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Ampoky ny sakafo mahafa-po avy any an-danitra izahay, ry Tompo, no mihanta aminao; mba ataovy maniry mandrakariva izay hahazoanay ny tena fiainana marina.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


 
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.098