Sorona Masina ny Alarobia 05 febroary 2020

Herinandro faha-4 mandavantaona

ALAROBIA

 

Tononkira fidirana

Sal. 105, 47

 

Vonjeo izahay, ry Tompo Andriamanitray, ka angony avy amin’ireo firenena, mba hidera ny Anaranao masina sy hifaly amin’ny fiderana Anao!

 

Fangatahana

Ry Tompo Andriamanitray ô, ampio izahay ho feno fanajana Anao sy ho feno fitiavana ny olona rehetra.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

 

Vakinteny voalohany

Boky faharoan’i Samoela

2 Sam. 24, 2. 9-17

 

Indro izaho no nanota, izaho no meloka, fa ireo kosa, ireo ondry ireo mba nanao inona moa?

Tamin’izany andro izany, hoy i Davida mpanjaka tamin’i Jôaba filohan’ny tafika, izay teo aminy: “Mandehàna tetezo ny fokon’i Israely rehetra hatrany Dana ka hatrany Bersabea, hahafantarako ny isan’ny vahoaka.” Ary natolotr’i Jôaba ny mpanjaka ny boky nisy ny isam-bahoaka, ka nisy valo hetsy, ny lehilahy mpiantafika, mahatan-tsabatra, tamin’i Israely, ary dimy hetsy ny lehilahy tamin’i Jodà. Nandre ny fony nitebiteby i Davida nony nanisa ny vahoaka, ka hoy i Davida tamin’ny Tompo: “Nahavita fahotana lehibe aho, tamin’ny nataoko! Koa ankehitriny, Tompo ô, mifona aminao aho, esory ny heloky ny mpanomponao, fa efa nanao toy ny adala tokoa aho.” Nony ampitso, rahefa nifoha i Davida, dia tonga tamin’i Gada mpaminany, mpahitan’i Davida, ny tenin’ny Tompo nanao hoe: “Mandehàna lazao amin’i Davida hoe: Izao no lazain’ny Tompo: Zavatra telo no apetrako eo anoloanao, ka fidio izay iray hataoko aminao.” Dia nankany amin’i Davida i Gada ka nanambara izany taminy, nanao hoe: “Ho tonga amin’ny taninao va ny mosary fito taona, sa handositra telo volana eo anoloan’ny fahavalonao izay hanenjika anao va ianao; sa hasian’ny pesta hateloana ny taninao? Hevero sy saino ankehitriny, izay valy homeko an’Ilay naniraka ahy.” Dia hoy ny navalin’i Davida tamin’i Gada: “Latsaka am-panahiana lozantany aho itý! Indrisy! Aoka re, fa dia aleontsika ho azon’ny tanan’ny Tompo fa be famindram-po Izy, toy izay ho azon’ny tanan’olombelona.” Ary ny Tompo naniraka pesta any amin’i Israely, hatramin’ny marainan’izay andro izay, ka hatramin’ilay fotoana voafetra, ka nahafatesana fito alina ny olona, hatrany Dana ka hatrany Bersabea. Mbola naninjitra ny tanany tamin’i Jerosalema ihany ilay Anjely, handringana azy. Fa nanenenan’ny Tompo ny amin’izany loza izany, ka hoy Izy tamin’ilay Anjely namono ny vahoaka: “Aoka izay, fa avonkòny amin’izao ny tananao.” Teo akaikin’ny famoloan’i Aerônà, Jeboseanina, no nitoeran’ilay Anjelin’ny Tompo tamin’izay. Nony nahita ilay Anjely namono ny vahoaka i Davida dia hoy izy tamin’ny Tompo: “Indro izaho no nanota, izaho no meloka, fa ireo kosa, ireo ondry ireo mba nanao inona moa? Ka aoka re izaho sy ny mpianakavin’i Kaky no hasian’ny tananao!”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 31, 1-2. 5. 6-7.

 

Fiv.: Miaiky heloka aho, ry Tompo.

Sambatra izay afa-keloka sy voavela ota.
Eny, sambatra ny olona tsy itanan’ny Tompo hadisoana
sy tsy misy fitaka eo am-bavany.


Koa nitsorako taminao ny otako;
tsy nafeniko Anao ny hadisoako.
Miaiky heloka aho, Tompo! hoy aho,
dia nesorinao ny hadisoana sy ny ota.


Koa amin’ny andro fahoriana,
ny mpivavaka rehetra hidera Anao;
raha ho tondraka ny ranobe, izy tsy mba ho trany.
Ianao no fiereko miaro amin’ny loza, i
zaho hodidininao hiram-pahafahana.


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Sokafy, ry Tompo ny fonay, mba hitandremanay ny tenin-Janakao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Marka

Mk. 6, 1-6

 

Tsy misy mpaminany tsy enin-kaja afa-tsy amin’ny taniny ihany.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nankany amin’ny tany nahabe Azy, ary nanaraka Azy ny mpianany. Ary rahefa sabata ny andro, dia nampianatra tao amin’ny sinagôga Izy, ka be tamin’izay nihaino Azy no gaga tamin’ny fampianarany sy nanao hoe: “Taiza no nahazoan’Izy io izany rehetra izany? Fahendrena manao ahoana izao nomena Azy izao, ary ahoana no ahefan’ny tanany izany asa lehibe izany? Moa tsy io va ilay mpandrafitra, zanak’i Maria, rahalahin’i Jakôba sy i Jôsefa ary i Jodà sy i Simôna? Moa tsy atý amintsika va ny anabaviny?” Dia tafintohina taminy izy ireo. Fa hoy i Jesoa taminy: “Tsy misy mpaminany tsy enin-kaja afa-tsy amin’ny taniny sy amin’ny fianakaviany ary amin’ny havany ihany.” Ary tsy nahazo nanao fahagagana akory Izy teo, fa marary vitsivitsy monja no nositraniny tamin’ny fametrahan-tanana, ary gaga Izy noho ny tsy finoan’ireo. Dia nitety ny vohitra manodidina sy nampianatra Izy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Vavaka Fanolorana

Tompo ô, aterinay eto amin’ny ôtelinao ny tolotray; koa mba raiso ary ankasitraho ho tonga Sakramenta manambara sy mampahazo ny fanavotana.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Kômonio

Sal. 30, 17-18

Asehoy ny mpanomponao ny endrikao, ry Tompo, ka vonjeo aho noho ny hatsaram-ponao. Tompo ô, tsy ho azon-kenatra aho satria miantso Anao.

 

na hoe:

Mt. 5, 34

Sambatra ny mahantra am-panahy fa azy ny fanjakan’ny lanitra; sambatra ny malemy fanahy fa izy no handova ny tany.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Nahazo hery tamin’ny fanomezana mitondra fanavotana izahay no mihanta aminao, ry Tompo: ka enga anie ny famonjena mandrakizay omenao hampiroborobo mandrakariva ny finoana.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


 
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0674