Sorona Masina ny Asabotsy 08 febroary 2020

Herinandro faha-4 mandavantaona

SABOTSY

 

Tononkira fidirana

Sal. 105, 47

 

Vonjeo izahay, ry Tompo Andriamanitray, ka angony avy amin’ireo firenena, mba hidera ny Anaranao masina sy hifaly amin’ny fiderana Anao!

 

Fangatahana

Ry Tompo Andriamanitray ô, ampio izahay ho feno fanajana Anao sy ho feno fitiavana ny olona rehetra.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

 

Vakinteny voalohany

Boky voalohan’ny Mpanjaka

1 Mpanj. 3, 4-13

 

Omeo saina mahiratra ny mpanomponao, hahafahany mitsara ny vahoakanao.

Tamin’izany andro izany: Nankany Gabaôna i Salômôna hanao sorona, fa tany no fitoerana avo malaza. Sorona dorana arivo no nateriny teo ambonin’io ôtely io. Ary ny Tompo niseho tamin’i Salômôna tamin’ny nofy, nony alina , tany Gabaôna, ka hoy Andriamanitra taminy: “Angataho izay tianao homeko anao.” Dia hoy ny navalin’i Salômôna: “Efa naneho fitiavana lehibe tamin’i Davida mpanomponao raiko Ianao, araka ny nandehanany teo anatrehanao, tamin’ny tsy fivadihana sy fahamarinana, ary fahitsiam-po taminao; notohizinao izany fitiavana azy lehibe izany, ka nomenao zanaka lahy izay mipetraka eo amin’ny seza fiandrianany izy, araka izao hita izao. Ary ankehitriny, Tompo Andriamanitra ô, efa nampanjaka ny mpanomponao handimby an’i Davida raiko Ianao; izaho anefa dia mbola tovolahy tanora kely tsy mahay mitondra tena. Ary ny mpanomponao dia eo afovoan’ny vahoakanao, izay nofidinao, vahoaka be dia be, tsy azo vinavinaina ny habetsahany, tsy tambo isaina, fa maro be loatra. Koa saina mahiratra no omeo ny mpanomponao hitsarako ny vahoakanao, hanavahako ny soa sy ny ratsy. Fa iza moa no hahay mitsara izao vahoaka maro be izao.” Nankasitrahan’ny Tompo ny nangatahan’i Salômôna izany zavatra izany taminy. Ka hoy Andriamanitra taminy: “Noho ianao nangataka izany zavatra izany, ka tsy nangataka andro maro ho anao, sy tsy nangataka harena ho anao, ary tsy nangataka ny ain’ny fahavalonao ho anao; fa ny saina no nangatahinao ho anao mba hitsara araka ny rariny; dia indro, tanterahiko ny teninao fa omeko saina hendry sy mahiratra ianao, ka ny olona talohanao tsy nisy toa anao, ary tsy hisy toa anao ny olona hitsangana ato aorianao. Omeko anao mbamin’izay tsy nangatahinao koa aza, dia harena amam-boninahitra hany ka tsy hisy toa anao na iza na iza, amin’ny mpanjaka mandritra ny andronao rehetra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 118, 9-10. 11-12. 13-14

 

Fiv.: Ampianaro ahy, ry Tompo, ny Fitsipikao.

Fomba ahoana no hitanan’ny zatovo ny hadiovan-toetra?
Dia ny fitandremana ny Teninao!
Mitady Anao amin’ny foko tontolo aho,
koa aza avela handao ny baikonao.

Raketiko ato am-poko ny didinao
mba tsy hanotako aminao.
Hisaorana anie Ianao, ry Tompo!
Ampianaro ahy ny fitsipikao!

Tanisain’ny molotro avokoa ny sata rehetra
voalazan’ny vavanao!
Ny lalan’ny fanambaranao no ifaliako,
mihoatra noho ny harena rehetra.

  

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo. Izaho mahalala azy, ary izy manaraka ahy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Marka

Mk. 6, 30-34

 

Tahaka ny ondry tsy mana-mpiandry izy ireo.

Tamin’izany andro izany, niverina teo amin’i Jesoa ny Apôstôly, dia nilaza taminy ny zavatra rehetra nataony sy nampianariny. Ary hoy Izy taminy: “Avia ianareo, ndeha mitokana any amin’ny tany mangingina, ka mialà sasatra kely”: fa maro ny olona mifamoivoy ka tsy nisy hihinanany akory. Dia niara-niondrana an-tsambo kely izy ireo ka lasa nitokana any amin’ny tany mangingina. Fa hitan’ny olona ny nandehanany ary maro no nahalala ny halehany, ka nidodododo nandeha an-tongotra avy amin’ny tanàna rehetra, sy tonga tany talohany. Ary nony nivoaka avy tao an-tsambo i Jesoa dia nahita ireto vahoaka betsaka ka nangoraka azy, satria tahaka ny ondry tsy mana-mpiandry izy ireo, dia nampianatra azy zavatra maro Izy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Vavaka Fanolorana

Tompo ô, aterinay eto amin’ny ôtelinao ny tolotray; koa mba raiso ary ankasitraho ho tonga Sakramenta manambara sy mampahazo ny fanavotana.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Kômonio

Sal. 30, 17-18

Asehoy ny mpanomponao ny endrikao, ry Tompo, ka vonjeo aho noho ny hatsaram-ponao. Tompo ô, tsy ho azon-kenatra aho satria miantso Anao.

 

na hoe:

Mt. 5, 34

Sambatra ny mahantra am-panahy fa azy ny fanjakan’ny lanitra; sambatra ny malemy fanahy fa izy no handova ny tany.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Nahazo hery tamin’ny fanomezana mitondra fanavotana izahay no mihanta aminao, ry Tompo: ka enga anie ny famonjena mandrakizay omenao hampiroborobo mandrakariva ny finoana.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


 
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0227