Sorona Masina ny Talata 28 janoary 2020

Herinandro faha-3 mandavaotaona

TALATA

 

Tononkira fidirana

Sal. 95, 1. 6

 

Iventeso hira vao ny Tompo; ihirao ny Tompo, ry tany tontolo. Fiandrianana sy fahamendrehana no mialoha Azy, hery sy harevaka no amin’ny toerany masina.

 

Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, tantano araka ny sitrakao ny asa ataonay mba ho mendrika hahavita asa soa betsaka izahay amin’ny Anaran’ny Zanakao malalanao, fa Izy Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

 

Vakinteny voalohany

Boky faharoan’i Samoela

2 Sam. 6, 12b-15. 17-19

 

Tamin’ny hobin-kafaliana sy feon’anjomara no nampakaran’i Davida sy ny taranak’i Israely rehetra ny fiaran’i Israely.

Tamin’izany andro izany: Niainga nandeha i Davida ka nampiakatra ny fiaran’Andriamanitra avy any an-tranon’i Obededôma ho any an-tanànan’i Davida nombam-panotrona maro niravoravo. Nony namindra inenina ny mpitondra ny fiaran’ny Tompo, dia nisy ombalahy iray sy zanak’omby matavy izay natolotra ho sorona. Nitsinjaka araka izay tratry ny ainy i Davida teo anatrehan’ny Tompo, ary nisikina efôda rongony madinika. Tamin’ny hobin-kafaliana sy ny feon’anjomara no nampakaran’i Davida sy ny taranak’i Israely rehetra ny fiaran’ny Tompo. Nony tafiditra ny fiaran’ny Tompo ka efa voapetraka tamin’ny fitoerany tao afovoan’ny lay nasain’i Davida natsangana ho azy, dia nanatitra sorona dorana sy sorom-pisaorana teo anatrehan’ny Tompo i Davida. Ary rehefa tapitra naterin’i Davida ny sorona dorana sy sorom-pivavahana dia nitso-drano ny vahoaka tamin’ny anaran’ny Tompon’ny tafika izy. Dia samy nomeny mofo mamy iray sy hena iray didy ary ampembam-boaloboka iray avy ny vahoaka rehetra, ny olona marobe rehetra amin’i Israely na lahy na vavy. Ary samy nody tany an-tranony daholo ny vahoaka rehetra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 23, 7. 8. 9. 10

 

Fiv.: Mpanjakan’ny voninahitra iza moa izany?

‘Nareo vavahady: atrakao ny tatao;
‘nareo varararana re, misondrota!
Satria hiditra eo ny Mpanjaka malaza!

Fa iza àry moa no Mpanjaka malaza?
Ny Tompo mahery, ny Tompo tsitoha,
ny Tompon’ny tafika mahery an’ady.

‘Nareo vavahady atrakao ny tatao;
‘nareo varavarana re, misondrota.
Satria hiditra eo ny Mpanjaka malaza!

Fa iza tokoa no Mpanjaka malaza?
Ny Tompon’ny tafika mahery an’ady,
ny Tompo no hany Mpanjaka malaza!

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Sambatra ireo mitana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo tsara sy mahitsy, ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana.

Aieloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Marka

Mk. 3, 31-35

 

Izay manao ny sitra-pon’Andriamanitra no rahalahiko, anabaviko ary reniko.

Tamin’izany andro izany, tonga ny renin’i Jesoa sy ny rahalahiny, nijanona teo alatrano, ka naniraka nampiantso Azy. Fa nisy olona maro nanodidina Azy, dia nilazana Izy natao hoe: “Indreo ao alatrano ny reninao sy ny rahalahinao, mitady Anao.” Fa novaliany hoe: “Iza moa no reniko sy rahalahiko?” Dia nijery izay nipetraka nanodidina Azy Izy ka nanao hoe: “Ireo no reniko sy rahalahiko; fa na iza na iza manao ny sitrapon’Andriamanitra, dia izy no rahalahiko sy anabaviko ary reniko.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Vavaka Fanolorana

Mba raiso ary ankasitraho, ry Tompo, ireto fanatitra ireto hanamasina anay sy hahavonjy anay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Kômonio

Sal. 33, 6

Manatòna ny Tompo, ary itafio ny fahazavany, dia tsy hangaihay intsony ianareo.

 

Na hoe:

Jo. 8, 12

Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo. Izay manaraka Ahy tsy mba mandeha amin’ny maizina fa hamirapiratan’ny fiainana.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Mitalaho an-tanan-droa aminao izahay, ry Andriamanitra Andriananahary, fa nahazo aim-baovao avy aminao izahay, ka enga anie hifaly mandrakariva amin’ny fanomezanao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


 
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1005